Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Ny fo ravoravo mahasalama tsara

Daty
Alatsinainy 12 February 2024

"Ny fo ravoravo mahasalama tsara. Ohab(...)" 17:22a.


Mifandray ety tokoa ny saina sy ny vatana. Misy fiantraikany amin'ny anankiray ny fahavoazan'ny iray. Ny mahazo ny saina dia misy akony lehibe amin'ny fahasalamana mihoatra lavitra noho izay iheveran'ny maro azy. Maro amin'ny aretina izay mampijaly ny olona no vokatry ny faharerahan-tsaina. Ny alahelohelo, ny fitebitebena, ny tsy fahafaliana, ny nenina, ny fahatsiarovan-tena ho meloka, ny fiahiahiana, ireny rehetra ireny dia mandrava ny herin'ny aina ary mitarika ho amin'ny fahasimbana sy ny fahafatesana.

Indraindray ny aretina dia ateraky ny eritreritra, ary matetika no ataony mihombo. Maro ny olona efa nalemy nandritra ny fiainany no nety ho olona salama tsara raha mba nihevitra fotsiny izy fa izany tokoa no izy (...).

Ny herim-po, ny fanantenana, ny finoana, ny fitiavana, dia miantoka fahasalamana sy manalava ny androm- piainana. Ny saina faly, ny fanahy miramirana, dia fahasalamana ho an'ny tena ary tanjaka ho an'ny fanahy.

Ny fankasitrahana, ny firavoravoana, ny fahalalahan-tanana, ny fitokiana amin'ny fitiavan'Andriamanitra sy ny fiahiany ireo dia fiarovana lehibe ho an'ny fahasalamana.

Ny herin'ny sitrapo sy ny mahazava- dehibe ny fifehezan-tena, na eo amin'ny fiarovana na famerenana amin'ny laoniny ny fahasalamana, ny rarintsaina sy ny vokatra manimba mihitsy aza ateraky ny fahatezerana, ny tsy fahafaliana, ny fitiavan-tena, na ny fahalotoana; ary etsy andanin'izany kosa, ny hery mahatalanjona mamelon'aina vokatry ny hafaliana, ny fitiava-namana, ary ny fahaiza- mankasitraka, dia tokony haseho ihany koa.

Misy fahamarinana iray tokony hodinihintsika ao amin'ny Soratra Masina, izay mahakasika ny vatan-tenantsika: "Ny fo ravoravo mahasalama tsara."

Mametrakaloharanom-pahasambarana tsy mety ritra eo anoloantsika ny foto-kevitry ny fivavahana kristianina marina.

Tokony hikolokolo toe-tsaina miramirana, feno fanantenana, sy tony isika, satria miankina amin'izany ny fahasalamantsika. - MLT, t. 151.

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 03 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Fampidirana.
Sun 04 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Abrahama mpitandrina ny fanekena.
Tue 06 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Isaia ilay mpaminanin’i Filazantsara.
Wed 07 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - DANIELA, ilay mpanampy mahatoky.
Thu 08 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - JAONA Mpanao batisa, manomana vahoaka iray.
Fri 09 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Nantsoina hanao ny asan’ny Mpamonany.l

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 26 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Fampidirana.
Sun 27 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Ny fifandrraisana tany Edena.
Mon 28 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Niery an’Andriamanitra.
Tue 29 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Mitady ny olombelona Andriamanitra.
Wed 30 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Voaroaka tao amin’ny saha.
Thu 01 Oct 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Mpitondra tenin’Andriamanittra.
Fri 02 Oct 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Fianarana fanampiny.
Sat 03 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (64)
  • August 2024 (109)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal