Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Fisaorana sy fiderana

Daty
Talata 13 February 2024

Midira eo amin'ny vavahadiny amin'ny fisaorana, ary eo an-kianjany amin'ny fiderana; misaora Azy, mankalazà ny anarany." - Sal. 100:4.

Raha manokana ny fontsika sy ny saintsika ho amin'ny fanompoanaan' Andriamanitra isika, ka manao ny asa asainy ataontsika, ary mandeha araka izay nandehanan'i Jesôsy koa, dia hanjary lokanga masina ny fontsika, ka ny tadiny tsirairay dia hamoaka feo fiderana sy fisaorana an'Ilay Zanak'ondrin' Andriamanitra manaisotra ny fahotan'izao tontolo izao (...).

Tian'i Kristy hifantoka Aminy ny fisainantsika (...). Aza mijery ny "izaho" fa mitodiha any amin'i Jesôsy, Ilay loharanon'ny fitahiana rehetra sy ny fahasoavana rehetra, Ilay loharanon'ny zava-tsoa sy sarobidy rehetra ho an'ny zanak' Andriamanitra. (...)

I Jesôsy Tompo no hery sy fahasambarantsika, Ilay trano firaketana lehibe azon'ny olona anovozana hery amin'ny fotoana rehetra. Rehefa mandinika ny momba Azy isika, rehefa miresaka ny Aminy, ka afaka mibanjina Azy bebe kokoa - rehefa mitaky ny fahasoavany isika ka mandray ny fitahiana atolony, dia manan-javatra azontsika anampiana ny hafa. Amin'ny fo feno fankasitrahaa no ampitantsika amin'ny hafa ny fitahiana izay efa nomena antsika maimaimpoana. Rehefa mandray sy manome toy izany isika dia mitombo amin'ny fahasoavana; ary mipololotra fiderana sy fisaorana tsy mitsahatra ny vavantsika; mahavelom- pankasitrahana ny fontsika ny toetran'i Jesôsy malemy fanahy, ary misandratra sy mahatsapa fiarovana ny fanahintsika. Manjary fahamarinantsika, amin'ny alalan'ny finoana, ny fahamarinan'i Kristy tonga lafatra sy mandrakizay.

Aoka ny fitahiana havaoziny ho antsika isan'andro hamoha fiderana ao am-pontsika, fa fanehoana ny fiahiany antsika amim-pitiavana izany.

Isa-maraina, raha vao misokatra ny masonao, dia misaora an' Andriamanitra noho ny niarovany anao nandritra ny alina. Isaory Izy noho ny fiadanany ataony ao am-ponao. Aoka ny fankasitrahanao Azy maraina, atoandro, ary hariva, ho toy ny fofo-manitra miakatra ho any an-danitra. (...)

Miambina antsika tsy ho azon'ny ratsy, ary manohitra ny herin'ny maizina mitady handringana antsika (...) ireo anjelin' Andriamanitra alin- kisa. Moa ve tsy manana antony maro tokony hisaorana an'Andriamanitra isika amin'ny fotoana rehetra, eny, na dia toa misy zava-tsarotra aza ny lalantsika? - MLT, t. 171.

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 16 Aug 2025
LESONA 8: NY FANEKENA TAO SINAY - Fampidirana.
Sun 17 Aug 2025
LESONA 8: NY FANEKENA TAO SINAY - Teo an-tendrombohitra Sinay.
Mon 18 Aug 2025
LESONA 8: NY FANEKENA TAO SINAY - Miomana handray fanomezana.
Tue 19 Aug 2025
LESONA 8: NY FANEKENA TAO SINAY - Ny didy folo, fanomezana.
Wed 20 Aug 2025
LESONA 8: NY FANEKENA TAO SINAY - Ny anjaran’ny lalàn’Andriamanitra.
Thu 21 Aug 2025
LESONA 8: NY FANEKENA TAO SINAY - Ny lalàna, teny fikasan’Andriamanitra ho antsika.
Fri 22 Aug 2025
Lesona 8: LESONA 8: NY FANEKENA TAO SINAY - Fianarana fanampiny.
Sat 23 Aug 2025
LESONA 9 : MIAINA ARAKA NY LALÀNA - Fampidirana

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 09 Aug 2025
LESONA 7: MOFON’AINA SY RANON’AINA - Fampidirana.
Sun 10 Aug 2025
LESONA 9: MIAINA ARAKA NY LALÀNA - Ireo lalàn’ny fanekena.
Sun 10 Aug 2025
LESONA 7 : MOFON’AINA SY RANIN’AINA - Rano mangidy.
Mon 11 Aug 2025
LESONA 7 : MOFON’AINA SY RANON’AINA - Ny Papelika sy ny Mana.
Tue 12 Aug 2025
LESONA 7 : MOFON’AINA SY RANON’AINA - Rano avy amin’ny vatolampy.
Wed 13 Aug 2025
LESONA 7 : MOFON’AINA SY RANON’AINA - Jetro.
Thu 14 Aug 2025
LESONA 7 : MOFON’AINA SY RANON’AINA - Mofon’aina sy ranon’aina.
Fri 15 Aug 2025
LESONA 7 : MOFON’AINA SY RANON’AINA - Fianarana fanampiny.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 23 Aug 2025
LESONA 9 : MIAINA ARAKA NY LALÀNA - Fampidirana
Sun 24 Aug 2025
LESONA 9: MIAINA ARAKA NY LALÀNA - Ireo lalàn’ny fanekena.
Mon 25 Aug 2025
LESONA 9: MIAINA ARAKA NY LALÀNA - Lalàna hafa koa.
Tue 26 Aug 2025
LESONA 9: MIAINA ARAKA NY LALÀNA - Ny drafitr’Andriamanitra tany am-boalohany.
Wed 27 Aug 2025
LESONA 9: MIAINA ARAKA NY LALÀNA - Maso solon’ny maso.
Thu 28 Aug 2025
LESONA 9: MIAINA ARAKA NY LALÀNA - Valifaty.
Fri 29 Aug 2025
LESONA 9: MIAINA ARAKA NY LALÀNA - Fianarana fanampiny.
Sat 30 Aug 2025
LESONA 10 : NY FANEKENA SY NY MARI-DRAFITRY NY TABENAKELY - Fampidirana

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (65)
  • August 2024 (109)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal