Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Mivavaka amin'ny anaran'i Kristy

Daty
Zoma 24 January 2025

"Ary na inona na inona no hangatahinareo amin'ny anarako, dia hataoko izany, mba hankalazana ny Ray eo amin'ny Zanaka. Raha mangataka zavatra amiko amin'ny anarako hianareo, dia hataoko izany." - Jao. 14:13,14.

Mofon’aina:

Malahelo ny Tompo rehefa ambany fihevitra ny tenany ny vahoakany. Tiany raha manombana ny tenany araka ny tombam-bidy nomeny azy, ireo lova nofidiny. Irin'Andriamanitra izy ireo, raha tsy izany dia tsy nalefany ny Zanany hanao iraka nandany be toy izao hanavotana azy ireo. Manana asa ho azy Izy, koa mahafaly Azy ny hanaovan'izy ireo fangatahana ambony indrindra Aminy, mba hanomezany voninahitra ny anarany. Mahazo manantena zava-dehibe izy raha mino ny teny fikasany.

Midika zavatra betsaka anefa izany mivavaka amin'ny anaran'i Kristy izany. Midika izany fa tokony handray ny toetra amam-panahiny isika, haneho ny toe-tsainy, ary hanatanteraka ny asany. Misy fepetra ny fanatanterahana ny teny fikasan'ny Mpamonjy. "Raha tia Ahy hianareo, hoy, Izy, dia hitandrina ny didiko". Tsy mamonjy ny olona ao amin'ny fahotana Izy, fa ho afaka amin'ny fahotana; ary izay tia Azy dia hampiseho ny fitiavany amin'ny alalan'ny fankatoavana.

Avy amin'ny fo ny tena fankatoavana marina rehetra. Asan'ny fo miaraka amin'i Kristy izany. Ary raha manaiky isika, dia hataony mitovy indrindra amin'ny Azy ny eritreritsika sy ny zava-kendrentsika, ny fontsika sy ny saintsika hataony mifanaraka indrindra amin'ny sitrapony, hany ka rehefa mankatò Azy isika dia tsy manao afa-tsy ny manatanteraka ny fironana ao anatintsika rahateo. (...) Rehefa ankamamiana ny toetra amam-panahin'i Kristy sy ny firaisana amin'Andriamanitra, dia manjary maharikoriko antsika ny fahotana. (...)

Tsy azontsika ianteherana ny torohevitr'olombelona. Ny Tompo no hampianatra antsika ny adidintsika tahaka ny hanaovany izany an-tsitrapo ho an'ny hafa koa. Raha manatona Azy amin'ny finoana isika, dia hambarany amintsika manokana ny zava-miafiny. (...) Izay manapa-kevitra tsy hanao na inona na inona hampalahelo an'Andriamanitra, na amin'ny lafiny inona na amin'ny lafiny inona, dia hahafantatra marina ny lalana tokony hizorana, rehefa avy nampiseho ny zava-manahirana azy teo anatrehan'ny Tompo. Tsy fahendrena ihany no horaisiny, fa tanjaka koa. Hery hoenti-mankatò, hoenti-manompo no hozaraina aminy, araka ny nampanantenain'i Kristy. - RH, 14 Jolay 1910. 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 03 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Fampidirana.
Sun 04 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Abrahama mpitandrina ny fanekena.
Tue 06 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Isaia ilay mpaminanin’i Filazantsara.
Wed 07 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - DANIELA, ilay mpanampy mahatoky.
Thu 08 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - JAONA Mpanao batisa, manomana vahoaka iray.
Fri 09 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Nantsoina hanao ny asan’ny Mpamonany.l

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 26 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Fampidirana.
Sun 27 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Ny fifandrraisana tany Edena.
Mon 28 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Niery an’Andriamanitra.
Tue 29 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Mitady ny olombelona Andriamanitra.
Wed 30 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Voaroaka tao amin’ny saha.
Thu 01 Oct 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Mpitondra tenin’Andriamanittra.
Fri 02 Oct 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Fianarana fanampiny.
Sat 03 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (64)
  • August 2024 (109)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal