Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Mivavaka amin'ny anaran'i Kristy

Daty
Zoma 24 January 2025

"Ary na inona na inona no hangatahinareo amin'ny anarako, dia hataoko izany, mba hankalazana ny Ray eo amin'ny Zanaka. Raha mangataka zavatra amiko amin'ny anarako hianareo, dia hataoko izany." - Jao. 14:13,14.

Mofon’aina:

Malahelo ny Tompo rehefa ambany fihevitra ny tenany ny vahoakany. Tiany raha manombana ny tenany araka ny tombam-bidy nomeny azy, ireo lova nofidiny. Irin'Andriamanitra izy ireo, raha tsy izany dia tsy nalefany ny Zanany hanao iraka nandany be toy izao hanavotana azy ireo. Manana asa ho azy Izy, koa mahafaly Azy ny hanaovan'izy ireo fangatahana ambony indrindra Aminy, mba hanomezany voninahitra ny anarany. Mahazo manantena zava-dehibe izy raha mino ny teny fikasany.

Midika zavatra betsaka anefa izany mivavaka amin'ny anaran'i Kristy izany. Midika izany fa tokony handray ny toetra amam-panahiny isika, haneho ny toe-tsainy, ary hanatanteraka ny asany. Misy fepetra ny fanatanterahana ny teny fikasan'ny Mpamonjy. "Raha tia Ahy hianareo, hoy, Izy, dia hitandrina ny didiko". Tsy mamonjy ny olona ao amin'ny fahotana Izy, fa ho afaka amin'ny fahotana; ary izay tia Azy dia hampiseho ny fitiavany amin'ny alalan'ny fankatoavana.

Avy amin'ny fo ny tena fankatoavana marina rehetra. Asan'ny fo miaraka amin'i Kristy izany. Ary raha manaiky isika, dia hataony mitovy indrindra amin'ny Azy ny eritreritsika sy ny zava-kendrentsika, ny fontsika sy ny saintsika hataony mifanaraka indrindra amin'ny sitrapony, hany ka rehefa mankatò Azy isika dia tsy manao afa-tsy ny manatanteraka ny fironana ao anatintsika rahateo. (...) Rehefa ankamamiana ny toetra amam-panahin'i Kristy sy ny firaisana amin'Andriamanitra, dia manjary maharikoriko antsika ny fahotana. (...)

Tsy azontsika ianteherana ny torohevitr'olombelona. Ny Tompo no hampianatra antsika ny adidintsika tahaka ny hanaovany izany an-tsitrapo ho an'ny hafa koa. Raha manatona Azy amin'ny finoana isika, dia hambarany amintsika manokana ny zava-miafiny. (...) Izay manapa-kevitra tsy hanao na inona na inona hampalahelo an'Andriamanitra, na amin'ny lafiny inona na amin'ny lafiny inona, dia hahafantatra marina ny lalana tokony hizorana, rehefa avy nampiseho ny zava-manahirana azy teo anatrehan'ny Tompo. Tsy fahendrena ihany no horaisiny, fa tanjaka koa. Hery hoenti-mankatò, hoenti-manompo no hozaraina aminy, araka ny nampanantenain'i Kristy. - RH, 14 Jolay 1910. 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 16 Aug 2025
LESONA 8: NY FANEKENA TAO SINAY - Fampidirana.
Sun 17 Aug 2025
LESONA 8: NY FANEKENA TAO SINAY - Teo an-tendrombohitra Sinay.
Mon 18 Aug 2025
LESONA 8: NY FANEKENA TAO SINAY - Miomana handray fanomezana.
Tue 19 Aug 2025
LESONA 8: NY FANEKENA TAO SINAY - Ny didy folo, fanomezana.
Wed 20 Aug 2025
LESONA 8: NY FANEKENA TAO SINAY - Ny anjaran’ny lalàn’Andriamanitra.
Thu 21 Aug 2025
LESONA 8: NY FANEKENA TAO SINAY - Ny lalàna, teny fikasan’Andriamanitra ho antsika.
Fri 22 Aug 2025
Lesona 8: LESONA 8: NY FANEKENA TAO SINAY - Fianarana fanampiny.
Sat 23 Aug 2025
LESONA 9 : MIAINA ARAKA NY LALÀNA - Fampidirana

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 09 Aug 2025
LESONA 7: MOFON’AINA SY RANON’AINA - Fampidirana.
Sun 10 Aug 2025
LESONA 7 : MOFON’AINA SY RANIN’AINA - Rano mangidy.
Sun 10 Aug 2025
LESONA 9: MIAINA ARAKA NY LALÀNA - Ireo lalàn’ny fanekena.
Mon 11 Aug 2025
LESONA 7 : MOFON’AINA SY RANON’AINA - Ny Papelika sy ny Mana.
Tue 12 Aug 2025
LESONA 7 : MOFON’AINA SY RANON’AINA - Rano avy amin’ny vatolampy.
Wed 13 Aug 2025
LESONA 7 : MOFON’AINA SY RANON’AINA - Jetro.
Thu 14 Aug 2025
LESONA 7 : MOFON’AINA SY RANON’AINA - Mofon’aina sy ranon’aina.
Fri 15 Aug 2025
LESONA 7 : MOFON’AINA SY RANON’AINA - Fianarana fanampiny.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 23 Aug 2025
LESONA 9 : MIAINA ARAKA NY LALÀNA - Fampidirana
Sun 24 Aug 2025
LESONA 9: MIAINA ARAKA NY LALÀNA - Ireo lalàn’ny fanekena.
Mon 25 Aug 2025
LESONA 9: MIAINA ARAKA NY LALÀNA - Lalàna hafa koa.
Tue 26 Aug 2025
LESONA 9: MIAINA ARAKA NY LALÀNA - Ny drafitr’Andriamanitra tany am-boalohany.
Wed 27 Aug 2025
LESONA 9: MIAINA ARAKA NY LALÀNA - Maso solon’ny maso.
Thu 28 Aug 2025
LESONA 9: MIAINA ARAKA NY LALÀNA - Valifaty.
Fri 29 Aug 2025
LESONA 9: MIAINA ARAKA NY LALÀNA - Fianarana fanampiny.
Sat 30 Aug 2025
LESONA 10 : NY FANEKENA SY NY MARI-DRAFITRY NY TABENAKELY - Fampidirana

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (65)
  • August 2024 (109)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal