Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Ny fo ravoravo mahasalama tsara

Daty
Alatsinainy 12 February 2024

"Ny fo ravoravo mahasalama tsara. Ohab(...)" 17:22a.


Mifandray ety tokoa ny saina sy ny vatana. Misy fiantraikany amin'ny anankiray ny fahavoazan'ny iray. Ny mahazo ny saina dia misy akony lehibe amin'ny fahasalamana mihoatra lavitra noho izay iheveran'ny maro azy. Maro amin'ny aretina izay mampijaly ny olona no vokatry ny faharerahan-tsaina. Ny alahelohelo, ny fitebitebena, ny tsy fahafaliana, ny nenina, ny fahatsiarovan-tena ho meloka, ny fiahiahiana, ireny rehetra ireny dia mandrava ny herin'ny aina ary mitarika ho amin'ny fahasimbana sy ny fahafatesana.

Indraindray ny aretina dia ateraky ny eritreritra, ary matetika no ataony mihombo. Maro ny olona efa nalemy nandritra ny fiainany no nety ho olona salama tsara raha mba nihevitra fotsiny izy fa izany tokoa no izy (...).

Ny herim-po, ny fanantenana, ny finoana, ny fitiavana, dia miantoka fahasalamana sy manalava ny androm- piainana. Ny saina faly, ny fanahy miramirana, dia fahasalamana ho an'ny tena ary tanjaka ho an'ny fanahy.

Ny fankasitrahana, ny firavoravoana, ny fahalalahan-tanana, ny fitokiana amin'ny fitiavan'Andriamanitra sy ny fiahiany ireo dia fiarovana lehibe ho an'ny fahasalamana.

Ny herin'ny sitrapo sy ny mahazava- dehibe ny fifehezan-tena, na eo amin'ny fiarovana na famerenana amin'ny laoniny ny fahasalamana, ny rarintsaina sy ny vokatra manimba mihitsy aza ateraky ny fahatezerana, ny tsy fahafaliana, ny fitiavan-tena, na ny fahalotoana; ary etsy andanin'izany kosa, ny hery mahatalanjona mamelon'aina vokatry ny hafaliana, ny fitiava-namana, ary ny fahaiza- mankasitraka, dia tokony haseho ihany koa.

Misy fahamarinana iray tokony hodinihintsika ao amin'ny Soratra Masina, izay mahakasika ny vatan-tenantsika: "Ny fo ravoravo mahasalama tsara."

Mametrakaloharanom-pahasambarana tsy mety ritra eo anoloantsika ny foto-kevitry ny fivavahana kristianina marina.

Tokony hikolokolo toe-tsaina miramirana, feno fanantenana, sy tony isika, satria miankina amin'izany ny fahasalamantsika. - MLT, t. 151.

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 01 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY - Fampidirana
Sun 02 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY - Ny fivadihana amin’ny fanekena
Mon 03 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY - Ny fahotan’i Akana.
Tue 04 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY - Safidy mampidi-doza
Wed 05 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY - Varavaram-panantenana
Thu 06 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY - Vavolombelon’i herin’Andriamanitra
Fri 07 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY - Fianarana fanampiny

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 25 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Fampidirana.
Sun 26 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Ny helok’ireo Kananita
Mon 27 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Ilay mpitsara faratampony
Tue 28 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Fandroahana sa fandringanana?
Wed 29 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Safidy malalaka.
Thu 30 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Ilay Andrian’ny fiadanana.
Fri 31 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Fianarana fanampiny
Sat 01 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY - Fampidirana

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • October 2024 (96)
  • November 2024 (69)
  • December 2024 (17)
  • January 2025 (69)
  • February 2025 (91)
  • March 2025 (21)
  • April 2025 (73)
  • May 2025 (87)
  • June 2025 (19)
  • July 2025 (68)

Pagination

  • Previous page
  • 2
  • Next page
Powered by Drupal