Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Sarobidy ny ora tsirairay.

Daty
Sabotsy 08 March 2025

 "Mandra-pahoviana no mbola handry ihany hianao, ry ilay malaina? Rahoviana no hifoha amin'ny torimasonao hianao?" - Ohab. 6:9. "Mandehana any amin'ny vitsika (...) Diniho ny fanaony, ka mba hendre." - and. 6.

Mofon’aina:
Tsy ilain'Andriamanitra ao amin'ny asany ny lehilahy sy ny vehivavy kamo; mpiasa matotra sy malemy fanahy, ary be fitiavana sy mafana fo no iriny. Hahasoa ireo mpitoritenintsika ny asa omban'ezaka. Porofon'ny faharatsiana ny hakamoana. Ny fahaiza-manao rehetra ananan'ny saina, ny taolana tsirairay ao amin'ny vatana, ny nofotra tsirairay amin'ny rantsam-batana, dia mampiseho fa noforonin'Andriamanitra mba hampiasaina fa tsy hitomoe-poana ny fahaiza-manao nomeny antsika. (...)

Ny olona izay tsy nanana fahazarana miasa mafy sy mampiasa ny fotoana araka ny tokony ho izy dia tokony hanana fitsipika izay handrisika azy hanao asa mitohy sy mailaka. Nahavita asa betsaka ingahy George Washington [filoham-pirenena voalohany tany Etazonia] noho ny fanarahany tamin'ny fomba hentitra lamina asa sy fitozoana. Nanana ny daty sy ny toerana tokony hisy azy avokoa ny taratasiny rehetra, ary tsy nisy fotoana veriny tamin'ny fitadiavana izay tsy hita.

Tokony hazoto hiana-javatra ny vahoakan'Andriamanitra, na lahy na vavy; tokony hafana fo amin'ny fandrantoana fahalalana izy ireo ka tsy handanilany foana ny fotoana. (...) Maro anefa no tsy hahatratra toerana ambony eo amin'ny fitarihana na eo amin'ny fandraharahana, noho ny tsy fananany tanjona sy ny fampanaranam-po ny fahazarana samihafa noraisiny tany amin'ny fahazazany. Hita eo amin'ny zavatra rehetra ataony ny fanaovana tsirambina. (...) Ny fananana fotoana raikitra ho an'ny fifohazana, ny fivavahana, ny fisakafoana ary ny fialan-tsasatra ihany no hahitan'ny mpandraharaha fahombiazana tena izy. Raha manan-danja ho an'ny raharaha eto an-tany ny fametrahana lamina sy ny fanaovan-javatra mitohy, manao ahoana lavitra re ny lanjan'izany eo amin'ny asan'Andriamanitra!

Maro no mandanilany foana ny oran'ny maraina eo am-pandriana. Ireo ora sarobidy ireo anefa, izay very, dia tsy hiverina intsony; very mandrakizay izany. Ny ora iray lanilany foana isan'andro dia fandaniam-potoana lehibe ao anatin'ny herintaona! Aoka hisaintsaina momba izany ireo tia torimaso ka haka fotoana handinihana ny fomba hampamoahana azy eo anatrehan' Andriamanitra noho ireo fotoana fanararaotra verivery foana. - GW, tt. 277,278. 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 22 Nov 2025
Lesona 9: MPANDOVA NY TENY FIKASANA, MPIFATOTRA MANANA NY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Fampidirana
Sun 23 Nov 2025
Lesona 9: MPANDOVA NY TENY FIKASANA, MPIFATOTRA MANANA NY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Edena sy Kanana
Mon 24 Nov 2025
Lesona 9: MPANDOVA NY TENY FIKASANA, MPIFATOTRA MANANA NY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Ny tany amin’ny maha fanomezana azy.
Tue 25 Nov 2025
Lesona 9: MPANDOVA NY TENY FIKASANA, MPIFATOTRA MANANA NY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Fihaikana teo amin’ilay tany
Wed 26 Nov 2025
Lesona 9: MPANDOVA NY TENY FIKASANA, MPIFATOTRA MANANA NY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Ny jobily
Thu 27 Nov 2025
Lesona 9: MPANDOVA NY TENY FIKASANA, MPIFATOTRA MANANA NY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Fampodiana ho amin’ny tany
Fri 28 Nov 2025
Lesona 9: MPANDOVA NY TENY FIKASANA, MPIFATOTRA MANANA NY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Fianarana fanampiny

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 15 Nov 2025
Lesona 8: JOSOA SY KALEBA, OLO-MALAZAN'NY FINOANA - Fampidirana.
Sun 16 Nov 2025
Lesona 8: JOSOA SY KALEBA, OLO-MALAZAN'NY FINOANA - Fahatokiana.
Mon 17 Nov 2025
Lesona 8: JOSOA SY KALEBA, OLO-MALAZAN'NY FINOANA - Omeo ahy iry tendrombohitra iry.
Tue 18 Nov 2025
Lesona 8: JOSOA SY KALEBA, OLO-MALAZAN'NY FINOANA - Ny herin’ny ohatra aseho
Wed 19 Nov 2025
Lesona 8: JOSOA SY KALEBA, OLO-MALAZAN'NY FINOANA - Ilay mahery fo manetry tena
Thu 20 Nov 2025
Lesona 8: JOSOA SY KALEBA, OLO-MALAZAN'NY FINOANA - Voaova noho ny fibanjinana
Fri 21 Nov 2025
Lesona 8: JOSOA SY KALEBA, OLO-MALAZAN'NY FINOANA - Fianarana fanampiny
Sat 22 Nov 2025
Lesona 9: MPANDOVA NY TENY FIKASANA, MPIFATOTRA MANANA NY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Fampidirana

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (68)
  • August 2024 (106)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal