Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Ambarao ny Fitiavany

Daty
Talata 25 March 2025

"Jehôvah Tompo nanome Ahy ny lelan'ny efa mahay, mba hahaizako manao teny hampahatanjaka izay reraka; ampandrenesiny isa-maraina isa-maraina, eny, ampandrenesiny ny sofiko hihaino tahaka ny efa mahay." — Isa. 50:4.

Mofon’aina:
Manodidina antsika rehetra eny dia misy fanahy tra-pahoriana. (...) Aoka isika hitady ireo olona mijaly ireo ka hanao teny amin'ny fotoany hampahatanjaka ny fony. Aoka isika ho fantsona mandrakariva izay ikorianan'ny rano mamelombelon'ny fangoraham-po.

Tokony hotsaroana eo amin'ny fifandraisantsika rehetra fa misy toko voatombo-kase tsy ho hitan'ny mason' olombelona mety maty ao amin'ny fanandramana nataon'ny hafa. Misy tantara mampalahelo izay ambenana tsy ho hitan'ny maso tia jerijery eo amin'ny takila vosoratry ny fitadidiana. Voarakitra ao ireo ady maharitra sy mafy niaraka tamin'ny toe-javatra nitarika fitsapana (...) Ireo izay mitolona eo amin'ny adin'ny fiainana noho ny tsy fifankahazoana be dia azo hatanjahina sy ampaherezina amin'ny alalan'ny fikarakarana madinidinika izay tsy mitaky afa-tsy fiezahana feno fitiavana. Amin'ny olona toy izany, ny famihinan-tanana mafy sy mitondra fanampiana ataon'ny tena sakaiza dia misy vidiny noho ny volamena sy ny volafotsy. (...)

 Ao koa ireo vahoaka maro miady amin'ny fahantrana (...) ary tara raha mba mahazo izay farafahakeliny ilainy hivelomana. Ny asa mafy sy ny tsy fananana, tsy misy fihatsarana azo antenaina, dia mahatonga ny entany ho tena mavesatra. Rehefa tovonan'ny fanaintainana sy ny aretina dia mita tsy ho zaka mihitsy ny vesatry ny entana. (...) Miraisa fo aminy eo amin'ny fitsapana entiny, amin'ny fahoriam-pony sy ny fahadisoam-panantenany. Hampidanadana lalana ho anao hanampianao azy izany. Lazao azy ireo teny fikasan'Andriamanitra; mivavaha miaraka aminy sy ho azy. Ampitsirio ao aminy ny fanantenana. (...)

 Miaraha miasa aminy, mameno an'izao tontolo izao ny tsy fahatokiana sy ny fankahalana, fa ny mpianatr'i Kristy kosa dia tokony hampiseho ny toe-tsaina izay manjaka any an-danitra.

 Mitenena amin'ny fomba ho nitenenany, miasà amin'ny fomba ho niasany. Asehoy mandrakariva ny fahatsaran'ny toetra amam-panahiny. Asehoy ny haren'ny fahasoavana izay fototry ny fampianarany rehetra sy ny fifandraisany rehetra tamin'ny olona.

 Ny mpiasa tsotra indrindra, miara-miasa amin'i Kristy, dia afaka mikitika tadim-baliha izay hamoaka feo hanakoako hatrany amin'ny faran'ny tany sy feo izay hitambatra ho feon-kira mandritra ny mandrakizay. — TMF, tt. 98,99. 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 30 May 2026
Lesona 10: FIBEBAHANA SY FAMELAN- KELOKA - Fampidirana.
Sun 31 May 2026
Lesona 10 : FIBEBAHANA SY FAMELAN-KELOKA - Ny rotoroton’ny fiainana.
Mon 01 Jun 2026
Lesona 10: FIBEBAHANA SY FAMELAN- KELOKA - Ny asan’ny Fanahy Masina.
Tue 02 Jun 2026
Lesona 10: FIBEBAHANA SY FAMELAN- KELOKA - Ny fibebahana marina.
Wed 03 Jun 2026
Lesona 10: FIBEBAHANA SY FAMELAN- KELOKA - Fahasoavana ampy.
Thu 04 Jun 2026
Lesona 10: FIBEBAHANA SY FAMELAN- KELOKA - Akanjo lafo vidy indrindra.
Fri 05 Jun 2026
Lesona 10: FIBEBAHANA SY FAMELAN- KELOKA - Fianarana fanampiny.
Sat 06 Jun 2026
Lesona 11 : OLANA SY FAHAVOAZANA MARO SAMIHAFA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 23 May 2026
Lesona 9: NY FAHOTANA, NY FILAZANTSARA ARY NY LALANA - Fampidirana.
Sun 24 May 2026
Lesona 9: NY FAHOTANA, NY FILAZANTSARA ARY NY LALANA - Zava-mahavariana sy fakampanahy.
Mon 25 May 2026
Lesona 9: NY FAHOTANA, NY FILAZANTSARA ARY NY LALANA - Ireo manda miaro ny fifandraisako amin’Andriamanitra.
Tue 26 May 2026
Lesona 9: NY FAHOTANA, NY FILAZANTSARA ARY NY LALANA - Ny lalàna.
Wed 27 May 2026
Lesona 9: NY FAHOTANA, NY FILAZANTSARA ARY NY LALANA - Ny lalàna sy ny Filazantsara.
Thu 28 May 2026
Lesona 9: NY FAHOTANA, NY FILAZANTSARA ARY NY LALANA - Mahafantatra ary manatanteraka.
Fri 29 May 2026
Lesona 9: NY FAHOTANA, NY FILAZANTSARA ARY NY LALÀNA - Fianarana fanampiny.
Sat 30 May 2026
Lesona 10: FIBEBAHANA SY FAMELAN- KELOKA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 06 Jun 2026
Lesona 11 : OLANA SY FAHAVOAZANA MARO SAMIHAFA - Fampidirana.
Sun 07 Jun 2026
Lesona 11 : OLANA SY FAHAVOAZANA MARO SAMIHAFA - Ireo tafiodrivotry ny fiainana.
Mon 08 Jun 2026
Lesona 11 : OLANA SY FAHAVOAZANA MARO SAMIHAFA - Sitràna amin’ny aretinao.
Tue 09 Jun 2026
Lesona 11 : OLANA SY FAHAVOAZANA MARO SAMIHAFA - Jôba.
Wed 10 Jun 2026
Lesona 11 : OLANA SY FAHAVOAZANA MARO SAMIHAFA - Teny an- dalana ho any Emaosy.
Thu 11 Jun 2026
Lesona 11 : OLANA SY FAHAVOAZANA MARO SAMIHAFA - Mahita an’i Jesôsy.
Fri 12 Jun 2026
Lesona 11 : OLANA SY FAHAVOAZANA MARO SAMIHAFA - Fianarana fanampiny.
Sat 13 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Fampidirana.

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (64)
  • August 2024 (109)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal