Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Mifamatotra ny vavaka sy ny fanavaozana

Daty
Alahady 19 January 2025

« Raha ny oloko izay nantsoina amin’ny anarako  ho avy hanetry tena ka hivavaka  sy hitady ny tavako ary hiala amin’ny  ratsy fanaony, dia hihaino any an-danitra  Aho ka hamela ny helony  ary hahasitrana ny taniny. » —2 Tant. 7:14. 

Mofon’aina:
Tao amin'ny vavaka nirakitra faminaniana notononin' i   Solomona tamin'ny fitokanana ny tempoly (...) no efa nanambaran' ilay mpanjaka hoe: «Raha resy eo anoloan'ny fahavalo ny Isiraely olonao noho ny nanotany taminao, ary miverina aminao sy manaiky ny anaranao indray ka mivavaka sy mifona aminao eto amin'ity trano ity izy, dia mihainoa any an-danitra Hianao, ka mamelà ny fahotan'ny Isiraely olonao». 
Napetraka tamin'izany vavaka izany ny tombokasen'ny fankasitrahan' Andriamanitra, fa nidina avy tany an-danitra ny afo ka nandevona ny fanatitra hodorana sy ny fanatitra hafa alatsa-dra raha vao vita ny vavak'i Solomona, ary nameno ny tempoly ny voninahitr 'Andriamanitra. (...) 

Hatry ny taona maro lasa no efa tsy niheverana intsony ny Paska ho andro firavoravoan'ny firenena. Ny fizarazaran'ny fanjakana tamin'ny faran'ny andro nanjakan'i Solomona no nahatonga ny fankalazana izany ho tsy azo natao intsony. Ny famaizana mahatsiravina namely ny fokom-pirenena folo anefa no namohafoha indray tao am-pon'ny olona sasany ny faniriana ny fanatsarana ny ara-panahy, ary nitera-boka-tsoa tokoa ny hafatra nanaitra ny fo nataon'ny mpaminany. (...) Tsy nahoan'ireo mafy fo izany, fa ireo izay nitady fatratra ny Tompo mba hahalala bebe kokoa ny sitrapony dia «nanetry tena ka tonga tany Jerosalema». MM, tt. 278,279, ed. 1986 
Ny hany fanafodin'ny toe-java-nitranga dia ny fialana tamin'ny fahotana izay nahatonga ny famaizan'ny Tsitoha, ary ny fiverenany Aminy amin'ny fony rehetra. Fa efa nomena azy ireo izao fanomezan-toky izao hoe: «Indro, raha mampihantona ny andro Aho, ka tsy misy ranonorana latsaka, na asaiko mandany ny tany ny valala, na anaterako areti-mandringana ny oloko, raha ny oloko izay nantsoina amin'ny anarako ho avy hanetry tena ka hivavaka sy hitady ny tavako ary hiala amin'ny ratsy fanaony, dia hihaino any an-danitra Aho, ka hamela ny helony ary hanasitrana ny taniny» -2 Tant. 7:14. Koa mba hahatongavana amin'izany fandresena izany amim-pihobiana no naharetan'ny Tompo tamin'ny fihazonana ny ando sy ny orana tsy hilatsaka mandra-pisian'ny fihavaozana tanteraka teo amin'ny Isiraely. — MM, tt. 101,102, ed. 1986. 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 08 Aug 2026
Lesona 7: NY ATAO HOE FITIAVANA - Fampidirana.
Sun 09 Aug 2026
Lesona 7: NY ATAO HOE FITIAVANA - Ny maha-zava-dehibe ny fitiavana.
Mon 10 Aug 2026
Lesona 7: NY ATAO HOE FITIAVANA - Ny ataon’ny Fitiavana.
Tue 11 Aug 2026
Lesona 7: NY ATAO HOE FITIAVANA - Ny tsy ataon’ny Fitiavana.
Wed 12 Aug 2026
Lesona 7: NY ATAO HOE FITIAVANA - Fanoritsoritana an’i Jesôsy.
Thu 13 Aug 2026
Lesona 7: NY ATAO HOE FITIAVANA - Finoana, fanantenana ary fitiavana.
Fri 14 Aug 2026
Lesona 7: NY ATAO HOE FITIAVANA - Fianarana fanampiny.
Sat 15 Aug 2026
Lesona 8 : NY HERIN'NY FITSANGANAN'I KRISTY TAMIN'NY MATY - Fampidirana

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 01 Aug 2026
Lesona 6 : NY FANOMEZAMPAHASOAVANA - Fampidirana.
Sun 02 Aug 2026
Lesona 6 : NY FANOMEZAMPAHASOAVANA - Fanomezampahasoavana samy hafa.
Mon 03 Aug 2026
Lesona 6 : NY FANOMEZAMPAHASOAVANA - Firaisana ao anatin’ny fahasamihafana.
Tue 04 Aug 2026
Lesona 6 : NY FANOMEZAMPAHASOAVANA - Làlana tsara indrindra.
Wed 05 Aug 2026
Lesona 6 : NY FANOMEZAMPAHASOAVANA - Ny fanomezampahasoavan’ny fitenenana amin’ny fiteny samihafa.
Thu 06 Aug 2026
Lesona 6 : NY FANOMEZAMPAHASOAVANA - Ny fanomezampahasoavan’ny faminaniana.
Fri 07 Aug 2026
Lesona 6 : NY FANOMEZAMPAHASOAVANA - Fianarana fanampiny.
Sat 08 Aug 2026
Lesona 7: NY ATAO HOE FITIAVANA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 15 Aug 2026
Lesona 8 : NY HERIN'NY FITSANGANAN'I KRISTY TAMIN'NY MATY - Fampidirana

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (64)
  • August 2024 (109)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal