Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

LESONA 1: TIA TSY VOZONANA ANDRIAMANITRA - Fampidirana

Daty
Sabotsy 28 December 2024

FAMPIDIRANA - LESONA SABATA HARIVA

ANDRIAMANITRA FITIAVANA SY RARINY

Andriamanitra dia fitiavana. Izany no lazain'ny 1 Jaona 4:8 sy 16. Manambara izany ny Baiboly manontolo. Miorina amin’ny toetran’ny fitiavan’Andriamanitra ny finoana kristianina. Ny fitiavana no fototry ny maha-Andriamanitra Azy, ny fototry ny zavatra rehetra inoantsika, ary tokony ho fototry ny zavatra rehetra ataontsika. Noho izany, ny fomba anekenantsika ny fitiavana dia misy fiantraikany lehibe amin’ny finoantsika sy ny fomba fiainantsika. Raha, ohatra, misy mino fa ny fitiavan’Andriamanitra dia tsy maintsy angonina na azo noho ny fahamendrehana, dia mety hieritreritra izy fa tsy tian’Andriamanitra izy noho ny fahotany sy ny tsy fahamendrehany. Ary raha miresaka ny hafa, mety hihevitra izy fa tsy maintsy mendrika aloha ny olona vao azo tiavina—izay dia mitondra fahasimbana.

Amin’io sy amin’ny fomba maro hafa, ny fahatakarantsika ny fitiavan’Andriamanitra dia misy fiantraikany lehibe amin’ny finoantsika sy ny fomba fiainantsika. Saingy, inona marina ny atao hoe fitiavana? Raha anontaniana olona folo ny famaritana ny fitiavana, dia mety hahazo valiny folo samy hafa ianao. Na dia eo amin’ny Kristiana aza, dia misy hevi-diso sy tsy fahatakarana momba ny fitiavan’Andriamanitra.

Ohatra, samy manana ny valiny samihafa ny Kristiana amin’ireto fanontaniana ireto:

  • Ny fitiavan’Andriamanitra ve dia manome fotsiny fa tsy mandray mihitsy?
  • Ny fitiavana masina ve dia tena fahafoizana tanteraka, sa mety hifaly sy ho afa-po amin’ny olombelona ihany koa Andriamanitra?
  • Ny fitiavan’Andriamanitra ve dia misy fihetseham-po? Tena miahy ny olombelona ve Izy?
  • Mety ho lavina na very ve ny fitiavan’Andriamanitra?
  • Miditra amin’ny fifandraisana mivantana amin’ny olombelona ve Andriamanitra?
  • Tsy mifanaraka amin’ny fitiavana ve ny fahatezerana?
  • Ahoana ny fifandraisan’ny fitiavana sy ny rariny?
  • Raha Andriamanitra no fitiavana, nahoana no misy ny ratsy eto amin’izao tontolo izao, ary betsaka izany?
  • Mety ho tia tahaka ny ataon’Andriamanitra ve ny olombelona? Raha eny, ahoana ny endriny?

Mety ho toa mazava ho azy ny valin’ireto fanontaniana sasany ireto, saingy matetika ifandirana ao amin’ny fampianarana kristianina momba ny fitiavan’Andriamanitra izany. Ary matetika koa, rehefa dinihina lalindalina, dia tsy mifanaraka amin’izay ampianarin’ny Soratra Masina momba ny fitiavan’Andriamanitra ny valin-kevitra sasany heverina ho mazava.

Tsy hovaliana avy hatrany ireo fanontaniana rehetra ireo, fa hodinihina tsirairay mandritra ity telovolana ity. Ho hitantsika fa ny fitiavan’Andriamanitra dia lehibe lavitra noho izay mety hoeritreretintsika. Ny fitiavan’Andriamanitra, araka ny asehon’ny Soratra Masina, dia ambony lavitra noho ny hevi-pitiavana maro ampiasain’ny tontolontsika ankehitriny. Amin’ny herinandro ho avy, dia handinika akaiky ny lafiny manan-danja sy tsara tarehy indrindra amin’ny fitiavan’Andriamanitra izay aseho ao amin’ny Baiboly isika.

Raha mitohy ny fandinihana, dia ho hitantsika fa mifamatotra tsy azo sarahina ny fitiavana sy ny rariny. Ny Andriamanitra ao amin’ny Baiboly dia tia rariny (jereo, ohatra, Isa. 61:8). Araka ny fampisehoan’ny Baiboly azy, ny fitiavana sy ny rariny dia mifandray amin’ny fomba tsy ahafahana manana ny iray raha tsy miaraka amin’ny iray hafa. Satria Andriamanitra dia fitiavana, dia tena miahy ny tsy rariny sy ny fahoriana eto amin’izao tontolo izao Izy, ary miara-miaina amin’ny mahantra sy ny ory, ary miditra an-tsitrapo ao anatin’ny fanaintainana sy alahelo nateraky ny ratsy teto amin’ny zavaboary Izy—ary Izy mihitsy no mijaly indrindra amin’izy rehetra, hany ka Andriamanitra mihitsy no lasibatra lehibe indrindra amin’ny ratsy.

Ao amin’ny Baiboly, dia miseho matetika fa ory sy malahelo noho ny ratsy sy ny fahoriana Andriamanitra satria tia ny olona tsirairay mihoatra noho izay azon-tsaintsika eritreretina. Azo jerena ny halalin’ny fitiavan’Andriamanitra ao amin’ny fahorian’i Kristy noho ny vahoakany raha nilaza Izy hoe: “Ry Jerosalema, Jerosalema, izay mamono ny mpaminany sy mitora-bato izay irahina ho any aminao! Impiry Aho no naniry hanangona ny zanakao tahaka ny akohovavy manangona ny zanany eo ambanin’ny elany, nefa tsy nety ianareo!” (Matio 23:37, NKJV).

Ny Andriamanitra ao amin’ny Baiboly, izay fitiavana, dia matetika aseho ao amin’ny Soratra Masina ho toy ny mahatsiaro alahelo sy torotoro noho ny fitiavana lavina sy very. Ny tantaran’ny Soratra Masina manontolo dia momba izay nataon’Andriamanitra sy mbola ataony mba hamerenana ny fitiavana ho ao amin’ny zoron-danitra rehetra sy ny fakan’ny zavaboary rehetra. Io sy ny maro hafa no lohahevitra ho resahina mandritra ity telovolana ity.

John C. Peckham dia tonia mpiara-miasa amin’ny Adventist Review. Tamin’ny fotoana nanoratana ity torolalana ity, dia mpampianatra teolojia sy filozofia kristianina tao amin’ny Seventh-day Adventist Theological Seminary ao amin’ny Oniversiten’i Andrews izy.

 

Hodinihina mandritra ny herinandro: Eks. 33:15-22: Hôs. 14:1-4: Apôk. 4:11; Jao. 17:24; Mat. 22:1-14; Jao. 10:17.18.

Tsianjery: "Hositraniko ny fiodinany, ho tia azy tsy vozonana Aho; fa efa niala taminy ny fahatezerako."– Hôs. 14:4.

Na nandà an'i Jesôsy intelo araka ny efa nambaran'i Jesôsy mialoha aza i Petera (Mat. 26:34), dia tsy ireo fandavana ireo tsy akory no faran'ny tantara. Hoy i Jesôsy nanontany an'i Petera taorian'ny nitsanganany tamin'ny maty: "Moa ny fitiavanao Ahy mihoatra noho ny fitiavan'ireto?" Namaly i Petera hoe: Eny, Tompoko; Hianao mahalala fa tia Anao aho. Dia hoy lzy taminy: "Fahano ary ny ondrikeliko." Dia nanontany an'i Petera indray i Jesôsy: "Moa tia Ahy va hianao?" ary Petera namaly hoe: "Eny, Tompoko; Hianao mahalala fa tia Anao aho." Dia hoy i Jesôsy taminy: "Andraso ary ny  ondriko ". Kanefa nanontany fanintelony i Jesôsy hoe: "Moa tia Ahy va hianao?" Dia nalahelo Petera, satria lzy nanao intelo taminy hoe: Moa tia Ahy va hianao? Ka hoy izy taminy: "Tompoko, Hianao mahalala ny zavatra rehetra; fantatrao fa tia Anao aho." Dia hoy i Jesôsy taminy: "Fahano ary ny ondriko." – Jao. 21:15-17. Tahaka ny nandavan'i Petera Azy intelo no nanamboaran'i Jesôsy an'i Petera intelo miantoana tamin'ny alalan'ilay fanontaniana hoe: "Moa tia Ahy va ianao?"

Na mety tsy hitovy amin'ny an'i Petera aza ny toe-javatra iainantsika, dia iray ihany ny lesona ho antsika. Izany hoe, ny fanontaniana napetrak'i Jesôsy tamin'i Petera indrindra no fanontaniana farany apetrany amintsika koa amin'izao fotoana sy toerana misy antsika izao, "Moa tia Ahy va lanao?"

Miankina amin'ny famaliantsika izany fanontaniana izany ny zavatra rehetra.

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 23 May 2026
Lesona 9: NY FAHOTANA, NY FILAZANTSARA ARY NY LALANA - Fampidirana.
Sun 24 May 2026
Lesona 9: NY FAHOTANA, NY FILAZANTSARA ARY NY LALANA - Zava-mahavariana sy fakampanahy.
Mon 25 May 2026
Lesona 9: NY FAHOTANA, NY FILAZANTSARA ARY NY LALANA - Ireo manda miaro ny fifandraisako amin’Andriamanitra.
Tue 26 May 2026
Lesona 9: NY FAHOTANA, NY FILAZANTSARA ARY NY LALANA - Ny lalàna.
Wed 27 May 2026
Lesona 9: NY FAHOTANA, NY FILAZANTSARA ARY NY LALANA - Ny lalàna sy ny Filazantsara.
Thu 28 May 2026
Lesona 9: NY FAHOTANA, NY FILAZANTSARA ARY NY LALANA - Mahafantatra ary manatanteraka.
Fri 29 May 2026
Lesona 9: NY FAHOTANA, NY FILAZANTSARA ARY NY LALÀNA - Fianarana fanampiny.
Sat 30 May 2026
Lesona 10: FIBEBAHANA SY FAMELAN- KELOKA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 16 May 2026
Lesona 8: MANANA FINOANA - Fampidirana.
Sun 17 May 2026
Lesona 8: MANANA FINOANA - Omeo famantarana fotsiny.
Mon 18 May 2026
Lesona 8: MANANA FINOANA - Tsy fihetseham-po ny finoana.
Tue 19 May 2026
Lesona 8: MANANA FINOANA - Tsy fihetseham-po ny finoana.
Wed 20 May 2026
Lesona 8: MANANA FINOANA - Ohatra amin’ny finoana.
Thu 21 May 2026
Lesona 8: MANANA FINOANA - Ny finoana an’i Jesôsy.
Fri 22 May 2026
Lesona 8: MANANA FINOANA - Fianarana fanampiny.
Sat 23 May 2026
Lesona 9: NY FAHOTANA, NY FILAZANTSARA ARY NY LALANA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 30 May 2026
Lesona 10: FIBEBAHANA SY FAMELAN- KELOKA - Fampidirana.
Sun 31 May 2026
Lesona 10 : FIBEBAHANA SY FAMELAN-KELOKA - Ny rotoroton’ny fiainana.
Mon 01 Jun 2026
Lesona 10: FIBEBAHANA SY FAMELAN- KELOKA - Ny asan’ny Fanahy Masina.
Tue 02 Jun 2026
Lesona 10: FIBEBAHANA SY FAMELAN- KELOKA - Ny fibebahana marina.
Wed 03 Jun 2026
Lesona 10: FIBEBAHANA SY FAMELAN- KELOKA - Fahasoavana ampy.
Thu 04 Jun 2026
Lesona 10: FIBEBAHANA SY FAMELAN- KELOKA - Akanjo lafo vidy indrindra.
Fri 05 Jun 2026
Lesona 10: FIBEBAHANA SY FAMELAN- KELOKA - Fianarana fanampiny.
Sat 06 Jun 2026
Lesona 11 : OLANA SY FAHAVOAZANA MARO SAMIHAFA - Fampidirana.

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (64)
  • August 2024 (109)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal