Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Lesona 12: NY FITIAVANA SY NY RARINY: IREO DIDY ROA LEHIBE INDRINDRA - Fianarana fanampiny.

Daty
Zoma 21 March 2025

Vakio "Ny Sabata", toko faha-29 no amin'ny IFM.

"Tsy sahy namaly an' Kristy teo anatrehan hy vahoaka marobe ny mpitsikila noho ny fahatahorany ho tafiditre ao amin'ny zave-tsarotra, Fantany fa milaza ny marina Izy. Naleony namela olona hijaly toy izay handika ny lovan-tsofiny, nefa hamonjy biby satria fatiantoka ho an'ny tompony ny fanaovana an-tsirambina izany. Noho izany dia lehibe kokoa noho ny ho an'ny olona natao araka ny endrik Andriamanitra ny fikarakarana ny biby tsy afaka miteny. Sary manazava ny asan'ny fivavahana diso rehetra izany. Ny fanirian'ny olona hanandratra ny tenany ho ambonin’Andriamanitra no niavian’ireny, ary ny vokany dia fanetrena ny olona ho ambanin'ny biby. Ny fivavahana rehetra izay manohitra ny maha-mpanjaka an'Andriamanitra dia manala ny voninahitry ny olona izay nomena azy teo amin'ny famoronana, ary haverina aminy indray amin'ny alalan' Kristy. Ny fivavahana diso rehetra dia mampianatra ny mpanaraka azy tsy hikarakara izay ilain'ny olona, ny fijaliany sy ny zony. Mametraka tombambidiny ambony eo amin'ny olombelona ny Filazantsara, amin'izay novidin'ny ran'i Kristy, ary mampianatra ny hijery amim-pitiavana izay ilain'ny olona sy izay mampahory azy. Hoy Jehôvah : Dia hatacko ho saro-tadiavina mihoatra noho ny volamena tsara ny olombelona, eny, noho ny tena volamena avy any Ofira aza. Isa. 13:12.

Rehefa nitodika tamin'ny Fariseo Jesôsy ka nanontany azy raha mety ny manao soa na ny manao ratsy amin'ny andro Sabata, ny mamonjy aina na ny mamery aina, dia ny fikasan-dratsiny no nentiny nifanehatra taminy. Nihaza ny ain'i Jesôsy tamin'ny fankahalana mangidy izy, nefa Izy kosa namonjy aina ary nitondra fahasambarana ho an'ny vahoaka marobe. Mety kokoa ve ny mamono olona amin'ny Sabata, araka ny fikasan-dratsin'izy ireo, toy izay manasitrana ny tra-pahoriana araka izay ataony? Mety kokoa ve ny mamono olona ao am-po amin'ny andron Andriamanitra, toy izay ho tia ny olona rehetra, dia fitiavana miseho eo amin'ny asa famindrampo." - IFM, tt. 297, 298.

FANONTANIANA hifanakalozan-kevitra

1. "Ny fivavahana diso rehetra dia mampianatra ny mpanaraka azy tsy hikarakara izay illain'ny olona, ny fijaliany sy ny zony". Inona no anton'izany ary ahoana no mampitombina izany? Inona no azontsika atao mba hisorohana ny tsy firaihana manoloana ny zavatra ilain'ireo mpianakavin'ny finoantsika sy ireo any ankoatry ny fiangonana?

2. Iza no namako? Iza no namanao? Tokony hanahaka bebe kokoa an'ilay Samaritana izay nihoatra ny fefy napetraka tamin'ny androny mba hanao asam-pitiavana isika; amin'ny fomba ahoana no hanahafantsika io Samaritana io bebe kokoa noho isika manara-dia an'i Kristy?

3. Raha tia fahamarinana sy famindrampo Andriamanitra, ahoana no tokony hataontsika araka izay manan-danja indrindra amin'Andriamanitra? Ahoana no ahafahantsika mifantoka bebe kokoa amin'izay antsoin'i Jesôsy hoe: "izay lehibe amin'ny lalana"?

4. Rehefa mieritreritra sy miresaka momba ny fitsarana isika, impiry no antitranterintsika ny fomba manan-danja iray hoentin'i Jesôsy miresaka momba ny fitsarana, dia ny fitiavantsika ny hafa, indrindra fa ireo ory sy mijaly? Saintsaino izany eo am-pamakiana ny Mat. 25:31-46.

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 21 Mar 2026
Lesona 13: "HATOKY TSARA ΑΜΙΝ'ΙΖΑY REHETRA METY HO SITRAPON'ANDRIAMANITRA " - Fampidirana.
Sun 22 Mar 2026
Lesona 13: "HATOKY TSARA ΑΜΙΝ'ΙΖΑY REHETRA METY HO SITRAPON'ANDRIAMANITRA " - Lesona momba ny asa fitoriana.
Mon 23 Mar 2026
Lesona 13: "HATOKY TSARA ΑΜΙΝ'ΙΖΑY REHETRA METY HO SITRAPON'ANDRIAMANITRA " - Mifandray ny fiangonana.
Tue 24 Mar 2026
Lesona 13: "HATOKY TSARA ΑΜΙΝ'ΙΖΑY REHETRA METY HO SITRAPON'ANDRIAMANITRA " - Mitoetra marina ka hatoky tsara.
Wed 25 Mar 2026
Lesona 13: "HATOKY TSARA ΑΜΙΝ'ΙΖΑY REHETRA METY HO SITRAPON'ANDRIAMANITRA " - Miaina eto amin’izao tontolo izao fa tsy naman’izao tontolo izao.
Thu 26 Mar 2026
Lesona 13: "HATOKY TSARA ΑΜΙΝ'ΙΖΑY REHETRA METY HO SITRAPON'ANDRIAMANITRA " - Hafatra ho an’i Laodikia.
Fri 27 Mar 2026
Lesona 13: "HATOKY TSARA ΑΜΙΝ'ΙΖΑY REHETRA METY HO SITRAPON'ANDRIAMANITRA " - Fianarana fanampiny.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 14 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Fampidirana.
Sun 15 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Ny mpivady.
Mon 16 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Ny ray amandreny sy ny zanaka.
Tue 17 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Ny fifandraisana araka asa.
Wed 18 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Mifampivavaka.
Thu 19 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Mandeha amin’ny fahendrena.
Fri 20 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA -
Sat 21 Mar 2026
Lesona 13: "HATOKY TSARA ΑΜΙΝ'ΙΖΑY REHETRA METY HO SITRAPON'ANDRIAMANITRA " - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (67)
  • August 2024 (106)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal