Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Hovaliana ny vavaka ataontsika.

Daty
Alarobia 08 January 2025

"Fa amin'izany dia hirarvoravo amin'ny Tsitoha hianao ka hanandratra ny tavanao amin'Andriamanitra. Raha mifona aminy hianao, dia hihaino anao Izy; ary ny voadinao dia hefainao." - Joba 22:26,27.

Mofon’aina:
Hoy i Kristy rehefa nivavaka ho an'ny mpianany: "Ho an'ireto no anamasinako ny tenako, mba hanamasinan'ny fahamarinanao azy. Nefa tsy ho an'ireto ihany no angatahako, fa ho an'izay mino Ahy koa noho ny teniny" – Jao. 17:19,20. Nampidirin'i Kristy tao anatin'ny vavaka nataony ireo rehetra izay hihaino ny tenin'ny fiainana sy famonjena avy amin'ireo mpitondra hafatra nirahiny. (…)

Takatsika amin'ny alalan'ny finoana ve fa malalan'Andriamanitra Ray isika, toy ny itiavany ny Zanany Lahitokana? Raha takatsika izany ka miasa isika ho setrin'izany, dia haidina ao amin'ny fanahintsika mahantra sy mangetaheta ary karankaina ny fahasoavan'i Kristy, dia ny diloilo volamena avy any an-danitra. Tsy hiovaova na hitsilopilopy intsony ny fahazavantsika, fa hamirapiratra mazava ao anatin'ny haizina ara-pitondran-tena, izay toa lambam-paty manarona izao tontolo izao. Tokony ho rentsika amin'ny alalan'ny finoana ny fanelanelanana amin-kery izay ataon'i Kristy tsy tapaka ho antsika hoe: "Ray ô tiako mba ho any amiko amin'izay itoerako ireo izay nomenao Ahy, mba hahita ny voninahitro nomenao Ahy izy; fa efa tia Ahy Hianao, fony .tsy mbola ary ny fanorenan'izao tontolo izao." Jao. 17:24 ( ...)

Mandrisika antsika hanao fangatahana tsy tapaka ny Mpanavotra antsika. Manome toky azo antoka ho antsika Izy fa tsy ho foana ny fivavahantsika. Hoy Izy: "Mangataha, dia homena hianareo; mitadiava, dia hahita hianareo; dondony, dia hovohana hianareo. Fa izay rehetra mangataka no mahazo; ary izay mitady no mahita; ary izay mandondona no hovohana." – Lio. 11:9.

Avy eo dia ataony sary an'ohatra ny ankizy iray mangataka mofo amin-drainy, ka asehony ny fihoaran'ny fanirian'Andriamanitra hanome izay angatahintsika raha miolotra amin'ny fanirian'ny ray aman-dreny eto an-tany hanome izay angatahin-janany. (...)

Azontsika hatonina izao ankehitriny izao ny Mpamonjintsika sarobidy. Ao Aminy no iorenan'ny fanantenantsika ny fiainana mandrakizay. Izy no mitondra ny fangatahantsika amin' Andriamanitra Ray sy mampita amin-tsika ny fitahiana nangatahintsika. —ST, 18 Jona 1896. 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 20 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Fampidirana
Sun 21 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Teo ianareo.
Mon 22 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Amin’ny fahitsiana sy ny fahamarina
Tue 23 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Afaka misafidy ny hanompo
Wed 24 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Loza mifandraika amin’ny fanompoan-tsampy
Thu 25 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Tsara fiafara
Fri 26 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Fianarana fanampiny

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 13 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Fampidirana
Sun 14 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - "Tanteraka avokoa izany rehetra izany"
Mon 15 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Hoavy mampanahy
Tue 16 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Faritra mazava mampisaraka
Wed 17 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Ny fahatezeran’i Jehôvah
Thu 18 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Mifikira amin’Andriamanitra
Fri 19 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Fianarana fanampiny
Sat 20 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Fampidirana

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (68)
  • August 2024 (106)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal