Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Raha te hitombo, diniho ny teny.

Daty
Alatsinainy 07 April 2025

’’Izay soratra rehetra nomen’ny tsindrimandrin’Andriamanitra dia mahasoa koa ho fampianarana, ho fandresen-dahatra, ho fanitsiana izay diso, ho fitaizana amin’ny fahamarinana.’’ 2 Tim. 3:16.

Mofon'aina:
Tokony handroso amin’ny fahalalana, hitombo amin’ny fahasoavana sy ny fanandramana kristianina, hikolokolo fahazarana sy fomba fanao izay hanome voninahitra an’Andriamanitra sy ny Teniny, ny mpampianatra ny fahamarinana. Tokony haneho amin’ny hafa ny fomba fampiharana ny Tenin’Andriamanitra eo amin’ny fiainana izy. Isaky ny mandroso fahaizana masina isika, amin’ny fianarana isan-karazany, dia hanampy antsika hahatakatra ny Tenin’Andriamanitra izany; ary ny fandinihana ny Soratra Masina dia manampy antsika amin’ny fianarana ireo taranja hafa ilaina amin’ny fanabeazana.

Vao mamaky voalohany ny Baiboly ny mpandinika mazoto dia mitombo haingana ny fahalianany. Ny lesona azony avy amin’ny fianarana tsy tapaka ny Tenin’Andriamanitra dia ahafahany mahita zava-baovao sy fahatsarana tsy mbola hitany teo aloha ao amin’ny fahamarinana. Manjary mora sy mandeha ho azy ho an’ny mpandinika Baiboly ny manonona andinin-tSoratra Masina rehefa miresaka.

Ambonin’ny zavatra rehetra dia mila miezaka fatratra ny mpampianatra ny Tenin’Andriamanitra mba hanana sy hahatakatra ho an’ny tenany ireo porofo ao anatin’ny Tenin’Andriamanitra. (...)

Ny fahamarinana dia fahamarinana. Tsy azo fonosina amin-javatra tsara tarehy izy mba hahatalanjona ny olona noho ny endriny ivelany. Ny tokony hataon’ny mpampianatra dia izay hahatonga ny fahamarinana ho mazava, haharesy lahatra ny saina sy ny feon’ny fieritreretana. Sabatra roa lela maranitra ny Tenin’Andriamanitra izay manapaka amin’ny andaniny roa. Mivantana sy mahitsy ny fandrosony fa tsy mitavozavoza na miahanahana.

Maro no niaro ny fivavahana kristianina teo anatrehan’ny tsy mpino kanefa avy eo very tao anatin’ny fandriky ny fisalasalana ny fanahiny. Azon’ny tazom-panahy izy ireo, ary maty ara-panahy. Nanana fonjan-kevitra matanjaka nanohanana ny fahamarinana izy ireo, nanana porofo maro ivelany, saingy tsy naharitra ny finoany an’i Kristy. Oh, an’arivony maro no milaza ny tenany ho Kristianina nefa tsy mianatra na mandinika ny Baiboly mihitsy! Diniho amim-bavaka ny Tenin’Andriamanitra masina mba hahasoa ny fanahinao. Rehefa mandre ny tenin’ny mpitory velona ianao, raha manana fifandraisana velona amin’Andriamanitra izy ireo, dia ho hitanao fa mifanaraka tsara ny Fanahy sy ny Teny. – RH, 20 Avrily 1897.

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 25 Apr 2026
Lesona 5: NY FOMBA FANDINIHANA NY BAIBOLY - Fampidirana.
Sun 26 Apr 2026
Lesona 5: NY FOMBA FANDINIHANA NY BAIBOLY - Ny fotoana.
Mon 27 Apr 2026
Lesona 5: NY FOMBA FANDINIHANA NY BAIBOLY - Toerana iray.
Tue 28 Apr 2026
Lesona 5: NY FOMBA FANDINIHANA NY BAIBOLY - Fandinihana lalina ny baiboly.
Wed 29 Apr 2026
Lesona 5: NY FOMBA FANDINIHANA NY BAIBOLY - Fitahiana roa sosona.
Thu 30 Apr 2026
Lesona 5: NY FOMBA FANDINIHANA NY BAIBOLY - Endrey ny hamamin’ny teninao.
Fri 01 May 2026
Lesona 5: NY FOMBA FANDINIHANA NY BAIBOLY - Fianarana fanampiny.
Sat 02 May 2026
Lesona 6: MPITOLONA AMIM-BAVAKA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 18 Apr 2026
Lesona 4: NY ANJARA ASAN'NY BAIBOLY - Fampidirana.
Sun 19 Apr 2026
Lesona 4: NY ANJARA ASAN'NY BAIBOLY - Fitaovampiadiana mahery vaika indrindra.
Mon 20 Apr 2026
Lesona 4: NY ANJARA ASAN'NY BAIBOLY - Ny soratra masina, fahefana.
Tue 21 Apr 2026
Lesona 4: NY ANJARA ASAN'NY BAIBOLY - Ny fahamarinana ara-baiboly.
Wed 22 Apr 2026
Lesona 4: NY ANJARA ASAN'NY BAIBOLY - Ny fitakian’ny Baiboly.
Thu 23 Apr 2026
Lesona 4: NY ANJARA ASAN'NY BAIBOLY - Ny toe-po.
Fri 24 Apr 2026
Lesona 4: NY ANJARA ASAN'NY BAIBOLY - Fianarana fanampiny.
Sat 25 Apr 2026
Lesona 5: NY FOMBA FANDINIHANA NY BAIBOLY - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 09 May 2026
Lesona 7: VAVAKA IAINANA - Fampidirana.
Sun 10 May 2026
Lesona 7: VAVAKA IAINANA -
Mon 11 May 2026
Lesona 7: VAVAKA IAINANA -
Tue 12 May 2026
Lesona 7: VAVAKA IAINANA -
Wed 13 May 2026
Lesona 7: VAVAKA IAINANA -
Thu 14 May 2026
Lesona 7: VAVAKA IAINANA -
Fri 15 May 2026
Lesona 7: VAVAKA IAINANA -

Archive mensuelle

  • August 2025 (67)
  • September 2025 (58)
  • October 2025 (62)
  • November 2025 (67)
  • December 2025 (59)
  • January 2026 (85)
  • February 2026 (35)
  • March 2026 (55)
  • April 2026 (69)
  • May 2026 (2)

Pagination

  • Previous page
  • 3
Powered by Drupal