Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Miantehitra amin'Ilay mpisolovava any an-danitra.

Daty
Alahady 02 March 2025

 "Ary noho izany mifalia, ry lanitra sy hianareo izay monina ao aminy. Loza ho an’ny tany sy ny ranomasina! Fa nidina ho aminareo ny devoly sady manana fahatezerana lehibe, satria fantany fa kely sisa ny androny." -Apôk. 12:12.

Mofon’aina:
Hiharan'ny fahatezeran' ilay dragona sy ny mpanompony ireo izay mitandrina ny didin' Andriamanitra sy mitana ny filazana an'i Jesôsy. Ataon'i Satana tahaka ny babo azony izao tontolo izao, ka hanamparany ny fanapahany, na dia eo amin'ireo olona manao ny tenany ho Kristianina aza. (...) Tahaka ny nanomezany fo ireo firenena mpanompo sampy mba handevona ny Isiraely, no hataony koa atsy ho atsy, ary hanao izay tratry ny sainy izy, mba hampiasana ny heri n'ny ratsy rehetra handevonana ny vahoakan'Andriamanitra. Hoterena hankatò ny didi -n'olombelona sy handika ny lalan'Andriamanitra ny olona. Horahonana sy hampangaina ary hovonoina ireo izay mitoetra ho mahatoky amin'ny Tompo. (...)

Ny famindrampon'Andriamanitra no hany famonjena ho azy ireo, ary ny fivavahany no hany fiarovany. Tahaka ny nifandaharan'i Josoa tamin'ilay anjely, no hiadian'ny fiangonana "sisa" amim-pinoana tsy azo hozongozonina, mba hahazo famelan-keloka sy fanafahana amin'ny alalan'i Jesôsy, Mpisolovava azy. Rehefa mahatsapa tanteraka ny heloka vitany ireo zanak'Andriamanitra, dia ho hitany ny fahalemeny sy ny tsy fahamendrehany ka ho kivy izy ireo.

Hijoro manakaiky azy ilay mpaka fanahy hiampanga azy (...). Hiezaka hampifantoka ny sainy eo amin'ny fitafiana maloto anaovany izy, dia ny tsy fahatanterahan-toetrany. Hiezaka hampivarahontsana azy ireo izy amin'ny fampidirana ao an-tsainy ny fiheverana fa mampamoy fo ny toerana misy azy, ary tsy ho azo atao mandrakizay ny hanadiovana ny lotony. Antenainy mantsy fa amin'izany (...) no handevonana ny finoan'izy ireo, ka hampanekena azy amin'ny fakam-panahy sy hialany amin'ny fanarahana an'Andriamanitra ary handraisany ny mariky ny bibidia. (...)

Tsy navela ho eo ambany fanapahan'ny herin'ilay ratsy anefa ireo mpianatr'i Kristy raha sendra nanota. Nibebaka izy ary nitady ny Tompo indray tamim-panetren-tena sy tamin'ny fo torotoro. Koa dia niady ho azy ireo Ilay Mpisolovava (...) ka nanambara hoe: "Hananatra anao anie Jehôvah , ry Satana! Efa nanolotra ny aiko ho an'ireo fanahy ireo aho. Efa vitako tombo-kavatsa eo am-pelatanako ireo." - RH, 9 Janoary 1908. 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 11 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Fampidirana.
Sun 12 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Mangeja ny avonavona.
Mon 13 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Diniho ny tenanao.
Tue 14 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Mosesy, mpanompo nanetry tena.
Wed 15 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Ny zava-manafintohina indrindra.
Thu 16 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Jereo Izy.
Fri 17 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Fianarana fanampiny.
Sat 18 Apr 2026
Lesona 4: NY ANJARA ASAN'NY BAIBOLY - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 04 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Fampidirana.
Sun 05 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Endrik’Andriamanitra mazava kokoa
Mon 06 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Masina Andriamanitra.
Tue 07 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Andriamanitra dia Fitiavana.
Wed 08 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Andriamanitra ao amin’ny famoronana.
Thu 09 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Imanoela, amintsika Andriamanitra.
Fri 10 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Fianarana fanampiny.
Sat 11 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 18 Apr 2026
Lesona 4: NY ANJARA ASAN'NY BAIBOLY - Fampidirana.

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (64)
  • August 2024 (109)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal