Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Fandrao ny marina halaim-panahy

Daty
Alakamisy 01 February 2024

Vakio ny Sal. 37:1,8; Sal. 49:5-7; Sal. 94:3-7 ary ny Sal. 125:3. Inona ny tolona atrehin'ny mpanao Salamo eto?

Mitaraina noho ny fiadanan'ny ratsy fanahy sy ny fihaikana aterak'izany ho an'ny marina ireo Salamo ireo. Tsy hoe mahomby fotsiny ny ratsy fanahy, fa manao tsinontsinona an'Andriamanitra amin'ny fomba miharihary no sady mampahory ny hafa. Izao no toe-javatra maha very hevitra: raha manapaka ny tany ny "tehim-panjakan'ny ratsy fanahy" - Sal. 125:3, dia toy ny tsy mahomby kosa ny "tehim-pahamarinana" - Sal. 45:6. Raha izany, nahoana moa raha miala an-daharana ka miandany amin'ny ratsy tahaka izay ataon'ny hafa?

Vakio ny Sal. 73:1-20, 27. Inona no manampy ilay mpanao Salamo hamakivaky ny toe-java-tsarotra? Toy ny ahoana ny fiafaran'ireo izay mitoky amin'ny zava-poana? (Jereo koa ny 1 Pet. 1:17).

Raha mbola nifantoka tamin'ny fandikan-dalàna misy eto amin'izao tontolo izao ny mpanao Salamo ao amin'ny Sal. 73 dia tsy hitany ny tena zava-misy araka ny fijerin'Andriamanitra. Lehibe loatra ny olana nateraky ny fahombiazan'ny ratsy fanahy tamin'ny finoany, ary ninoany koa fa niorina tamin'ny zava-misy ny fanambarany mikasika ny tsy ilana ny finoana.

Asehon'ny Sal. 73 anefa fa "izany zavatra izany dia manahiran-tsaina ireo tsy mihevitra ny andininy voalohany amin'ity Salamo ity, izay famintinana ilay Salamo manontolo hoe: 'Endrey ny fahatsaran'Andriamanitry ny Isiraely amin'izay mahitsy fo!"- Johannes Bugenhagen, Reformation Commentary on Scripture (Downers Grove, IL: InterVarsity Press, 2018), t. 11.

Nosarihina ho amin'ny fitoerana masina izay toeran'ny fanapahan' Andriamanitra - ny sain'ilay mpanao Salamo, ary nampahatsiahivina azy tao fa ampahany kely iray amin'ny sary lehibe fotsiny ny "ankehitriny" ary tokony hihevitra ny amin'ny "farany" izy, dia ny fotoana izay hiatrehan'ny ratsy fanahy ny fitsaran'Andriamanitra. Ny fahatakaran'ilay mpanao Salamo izany fahamarinana izany tao amin'ny fitoerana masina sy ny fiaikeny ny fahadalany teo aloha dia maneho fa ny fomba fijery ara-panahy ihany no ahafahana mahatakatra ny zava-misy fa tsy ny fisainan'olombelona.

Ahoana no ampaherezan'ny teny fikasana momba ny hitsaran' Andriamanitra an'izao tontolo izao sy ny faharatsiana rehetra eo aminy anao eo anatrehan'ny faharatsiana marobe izay tsy faizina amin'izao fotoana izao?

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 24 Oct 2026
Lesona 5: FANAMBARANA SY TSINDRIMANDRY AVY AMIN'ANDRIAMANITRA - Fampidirana.
Sun 25 Oct 2026
Lesona 5: FANAMBARANA SY TSINDRIMANDRY AVY AMIN'ANDRIAMANITRA - Fanambarana ankapobeny sy fanambarana manokana.
Mon 26 Oct 2026
Lesona 5: FANAMBARANA SY TSINDRIMANDRY AVY AMIN'ANDRIAMANITRA - Ny tsindrimandrin’Andriamanitra.
Tue 27 Oct 2026
Lesona 5: FANAMBARANA SY TSINDRIMANDRY AVY AMIN'ANDRIAMANITRA - Hafatra am-bava.
Wed 28 Oct 2026
Lesona 5: FANAMBARANA SY TSINDRIMANDRY AVY AMIN'ANDRIAMANITRA - Hafatra an-tsoratra.
Thu 29 Oct 2026
Lesona 5: FANAMBARANA SY TSINDRIMANDRY AVY AMIN'ANDRIAMANITRA - Fanehoana ohatra mivaingana, tandindona, fanoharana.
Fri 30 Oct 2026
Lesona 5: FANAMBARANA SY TSINDRIMANDRY AVY AMIN'ANDRIAMANITRA - Ny tenin’i Ellen G. White momba ny fanambarana sy ny tsindrimandry avy amin’Andriamanitra.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 17 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Fampidirana.
Sun 18 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Jesôsy, amin’ny maha Mpaminany azy.
Mon 19 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Ny Apôstôly sy ny mpaminany.
Tue 20 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Ny asan’ireo Mpaminanin’ny TV.
Wed 21 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Ireo mpaminany vavy sy zatovo mpitandrina, mpiara-miasa.
Thu 22 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Ireo Mpaminany sandoka ao amin’ny TV.
Fri 23 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Manao an’i Jesôsy ho ivo.
Sat 24 Oct 2026
Lesona 5: FANAMBARANA SY TSINDRIMANDRY AVY AMIN'ANDRIAMANITRA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (67)
  • August 2024 (106)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal