" Misaotra an’Andriamanitra aho fa miteny amin’ny fiteny tsy fantatra mihoatra noho hianareo rehetra aho; nefa raha ao am-piangonana, dia aleoko manao teny dimy fantatry ny saiko mba hampianarako ny sasany koa, toy izay hanao teny iray alina amin’ny fiteny tsy fantatra. "1 Kôr. 14:18,19.
Mofon’aina:
Tsy maintsy esorina hatramin’ny fakany ny fahadisoana, rehefa izay vao vonona handray ny masomboly tsara ny tany ka hampitrebona izany sy hitondra voa ho voninahitr’Andriamanitra.
Fitsipi-pifehezana sy fandaminana an-tsipiriany kokoa no hany fanoitra. Nanjaka teo amina sokajin’olona mpitandrina ny Sabata ny fandraisana tendrony. Nisotro avy teo amin’ny loharanon’ny fahamarinana izy saingy kely ihany ka tsy mahafantatra ny votoatin’ny hafatry ny anjely fahatelo. Tsy misy na inona na inona azo atao ho an’io sokajin’olona io raha tsy voahitsy izany fomba fijery mpandray tendrony izany. Ireo sasany izay velona tamin’ny fihetsehana tamin’ny taona 1854 dia nitana fahadisoan-kevitra, toy ny tsy fltsanganan’ny ratsy fanahy amin’ny maty sy izay momba ny vanim-potoana ho avy. (...)
Ny tsy fitsanganan’ny ratsy fanahy amin’ny maty sy ilay fomba fijery hafahafa mikasika ny fiainana ho avy dia fahadisoan-kevitra mihoapampana izay efa nezahin’i Satana hampidirina teo amin’ireo fampianaran-dison’ny andro farany mba hamotehana fanahy. (...)
Manatanteraka fihetsehana izay antsoiny hoe fanomezam-pahasoavana ny sasany amin’ireo olona ireo ka milaza fa ny Tompo no nametraka azy tao amin’ny fiangonana. Miboeriboerika tsy misy heviny izy, izay antsoiny hoe fiteny tsy fantatra, nefa tsy ny olombelona ihany no tsy mahazo izay lazainy fa ny Tompo sy ny lanitra manontolo koa. (...) Voafitaka ny sasany satria tsy nisy nitondra soa ireo rehetra ireo. “Ny voany no hamantaranareo azy.”
Noheverina ho porofo manokana mampiharihary ny finoana ny fandraisana tendrony mbamin’ny fitabatabana. Misy ireo izay tsy afa-po amin’ny fivoriana raha tsy mandalo fotoana mampientanentana sy mahasambatsambatra. (...) Tsy mitondra soa anefa ny hery azo amin’ny fivoriana toy izany. (...) Ny fivoriana hahazoan-tombony indrindra ho fampandrosoana ny ara-panahy dia ireo izay feno fahamatorana sy fahamendrehana lalina ary mitady izay hanovana ny fo (...). – TFC, b. 1, tt. 411, 412.
Daty
Zoma 04 July 2025