Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

LESONA 1: TIA TSY VOZONANA ANDRIAMANITRA - Fampidirana

Daty
Sabotsy 28 December 2024

FAMPIDIRANA - LESONA SABATA HARIVA

ANDRIAMANITRA FITIAVANA SY RARINY

Andriamanitra dia fitiavana. Izany no lazain'ny 1 Jaona 4:8 sy 16. Manambara izany ny Baiboly manontolo. Miorina amin’ny toetran’ny fitiavan’Andriamanitra ny finoana kristianina. Ny fitiavana no fototry ny maha-Andriamanitra Azy, ny fototry ny zavatra rehetra inoantsika, ary tokony ho fototry ny zavatra rehetra ataontsika. Noho izany, ny fomba anekenantsika ny fitiavana dia misy fiantraikany lehibe amin’ny finoantsika sy ny fomba fiainantsika. Raha, ohatra, misy mino fa ny fitiavan’Andriamanitra dia tsy maintsy angonina na azo noho ny fahamendrehana, dia mety hieritreritra izy fa tsy tian’Andriamanitra izy noho ny fahotany sy ny tsy fahamendrehany. Ary raha miresaka ny hafa, mety hihevitra izy fa tsy maintsy mendrika aloha ny olona vao azo tiavina—izay dia mitondra fahasimbana.

Amin’io sy amin’ny fomba maro hafa, ny fahatakarantsika ny fitiavan’Andriamanitra dia misy fiantraikany lehibe amin’ny finoantsika sy ny fomba fiainantsika. Saingy, inona marina ny atao hoe fitiavana? Raha anontaniana olona folo ny famaritana ny fitiavana, dia mety hahazo valiny folo samy hafa ianao. Na dia eo amin’ny Kristiana aza, dia misy hevi-diso sy tsy fahatakarana momba ny fitiavan’Andriamanitra.

Ohatra, samy manana ny valiny samihafa ny Kristiana amin’ireto fanontaniana ireto:

  • Ny fitiavan’Andriamanitra ve dia manome fotsiny fa tsy mandray mihitsy?
  • Ny fitiavana masina ve dia tena fahafoizana tanteraka, sa mety hifaly sy ho afa-po amin’ny olombelona ihany koa Andriamanitra?
  • Ny fitiavan’Andriamanitra ve dia misy fihetseham-po? Tena miahy ny olombelona ve Izy?
  • Mety ho lavina na very ve ny fitiavan’Andriamanitra?
  • Miditra amin’ny fifandraisana mivantana amin’ny olombelona ve Andriamanitra?
  • Tsy mifanaraka amin’ny fitiavana ve ny fahatezerana?
  • Ahoana ny fifandraisan’ny fitiavana sy ny rariny?
  • Raha Andriamanitra no fitiavana, nahoana no misy ny ratsy eto amin’izao tontolo izao, ary betsaka izany?
  • Mety ho tia tahaka ny ataon’Andriamanitra ve ny olombelona? Raha eny, ahoana ny endriny?

Mety ho toa mazava ho azy ny valin’ireto fanontaniana sasany ireto, saingy matetika ifandirana ao amin’ny fampianarana kristianina momba ny fitiavan’Andriamanitra izany. Ary matetika koa, rehefa dinihina lalindalina, dia tsy mifanaraka amin’izay ampianarin’ny Soratra Masina momba ny fitiavan’Andriamanitra ny valin-kevitra sasany heverina ho mazava.

Tsy hovaliana avy hatrany ireo fanontaniana rehetra ireo, fa hodinihina tsirairay mandritra ity telovolana ity. Ho hitantsika fa ny fitiavan’Andriamanitra dia lehibe lavitra noho izay mety hoeritreretintsika. Ny fitiavan’Andriamanitra, araka ny asehon’ny Soratra Masina, dia ambony lavitra noho ny hevi-pitiavana maro ampiasain’ny tontolontsika ankehitriny. Amin’ny herinandro ho avy, dia handinika akaiky ny lafiny manan-danja sy tsara tarehy indrindra amin’ny fitiavan’Andriamanitra izay aseho ao amin’ny Baiboly isika.

Raha mitohy ny fandinihana, dia ho hitantsika fa mifamatotra tsy azo sarahina ny fitiavana sy ny rariny. Ny Andriamanitra ao amin’ny Baiboly dia tia rariny (jereo, ohatra, Isa. 61:8). Araka ny fampisehoan’ny Baiboly azy, ny fitiavana sy ny rariny dia mifandray amin’ny fomba tsy ahafahana manana ny iray raha tsy miaraka amin’ny iray hafa. Satria Andriamanitra dia fitiavana, dia tena miahy ny tsy rariny sy ny fahoriana eto amin’izao tontolo izao Izy, ary miara-miaina amin’ny mahantra sy ny ory, ary miditra an-tsitrapo ao anatin’ny fanaintainana sy alahelo nateraky ny ratsy teto amin’ny zavaboary Izy—ary Izy mihitsy no mijaly indrindra amin’izy rehetra, hany ka Andriamanitra mihitsy no lasibatra lehibe indrindra amin’ny ratsy.

Ao amin’ny Baiboly, dia miseho matetika fa ory sy malahelo noho ny ratsy sy ny fahoriana Andriamanitra satria tia ny olona tsirairay mihoatra noho izay azon-tsaintsika eritreretina. Azo jerena ny halalin’ny fitiavan’Andriamanitra ao amin’ny fahorian’i Kristy noho ny vahoakany raha nilaza Izy hoe: “Ry Jerosalema, Jerosalema, izay mamono ny mpaminany sy mitora-bato izay irahina ho any aminao! Impiry Aho no naniry hanangona ny zanakao tahaka ny akohovavy manangona ny zanany eo ambanin’ny elany, nefa tsy nety ianareo!” (Matio 23:37, NKJV).

Ny Andriamanitra ao amin’ny Baiboly, izay fitiavana, dia matetika aseho ao amin’ny Soratra Masina ho toy ny mahatsiaro alahelo sy torotoro noho ny fitiavana lavina sy very. Ny tantaran’ny Soratra Masina manontolo dia momba izay nataon’Andriamanitra sy mbola ataony mba hamerenana ny fitiavana ho ao amin’ny zoron-danitra rehetra sy ny fakan’ny zavaboary rehetra. Io sy ny maro hafa no lohahevitra ho resahina mandritra ity telovolana ity.

John C. Peckham dia tonia mpiara-miasa amin’ny Adventist Review. Tamin’ny fotoana nanoratana ity torolalana ity, dia mpampianatra teolojia sy filozofia kristianina tao amin’ny Seventh-day Adventist Theological Seminary ao amin’ny Oniversiten’i Andrews izy.

 

Hodinihina mandritra ny herinandro: Eks. 33:15-22: Hôs. 14:1-4: Apôk. 4:11; Jao. 17:24; Mat. 22:1-14; Jao. 10:17.18.

Tsianjery: "Hositraniko ny fiodinany, ho tia azy tsy vozonana Aho; fa efa niala taminy ny fahatezerako."– Hôs. 14:4.

Na nandà an'i Jesôsy intelo araka ny efa nambaran'i Jesôsy mialoha aza i Petera (Mat. 26:34), dia tsy ireo fandavana ireo tsy akory no faran'ny tantara. Hoy i Jesôsy nanontany an'i Petera taorian'ny nitsanganany tamin'ny maty: "Moa ny fitiavanao Ahy mihoatra noho ny fitiavan'ireto?" Namaly i Petera hoe: Eny, Tompoko; Hianao mahalala fa tia Anao aho. Dia hoy lzy taminy: "Fahano ary ny ondrikeliko." Dia nanontany an'i Petera indray i Jesôsy: "Moa tia Ahy va hianao?" ary Petera namaly hoe: "Eny, Tompoko; Hianao mahalala fa tia Anao aho." Dia hoy i Jesôsy taminy: "Andraso ary ny  ondriko ". Kanefa nanontany fanintelony i Jesôsy hoe: "Moa tia Ahy va hianao?" Dia nalahelo Petera, satria lzy nanao intelo taminy hoe: Moa tia Ahy va hianao? Ka hoy izy taminy: "Tompoko, Hianao mahalala ny zavatra rehetra; fantatrao fa tia Anao aho." Dia hoy i Jesôsy taminy: "Fahano ary ny ondriko." – Jao. 21:15-17. Tahaka ny nandavan'i Petera Azy intelo no nanamboaran'i Jesôsy an'i Petera intelo miantoana tamin'ny alalan'ilay fanontaniana hoe: "Moa tia Ahy va ianao?"

Na mety tsy hitovy amin'ny an'i Petera aza ny toe-javatra iainantsika, dia iray ihany ny lesona ho antsika. Izany hoe, ny fanontaniana napetrak'i Jesôsy tamin'i Petera indrindra no fanontaniana farany apetrany amintsika koa amin'izao fotoana sy toerana misy antsika izao, "Moa tia Ahy va lanao?"

Miankina amin'ny famaliantsika izany fanontaniana izany ny zavatra rehetra.

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 16 Aug 2025
LESONA 8: NY FANEKENA TAO SINAY - Fampidirana.
Sun 17 Aug 2025
LESONA 8: NY FANEKENA TAO SINAY - Teo an-tendrombohitra Sinay.
Mon 18 Aug 2025
LESONA 8: NY FANEKENA TAO SINAY - Miomana handray fanomezana.
Tue 19 Aug 2025
LESONA 8: NY FANEKENA TAO SINAY - Ny didy folo, fanomezana.
Wed 20 Aug 2025
LESONA 8: NY FANEKENA TAO SINAY - Ny anjaran’ny lalàn’Andriamanitra.
Thu 21 Aug 2025
LESONA 8: NY FANEKENA TAO SINAY - Ny lalàna, teny fikasan’Andriamanitra ho antsika.
Fri 22 Aug 2025
Lesona 8: LESONA 8: NY FANEKENA TAO SINAY - Fianarana fanampiny.
Sat 23 Aug 2025
LESONA 9 : MIAINA ARAKA NY LALÀNA - Fampidirana

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 09 Aug 2025
LESONA 7: MOFON’AINA SY RANON’AINA - Fampidirana.
Sun 10 Aug 2025
LESONA 7 : MOFON’AINA SY RANIN’AINA - Rano mangidy.
Sun 10 Aug 2025
LESONA 9: MIAINA ARAKA NY LALÀNA - Ireo lalàn’ny fanekena.
Mon 11 Aug 2025
LESONA 7 : MOFON’AINA SY RANON’AINA - Ny Papelika sy ny Mana.
Tue 12 Aug 2025
LESONA 7 : MOFON’AINA SY RANON’AINA - Rano avy amin’ny vatolampy.
Wed 13 Aug 2025
LESONA 7 : MOFON’AINA SY RANON’AINA - Jetro.
Thu 14 Aug 2025
LESONA 7 : MOFON’AINA SY RANON’AINA - Mofon’aina sy ranon’aina.
Fri 15 Aug 2025
LESONA 7 : MOFON’AINA SY RANON’AINA - Fianarana fanampiny.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 23 Aug 2025
LESONA 9 : MIAINA ARAKA NY LALÀNA - Fampidirana
Sun 24 Aug 2025
LESONA 9: MIAINA ARAKA NY LALÀNA - Ireo lalàn’ny fanekena.
Mon 25 Aug 2025
LESONA 9: MIAINA ARAKA NY LALÀNA - Lalàna hafa koa.
Tue 26 Aug 2025
LESONA 9: MIAINA ARAKA NY LALÀNA - Ny drafitr’Andriamanitra tany am-boalohany.
Wed 27 Aug 2025
LESONA 9: MIAINA ARAKA NY LALÀNA - Maso solon’ny maso.
Thu 28 Aug 2025
LESONA 9: MIAINA ARAKA NY LALÀNA - Valifaty.
Fri 29 Aug 2025
LESONA 9: MIAINA ARAKA NY LALÀNA - Fianarana fanampiny.
Sat 30 Aug 2025
LESONA 10 : NY FANEKENA SY NY MARI-DRAFITRY NY TABENAKELY - Fampidirana

Archive mensuelle

  • October 2024 (96)
  • November 2024 (69)
  • December 2024 (17)
  • January 2025 (69)
  • February 2025 (91)
  • March 2025 (21)
  • April 2025 (73)
  • May 2025 (87)
  • June 2025 (19)
  • July 2025 (68)

Pagination

  • Previous page
  • 2
  • Next page
Powered by Drupal