Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Mandresy tahaka ny nandresen'i Kristy

Daty
Alarobia 17 January 2024

Jao. 16:33. « Izany teny izany efa nolazaiko taminareo mba hanananareo fiadanana amiko. Aty amin’izao tontolo izao no ahitanareo fahoriana; nefa matokia; Izaho efa naharesy izao tontolo izao. »

Famelezana mafimafy kokoa noho ny mbola hataony amintsika no nataon’i Satana tamin’i Kristy. Fatiantoka lehibe no efa teo anatrehany na i Kristy na izy no ho mpandresy. Raha nanohitra ny fakam-panahy mahery vaika indrindra nalefany i Kristy ary tsy vitan’i Satana ny nitarika Azy hanota, dia fantany fa tsy maintsy ho very ny heriny ary hofaizina amin’ny fandravana maharitra mandrakizay izy amin’ny farany. Noho izany, dia niasa mafy tamin- kery lehibe i Satana mba hitarihana an’i Kristy hanao fahadisoana, ka dia handresy Azy izy (...) Tsy halaim- panahy amin’ny fomba feno fikirizana sy tsy mifaditrovana tahaka izay natao tamin’ny Mpamonjintsika ianao. Teo amin’ny lalany mandrakariva i Satana.

Moa ve ny olona hifikitra amin’ny herin’Andriamanitra, ka hanohitra an’i Satana amin’ny finiavana sy ny faharetana, tahaka ny nanomezan’i Kristy ohatra ho azy teo amin’ny tolona nataony tamin’ny fahavalo tany an’efitry ny fakam-panahy? Tsy afaka hamonjy ny olona amin’ny herin’ny hafetsen’i Satana Andriamanitra raha tsy sitrapon’ilay olona izany. Tsy maintsy miara-miasa amin’ny hery maha-olombelona azy izy ary ampian’ny herin’i Kristy avy amin’Andriamanitra mba hahazoana manohitra sy mandresy na ahoana na ahoana. Raha fehezina, dia tsy maintsy mandresy tahaka ny nandresen’i Kristy ny olona. Amin’ny alalan’ilay fandresena, izay tombontsoa ho azy ny nahazo izany tamin’ny anarana mahagagan’i Jesôsy, dia afaka ny ho tonga mpandovan’Andriamanitra izy, ary mpiara-mandova amin’i Jesôsy Kristy. Tsy ho tanteraka izany raha i Kristy irery no nitolona teo amin’ny fahazoana ny fandresena. Tsy maintsy manao ny anjarany ny olona, tsy maintsy mpandresy noho ny Aminy amin’ny alalan’ny hery sy ny fahasoavana nomen’i Kristy azy izy. Tsy maintsy miara-miasa amin’i Kristy ny olona eo amin’ny asa mafy atao mba hahazoana ny fandresena, ka amin’izany no hahatonga azy ho mpiombona anjara amin’ny voninahitr’i Kristy.

Nandresy ny Mpamonjy mba hampisehoana amin’ny olona ny fomba mety hahazoany izany fandresena izany koa. Notoherin’i Kristy tamin’ny Tenin’Andriamanitra avokoa ny fakam-panahin’i Satana rehetra. Tamin’ny fitokiany tamin’ireo teny fikasan’Andriamanitra no nandraisany hery hankatô ny didin’Andriamanitra, ka dia tsy nahita tombony ny mpaka fanahy. – SDG, t. 156.

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 20 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Fampidirana
Sun 21 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Teo ianareo.
Mon 22 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Amin’ny fahitsiana sy ny fahamarina
Tue 23 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Afaka misafidy ny hanompo
Wed 24 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Loza mifandraika amin’ny fanompoan-tsampy
Thu 25 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Tsara fiafara
Fri 26 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Fianarana fanampiny

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 13 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Fampidirana
Sun 14 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - "Tanteraka avokoa izany rehetra izany"
Mon 15 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Hoavy mampanahy
Tue 16 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Faritra mazava mampisaraka
Wed 17 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Ny fahatezeran’i Jehôvah
Thu 18 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Mifikira amin’Andriamanitra
Fri 19 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Fianarana fanampiny
Sat 20 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Fampidirana

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (68)
  • August 2024 (106)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal