Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Mitarika ho amin'ny marina ny vavaka

Daty
Zoma 31 January 2025

 "Raha misy olona ta-hanao ny sitrapony, dia hahalala ny amin'ny fampianarana izy, na avy amin'Andriamanitra izany, na miteny ho Ahy Aho." Jao. 7:17.

Mofon’aina:
Talohan'ny hiatrehan'i Jesôsy ilay adiny farany amin'ny herin'ny   maizina dia niandrandra ny lanitra Izy ary nivavaka ho an'ny mpianany. (...)

Ny mba hiarovana izay mino Azy amin'ny ratsy eo amin'izao tontolo izao, ary ny hanamasinana azy ireo amin'ny fahamarinana no votoatin'ny fangatahan'i Jesôsy. Tsy navelany haminavina ny atao hoe fahamarinana isika fa nampiany hoe: "ny teninao no fahamarinana." (Jao. 17:15-17). Ny tenin'Andriamanitra no fitaovana hanatanterahana ny fanamasinana antsika.

Zava-dehibe tokoa, araka izany, ny hahafantarantsika tsara ny fampianarana masin'ny Baiboly. Tena ilaintsika ny mahatakatra ny tenin'ny fiainana, tahaka ny nilan'ireo mpianatra voalohany nahafantatra ny drafi-pamonjena. Tsy hanana fialan-tsiny isika raha tsy mahafantatra ny fanambaran'ny Tenin'Andriamanitra noho ny tsirambina ataontsika. Efa nomen'Andriamanitra antsika ny teniny, ny fanambarana ny sitrapony, ary nampanantena ny Fanahy Masina ho an' izay mangataka Azy Izy mba hitari-dalana azy ireo ho amin'ny marina rehetra; ary ny fanahy tsirairay izay maniry marina hanao ny sitrapon' Andriamanitra dia hahalala ny amin'ny fampianarana. (...) BLJ 38.4.

Hatramin'ny andro nandravan 'ny Zanak'Andriamanitra ireo hevitra nibahana mialoha sy ny tsy finoan'ny olombelona, dia tsy niova ny fihetsik'izao tontolo izao manoloana ny fivavahana. Ny fanoherana sy ny fanalam-baraka tamin' izany andro izany ihany no tsy maintsy atrehin'ireo mpanompon'i Kristy koa izao, ka tsy maintsy mivoaka "eo ivelan'ny toby" izy ireo "mitondra ny latsa izay nentiny." – Heb. 13:13. (...)

Mazava sady feno ny fampianaran'i Jesôsy. Naharesy lahatra ny fahamarinana tsotra nambarany, ary nisarika ny fahalianan'ny vahoaka. Vahoaka be no nanaraka Azy, talanjona noho ny fahendreny. Nifanaraka tsara tamin'ireo fahamarinana lehibe notoriny ny toetra amam-pihetsiny. Tsy azo nihodivirana, tsy nisy isalasalana, tsy azo niadian-kevitra fa tsy maintsy ho izay nolazainy no marina fa tsy misy ankoatra izany. Tamim-pahefana no niresahany momba ny eto an-tany sy ny any an-danitra, momba ny olombelona sy momba an'Andriamanitra; "dia talanjona ny vahoaka noho ny fampianarany, satria nampianatra azy toy izay manana fahefana lzy" – Mat. 7:28,29. – RH, 7 Febroary 1888. 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 08 Aug 2026
Lesona 7: NY ATAO HOE FITIAVANA - Fampidirana.
Sun 09 Aug 2026
Lesona 7: NY ATAO HOE FITIAVANA - Ny maha-zava-dehibe ny fitiavana.
Mon 10 Aug 2026
Lesona 7: NY ATAO HOE FITIAVANA - Ny ataon’ny Fitiavana.
Tue 11 Aug 2026
Lesona 7: NY ATAO HOE FITIAVANA - Ny tsy ataon’ny Fitiavana.
Wed 12 Aug 2026
Lesona 7: NY ATAO HOE FITIAVANA - Fanoritsoritana an’i Jesôsy.
Thu 13 Aug 2026
Lesona 7: NY ATAO HOE FITIAVANA - Finoana, fanantenana ary fitiavana.
Fri 14 Aug 2026
Lesona 7: NY ATAO HOE FITIAVANA - Fianarana fanampiny.
Sat 15 Aug 2026
Lesona 8 : NY HERIN'NY FITSANGANAN'I KRISTY TAMIN'NY MATY - Fampidirana

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 01 Aug 2026
Lesona 6 : NY FANOMEZAMPAHASOAVANA - Fampidirana.
Sun 02 Aug 2026
Lesona 6 : NY FANOMEZAMPAHASOAVANA - Fanomezampahasoavana samy hafa.
Mon 03 Aug 2026
Lesona 6 : NY FANOMEZAMPAHASOAVANA - Firaisana ao anatin’ny fahasamihafana.
Tue 04 Aug 2026
Lesona 6 : NY FANOMEZAMPAHASOAVANA - Làlana tsara indrindra.
Wed 05 Aug 2026
Lesona 6 : NY FANOMEZAMPAHASOAVANA - Ny fanomezampahasoavan’ny fitenenana amin’ny fiteny samihafa.
Thu 06 Aug 2026
Lesona 6 : NY FANOMEZAMPAHASOAVANA - Ny fanomezampahasoavan’ny faminaniana.
Fri 07 Aug 2026
Lesona 6 : NY FANOMEZAMPAHASOAVANA - Fianarana fanampiny.
Sat 08 Aug 2026
Lesona 7: NY ATAO HOE FITIAVANA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 15 Aug 2026
Lesona 8 : NY HERIN'NY FITSANGANAN'I KRISTY TAMIN'NY MATY - Fampidirana

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (64)
  • August 2024 (109)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal