Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Mivavaka, mitombo ara-panahy 

Daty
Sabotsy 25 January 2025

"Mangataha, dia homena hianareo; mitadiava, dia hahita hianareo; dondôny, dia hovohana hianareo. Fa izay rehetra mangataka no mahazo; ary izay mitady no mahita; ary izay mandondona no hovohana." - Mat. 7:7,8.

Mofon’aina:
Ny mpitandrina [sy izay rehetra] maniry hiasa amim-pahombiazana ho famonjem-panahy dia tsy maintsy ho lehilahy sy vehivavy mpianatra Baiboly sy olon'ny vavaka. Manota izay olona miezaka mampianatra Baiboly ny hafa kanefa ny tenany aza manao tsirambina ny fianarany Baiboly. Handositra ho ao amin'ny mandan'ny fahamarinana izay rehetra mahatsapa ny tombam-bidin'ny fanahy, ka ao no hanomezana azy fahendrena, fahalalana, tanjaka, ary hery avy any ambony hanaovana ny asan'Andriamanitra. Tsy tokony ho tafandry mandry izy ireo raha tsy mahazo ny hosotra masina avy any ambony. Zava-manan-danja loatra no voakasika ka tsy tokony ho sahy hanao tsirambina ny fandrosoany ara-panahy izy ireo.

 Ry mpanompon'i Kristy izay nanankinan'Andriamanitra ny lalàny, fahamarinana tsy mamim-bahoaka no eo an-tananareo. Tsy maintsy torinareo amin'izao tontolo izao izany fahamarinana izany. Tsy maintsy atao ny fampitandremana (...) ho fiomanana ho amin'ilay andro lehiben'i Jehôvah. Tsy maintsy manatratra ireo izay mafy fo noho ny fahotana sy ny fitiavana izao tontolo izao ianareo. Hampiray anareo amin'Andriamanitra ny amim-bavaka tsy mitsahatra sy ny fahazotoana manao ny tsara (...) Hanjary hanan-kery handresy lahatra sy hanova fon'olona ny fanambaranareo. Tsy hanjavozavo ny fahazavanareo, fa ho voazava tsaran'ny fahazavana avy any an-danitra ny lalanareo. Mahery Tsitoha Andriamanitra, ary mameno ny lanitra ny hazavana. Ny anjaranareo dia ny mampiasa ireo fitaovana nomen'Andriamanitra anareo mba hahazoana ny fitahian'ny lanitra.

Aoka haharitra amin'ny fivavahana. Hanitra avy amin'ny fiainana ho amin'ny fiainana, na hanitra avy amin'ny fahafatesana ho amin'ny fahafatesana ianareo. Andraikitra mahatahotra no nomena hiantsorohanareo. Miangavy anareo aho hanararaotra ny fotoana. Manakekeza an'Andriamanitra amin'ny fitalahoana amim-bavaka, dia ho tahaka ny hazo ambolena eo amoron'ny rano velona ianareo, izay mamoa amin'ny fotoany. (...) Manatèna fotsiny an'Andriamanitra ka hazôny amin'ny teniny Izy, ary aoka ny asanareo hotohanan'ny finoana velona ny teny fikasany. Tsy mitaky teny tsara rafitra na hevitra tsara lahatra ao amin'ny tonom-bavakao Andriamanitra, fa fo torotoro sy manetry tena ary vonona hianatra Aminy an-tsitrapo no ilainy. —RH, 8 Aogôsitra, 1878. 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 08 Aug 2026
Lesona 7: NY ATAO HOE FITIAVANA - Fampidirana.
Sun 09 Aug 2026
Lesona 7: NY ATAO HOE FITIAVANA - Ny maha-zava-dehibe ny fitiavana.
Mon 10 Aug 2026
Lesona 7: NY ATAO HOE FITIAVANA - Ny ataon’ny Fitiavana.
Tue 11 Aug 2026
Lesona 7: NY ATAO HOE FITIAVANA - Ny tsy ataon’ny Fitiavana.
Wed 12 Aug 2026
Lesona 7: NY ATAO HOE FITIAVANA - Fanoritsoritana an’i Jesôsy.
Thu 13 Aug 2026
Lesona 7: NY ATAO HOE FITIAVANA - Finoana, fanantenana ary fitiavana.
Fri 14 Aug 2026
Lesona 7: NY ATAO HOE FITIAVANA - Fianarana fanampiny.
Sat 15 Aug 2026
Lesona 8 : NY HERIN'NY FITSANGANAN'I KRISTY TAMIN'NY MATY - Fampidirana

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 01 Aug 2026
Lesona 6 : NY FANOMEZAMPAHASOAVANA - Fampidirana.
Sun 02 Aug 2026
Lesona 6 : NY FANOMEZAMPAHASOAVANA - Fanomezampahasoavana samy hafa.
Mon 03 Aug 2026
Lesona 6 : NY FANOMEZAMPAHASOAVANA - Firaisana ao anatin’ny fahasamihafana.
Tue 04 Aug 2026
Lesona 6 : NY FANOMEZAMPAHASOAVANA - Làlana tsara indrindra.
Wed 05 Aug 2026
Lesona 6 : NY FANOMEZAMPAHASOAVANA - Ny fanomezampahasoavan’ny fitenenana amin’ny fiteny samihafa.
Thu 06 Aug 2026
Lesona 6 : NY FANOMEZAMPAHASOAVANA - Ny fanomezampahasoavan’ny faminaniana.
Fri 07 Aug 2026
Lesona 6 : NY FANOMEZAMPAHASOAVANA - Fianarana fanampiny.
Sat 08 Aug 2026
Lesona 7: NY ATAO HOE FITIAVANA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 15 Aug 2026
Lesona 8 : NY HERIN'NY FITSANGANAN'I KRISTY TAMIN'NY MATY - Fampidirana

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (64)
  • August 2024 (109)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal