Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Lesona 6: ANDRIAMANITRA TIA NY RARINY - Fampidirana.

Daty
Sabotsy 01 February 2025

Hodinihina mandritra ny herinandro: Sal. 33:5; Sal. 85:10; Deo. 32:4; Jak. 1:17; Tit. 1:2; Eks. 32:14; Mat. 5:43-48.

Tsianjery:

"Fa izay te-hirehareha dia aoka hirehareha amin'izao: dia ny fahendreny sy ny fahalalany Ahy ho Jehôvah , Izay manao famindrampo sy fitsarana marina ary fahamarinana ety ambonin'ny tany; fa izany no sitrako, hoy Jehôvah ." - Jer. 9:23.

Tsy hoe miovaova sy ratsy fanahy fotsiny ireo "andriamanitra" nivavahan'ny firenena hafa fa nibaiko ny hanaovana zava-mahatsiravina tahaka ny fanaovana sorona zazakely izy ireo. Teo anatrehan'izany anefa dia tsy afaka niandrandra ny fankasitrahan'ireo andriamanitra ireo akory ireo vahoaka mpanompo sampy ary tsy sahy nanao izay hampahatezitra ireo andriamanitry ny fireneny.

Ambaran'ny Deo. 32:17 fa ny demonia no ao ambadik'ireny "andriamanitra" ireny (jereo koa ny 1 Kôr. 10:20,21). Nahazo vahana tao anatin'ny fivavahan'izy ireo ny fanararaotana ka nanjary latsaka tao anatin'ny haizina ara-panahy sy ara-pitondrantena ny olona.

Samy hafa amin'ireo herin'ny demonia ireo kosa ilay Andriamanitry ny Baiboly. Andriamanitra tsara Izy ary tsy miovaova ny toetrany. Ary izany fahatsarany tsy miova izany indrindra no ananantsika fanantenana ankehitriny sy ho mandrakizay.

Mifanohitra tanteraka amin'ireo andriamani-tsy izy tamin'ny andro fahiny, eny ireo andriamanitra "môderna" amin'izao andro izao koa aza, i Jehôvah , satria manohina Azy fatratra ny faharatsiana sy ny fijaliana, ary ny tsy rariny sy ny fampahoriana -zavatra - izay melohiny mandrakariva sy melohiny tanteraka ireo. Ary izao no zava-dehibe indrindra: hofoanany tsy hisy intsony ireo rehetra ireo indray andro any.

*Famerenana ny lesona ny sabata 08 Febroary.

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 14 Jun 2025
LESONA 12: FANAMBARANA MIALOHA - Fampidirana.
Sun 15 Jun 2025
LESONA 12: FANAMBARANA MIALOHA - Ny Daniela toko faharoa sy ny tantara.
Mon 16 Jun 2025
LESONA 12: FANAMBARANA MIALOHA - Miankohoka amin’ny sary.
Tue 17 Jun 2025
LESONA 12: FANAMBARANA MIALOHA - Miankohoka amin’ny sary indray.
Wed 18 Jun 2025
LESONA 12: FANAMBARANA MIALOHA - Ny fanenjehana ny fiangonana voalohany.
Thu 19 Jun 2025
LESONA 12: FANAMBARANA MIALOHA - Ny mariky ny bibidia.
Fri 20 Jun 2025
LESONA 12: FANAMBARANA MIALOHA - Fianarana fanampiny.
Sat 21 Jun 2025
LESONA 13: IREO SARY MANEHO NY FARANY - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 07 Jun 2025
LESONA 11: I ROTA SY I ESTERA - Fampidirana.
Sun 08 Jun 2025
LESONA 11: I ROTA SY I ESTERA - Mosary tany Amin ny "tranon’nymofo"
Mon 09 Jun 2025
LESONA 11: I ROTA SY I ESTERA - I Rota sy i Boaza.
Tue 10 Jun 2025
LESONA 11: I ROTA SY I ESTERA - Boaza amin’ny maha-mpanavotra azy.
Wed 11 Jun 2025
LESONA 11: I ROTA SY I ESTERA - I Hamana sy I Satana.
Thu 12 Jun 2025
LESONA 11: I ROTA SY I ESTERA - Ho amin’izao andro izao mihintsy.
Fri 13 Jun 2025
LESONA 11: I ROTA SY I ESTERA - Fianarana fanampiny.
Sat 14 Jun 2025
LESONA 12: FANAMBARANA MIALOHA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 21 Jun 2025
LESONA 13: IREO SARY MANEHO NY FARANY - Fampidirana.
Sun 22 Jun 2025
LESONA 13: IREO SARY MANEHO NY FARANY - Ilay mpaminany malaina.

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (65)
  • August 2024 (109)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal