Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Fitaovam-piadiana mahomby

Daty
Alatsinainy 27 January 2025

"Ka dia maneke an'Andriamanitra hianareo; ary manohera ny devoly, dia handositra anareo izy. Manatona an'Andriamanitra, dia hanatona anareo Izy. (...)" - Jak. 4:7,8a.

Mofon’aina:
Am-perinasa mandrakariva i Satana; saingy vitsy no mahalala ny zavatra ataony sy ny fahaizany. Mila mivonona ny vahoakan'Andriamanitra mba hahatohitra ilay fahavalo mpamitaka. Izany fanoherana izany no atahoran'i Satana. (...)

Noho ny hery avy any ambony, ny malemy indrindra amin'ny olo-masina dia mahery indrindra ho azy sy ny anjeliny rehetra, ary raha ampandalovina amin'ny fitsapana izy (ilay olo-masina malemy) dia ho hita tokoa ny fahambonian'ny heriny. Vokatr'izany dia tsy re tsaika ny famindran'i Satana sy ny hetsika ataony, ary afeniny ny famelezany. (...)

Miomana ho amin'ny ady farany atao amin'ny fiangonana ilay fahavalo. Miafina tsy ho hita izy, hany ka betsaka no zara raha mino ny fisiany, mainka moa ny asany mampitolagaga sy ny heriny. (...) Hirehareha ho mahavita tena ny olona, ka hanaraka ny fironan'ny fony ratsy indrindra eo ambany fitaoman'i Satana mamabo sy mamitaka, kanefa mbola mihevitra fa Andriamanitra no mitarika azy. Raha sokafana hahita ny Tompo arahiny ny mason'izy ireo, dia ho fantany fa tsy Andriamanitra no tompoiny fa ilay fahavalon'ny fahamarinana rehetra. Ho hitany fa ny fahavitan-tena nireharehany no anisan'ny rojo vy mavesatra indrindra amatoran'i Satana ny sainy tsy mahay mandanjalanja.

Babon'i Satana ny olombelona ka mora mirona hanaraka ny tolo-tsainy sy hanatanteraka ny baikony. Tsy manana hery hanoherana ny ratsy amim-pahombiazana izy ireo. Tsy azony atao ny mampidi-doza ny tenany miatrika io fahavalo tsy mifaditrovana io raha tsy mitoetra ao anatiny amin'ny alalan'ny finoana velona i Kristy, ka mifehy ny faniriany sy manatanjaka azy amin'ny hery avy any ambony. Tsinontsinona  avokoa ny fiarovan-tena hafa rehetra ankoatra izany. Amin'ny alalan'i Kristy irery ihany no ahafahana mametra ny herin'i Satana. Fahamarinana miezinezina tokony ho takatry ny rehetra izany. Tsy mitsahatra miasa i Satana, mizahazaha sy mivezivezy eny rehetra eny, mitady izay harapany. Kanefa na manao ezaka lehibe toy inona aza izy dia hampitakemotra azy ny vavaka mafana atao amim-pinoana. Koa raiso ny "ampingan’ny finoana", "hahazoanareo hamono ny zana-tsipika mirehitra rehetra izay alefan'ilay ratsy." — TFC, b. 5, tt. 293,294. 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 03 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Fampidirana.
Sun 04 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Abrahama mpitandrina ny fanekena.
Tue 06 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Isaia ilay mpaminanin’i Filazantsara.
Wed 07 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - DANIELA, ilay mpanampy mahatoky.
Thu 08 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - JAONA Mpanao batisa, manomana vahoaka iray.
Fri 09 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Nantsoina hanao ny asan’ny Mpamonany.l

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 26 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Fampidirana.
Sun 27 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Ny fifandrraisana tany Edena.
Mon 28 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Niery an’Andriamanitra.
Tue 29 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Mitady ny olombelona Andriamanitra.
Wed 30 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Voaroaka tao amin’ny saha.
Thu 01 Oct 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Mpitondra tenin’Andriamanittra.
Fri 02 Oct 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Fianarana fanampiny.
Sat 03 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (64)
  • August 2024 (109)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal