Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Mitoera eo akaikin'Andriamanitra 

Daty
Sabotsy 11 January 2025

"Ary mivavaha mandrakariva ao amin'ny Fanahy amin'ny fivavahana rehetra sy ny fangatahana, ka miambena amin'izany amin'ny faharetana sy ny fangatahana rehetra ho an'ny olona masina rehetra." - Efes. 6:18.

Mofon’aina:
Tsy mandeha ho azy ho an'ny olona sasany ny fitiavana zava-  panahy, koa ilain' izy ireny ny mampahery tena sy mikolokolo fahazarana mandinika akaiky ny fiainany sy ireo antony manosika azy, ary tokony hovoleny manokana ny fitiavam-pivavahana sy ny vavaka mangina. Re matetika izy ireo miresaka fisalasalana sy tsy finoana, ary mitaredretra eo amin'ny ady mafy ataony amin'ny fahatsapana tsy fahatokiana. Asongadiny loatra ny fanakiviana izay misy fiantraikany amin'ny finoany, ny fanantenany, ary ny herim-pony ao anatin'ny fanarahany ny fahamarinana sy ny fikatsahany fahombiazana eo amin'ny asan'Andriamanitra, hany ka manjary toa misy fahatsarany manokana ny mipetraka eo amin'ny toeran'ny mpiroaroa saina.

 Indraindray toa mahafaly azy ireo ny miserantserana eo amin'ny toeran'ny tsy mahatoky sy ny manamafy ny tsy finoany amin'ny toe-javatra rehetra azony atambatra hanamarinana ny fitoerany ao amin'ny haizina. Izao no holazaintsika amin'ny olona toy izany: Tsara kokoa aminao ny midina faingana ka miala amin'ny mandan'ny Ziona, mandra-piovanao fo tanteraka. (...)

Inona anefa no anton' ireny fisalasalana sy haizina ary tsy finoana ireny? Hoy aho hoe: Tsy mahitsy amin'Andriamanitra ireny lehilahy sy vehivavy ireny. Tsy mahatoky na marina amin'ny fanahin'ny tenany aza izy ireo. Nataony ambanin-javatra ny fikolokoloana fiainam-bavaka manokana. Tsy nisaraka tamin'ny fitiavan-tena rehetra sy ny ota ary ny mpanota izy ireo. Tsy nianatra fiainana feno fandavan-tena sy fanoloran-tena ho an'ny Tompontsika izy ireo, ary tsy nanaraka ny ohatry ny fahadiovana sy ny fivavahana ary ny fahafoizan-tena nasehon'i Kristy. (...)

 Asa ambony sy masina ny asa tanterahintsika. Ireo izay milaza ny tenany ho mpampianatra ny fahamarinana amin'ireo izay ao anatin'ny haizina dia tsy tokony ho hita ho feno fisalasalana sy fahamaizinana ny tenany. Tokony hanakaiky an'Andriamanitra izy ireo, eo amin'ny toerana izay hananany ny fahazavana rehetra ao amin'ny Tompo. Tsy manana fahazavana izy ireo satria tsy mankatô ny tenin'Andriamanitra; koa teny feno fisalasalana sy fahakiviana no lazainy, kanefa teny feno finoana sy fifaliana masina no tokony ho re. — TFC, b. 2, tt. 513-516. 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 31 Jan 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY - Fampidirana.
Sun 01 Feb 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY - Mifaly ao amin’i Tompo.
Mon 02 Feb 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY - Ny fiainan’i Paoly tamin’ny lasa.
Tue 03 Feb 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY -
Wed 04 Feb 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY -
Thu 05 Feb 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY -
Fri 06 Feb 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY -

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 24 Jan 2026
Lesona 5: MAMIRAPIRATRA AO ANATIN'NY ALINA - Fampidirana.
Sun 25 Jan 2026
Lesona 5: MAMIRAPIRATRA AO ANATIN'NY ALINA - Miasa hahatanteraka ny asan’Andriamanitra ao anatintsika isika.
Mon 26 Jan 2026
Lesona 5: MAMIRAPIRATRA AO ANATIN'NY ALINA - Fanazavana ao anatin’ny aizin’izao tontolo izao.
Tue 27 Jan 2026
Lesona 5: MAMIRAPIRATRA AO ANATIN'NY ALINA - Fanatitra velona.
Wed 28 Jan 2026
Lesona 5: MAMIRAPIRATRA AO ANATIN'NY ALINA - Voazaha toetra.
Thu 29 Jan 2026
Lesona 5: MAMIRAPIRATRA AO ANATIN'NY ALINA - "Omeo voninahitra izay olona tahaka izany."
Fri 30 Jan 2026
Lesona 5: MAMIRAPIRATRA AO ANATIN'NY ALINA - Fianarana fanampiny.
Sat 31 Jan 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (68)
  • August 2024 (106)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal