Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Aoka ho mpamela heloka.

Daty
Alahady 05 January 2025

« Fa raha mamela ny fahadisoan’ny olona hianareo, dia mba hamela ny anareo kosa ny Rainareo Izay any an-danitra. Fa raha tsy mamela ny fahadisoan’ny olona hianareo, dia tsy hamela ny fahadisoanareo ny Rainareo. » Mat. 6:14,15.

Mofon'aina:
Nampianatra ny mpianany hivavaka toy izao ny Mpamonjy: “Mamela ny helokay tahaka ny namelanay izay meloka taminay.” Misy fepetra ny hahazoana ilay fitahiana lehibe eto. Isika ihany no mametraka izany fepetra izany. Mangataka isika mba ho araka ny fatram-pamindrampo omentsika ny hafa ny hamindran’Andriamanitra fo amintsika. Ambaran’i Kristy fa izany no fitsipika itondran’ny Tompo antsika, araka ny ao amin’ny Mat. 6:14,15. Mahatalanjona ireo teny ireo! Saingy zara raha takatra sy tandreman’ny olona izany.

Anisan’ny fahotana mpahazo ny olona indrindra, izay misy vokany manimba indrindra, ny fikolokoloana toe-tsaina tsy mpamela heloka. Firifiry no mitahiry fankahalana sy valifaty ao am-pony, ary avy eo miondrika eo anatrehan’Andriamanitra mangataka Aminy mba havela heloka tahaka ny namelany heloka? (...) Miankina amin’ny famindrampon’Andriamanitra mamela ny helotsika isan’andro sy isan’ ora isika; koa ahoana no hitehirizantsika fangidiana sy fankahalana ny mpanota mitovy amintsika? Raha mampihatra ny fitsipika ao amin’io vavaka io ny Kristianina eo amin’ny fifandraisany rehetra isan’andro, akory ny fiovana mahafinaritra ho hita ao am-piangonana sy eo amin’izao tontolo izao! Izany no ho fanambarana maharesy lahatra indrindra azo omena ho vavolombelon’ny maha-zava-misy tokoa ny fivavahan’ny Baiboly. (...)

Tian’i Paoly hahay hanavaka ny fitiavana madio tsy misy fitiavan-tena entanin’ny toe-tsain’i Kristy, amin’ny fitiavana sandoka sy jnpandrobo manjaka eo amin’izao tontolo izao isika (Rôm. 12:9,10). Fanahy maro no voafitak’io sandoka io. Takonany tsy ho hita ny fahasamihafan’ny marina sy ny diso amin’ny fiombonany amin’ireo mpandika lalàna, fa tsy mba asehony azy ireny amim-pahatokiana ny fahadisoany. Tsy ho vokatry ny fitiava-namana marina velively izany toetra izany. (...)

Na ho tsara fanahy sy mangoraka ary mandefitra mandrakariva aza ny Kristianina, dia tsy afaka hifanaraka amin’ny fahotana kosa izy. Hankahala ny ratsy izy ireo ary hifikitra amin’ny tsara (...). Hahatonga antsika hankahala ny fahotana ny toe-tsain’i Kristy, kanefa koa ho vonona hanao ny fomba rehetra hamonjena ny mpanota. — TFC, b. 5, tt. 170,171.

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 02 May 2026
Lesona 6: MPITOLONA AMIM-BAVAKA - Fampidirana.
Sun 03 May 2026
Lesona 6: MPITOLONA AMIM-BAVAKA - Daniela mahatoky.
Mon 04 May 2026
Lesona 6: MPITOLONA AMIM-BAVAKA - Ny fihetsika eo am-pivavahana.
Tue 05 May 2026
Lesona 6: MPITOLONA AMIM-BAVAKA - Nandeha no niresaka i Enoka.
Wed 06 May 2026
Lesona 6: MPITOLONA AMIM-BAVAKA - Mosesy, Mpitarika manana toe-panahy araka an’Andriamanitra.
Thu 07 May 2026
Lesona 6: MPITOLONA AMIM-BAVAKA - Nifona ho an’ny firenena i Mosesy.
Fri 08 May 2026
Lesona 6: MPITOLONA AMIM-BAVAKA - Fianarana fanampiny.
Sat 09 May 2026
Lesona 7: VAVAKA IAINANA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 25 Apr 2026
Lesona 5: NY FOMBA FANDINIHANA NY BAIBOLY - Fampidirana.
Sun 26 Apr 2026
Lesona 5: NY FOMBA FANDINIHANA NY BAIBOLY - Ny fotoana.
Mon 27 Apr 2026
Lesona 5: NY FOMBA FANDINIHANA NY BAIBOLY - Toerana iray.
Tue 28 Apr 2026
Lesona 5: NY FOMBA FANDINIHANA NY BAIBOLY - Fandinihana lalina ny baiboly.
Wed 29 Apr 2026
Lesona 5: NY FOMBA FANDINIHANA NY BAIBOLY - Fitahiana roa sosona.
Thu 30 Apr 2026
Lesona 5: NY FOMBA FANDINIHANA NY BAIBOLY - Endrey ny hamamin’ny teninao.
Fri 01 May 2026
Lesona 5: NY FOMBA FANDINIHANA NY BAIBOLY - Fianarana fanampiny.
Sat 02 May 2026
Lesona 6: MPITOLONA AMIM-BAVAKA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 09 May 2026
Lesona 7: VAVAKA IAINANA - Fampidirana.
Sun 10 May 2026
Lesona 7: VAVAKA IAINANA - Elia nivavaka tao anatin’ny fotoan-tsarotra.
Mon 11 May 2026
Lesona 7: VAVAKA IAINANA - Rehefa toy ny tsy ahazoam-baliny ny vavaka.
Tue 12 May 2026
Lesona 7: VAVAKA IAINANA - Mampianatra antsika hivavaka i Jesôsy.
Wed 13 May 2026
Lesona 7: VAVAKA IAINANA - Fiderana,fiaiken-keloka,fangatahana ary fisaorana.
Thu 14 May 2026
Lesona 7: VAVAKA IAINANA - Fanontaniana maromaro mikasika ny vavaka.
Fri 15 May 2026
Lesona 7: VAVAKA IAINANA - Fianarana fanampiny.

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (64)
  • August 2024 (109)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal