Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Fanoloran-tena feno no tadiaviny.

Daty
Alarobia 02 July 2025

" Tiava an’i Jehôvah Andriamanitrao amin’ny fonao rehetra sy ny fanahinao rehetra sy ny herinao rehetra ary ny sainao rehetra; ary tiava ny namanao tahaka ny tenanao. " Lio. 10:2.

Mofon’aina:
Mizaha toetra sy mitsapa anao ny Tompo. Efa nanoro hevitra sy nananatra ary niangavy Izy. (...) Arakaraka ny hanitsian’ny Tompo na hanoroany lalana matetika, ka tsy hiraharahanao ny feony, no vao mainka hahatonga anao ho eo amin’ny toerana izay handavanao izany hatrany, mandra-pilazan’Andriamanitra aminao hoe: “Satria efa niantso Aho, fa nandà hianareo; efa naninjitra ny tànako Aho, fa tsy nisy nitandrina; fa nolavinareo ny saina rehetra natolotro, sady tsy nety nanaiky ny anatro hianareo (...) dia vao hiantso Ahy izy, fa tsy hamaly Aho; dia vao hitady Ahy fatratra izy, fa tsy ho hitany Aho. Satria nankahala ny fahalalana izy ary tsy nifidy ny fahatahorana an’i Jehôvah . Tsy nekeny ny saina natolotro, notsiratsirainy avokoa ny anatro rehetra, dia hihinana ny vokatry ny alehany izy ka ho voky ny fihendreny.” – Ohab. 1:24,25,28-31.

(...) Tandremo, fandrao hisy aminareo hanana fo ratsy tsy mino ka hiala amin’Andriamanitra velona. Tsy fantatrao ny andro hamangiana anao. (...) Raha mandinika ny toetr’ireo olona milaza fa mpanara-dia Azy i Jesôsy amin’izao fotoana izao, dia tsy fahaiza-mankasitraka, fiseho ivelany poaka aty, fihatsarambelatsihy, avonavona toy ny an’ny Fariseo ary fihemorana no ho hitany.

Ny ranomaso nalatsak’i Kristy teo an-tendrombohitra Oliva dia noho ny tsy fibebahana sy ny tsy fahaiza- misaotra asehon’ny olona tsirairay amin’ny andro farany. (...) Navadika ho toerana fanaovana varotra tsy masina ny kianjan’ny tempolin’ny fo. Fitiavan-tena, mamôna, toetra tsy mifaditrovana, fialonana, avonavona, ary firehetam-po no kolokoloina ao anatin’ny fon’ny olombelona. (...) Avonavona no asetry ireo iraka alefany ary toy ny angano ihany no andraisana ny teniny. (...)

Miangavy anao izay mitonona ho nitana ny finoana hatry ny ela aho, nefa manaja an’i Kristy amin’ny fiseho ivelany sisa: Aza mamitaka ny fanahinao fa ny fo manontolo no ankasitrahan’i Jesôsy. Ny fahatokian’ny fanahy irery ihany no sarobidy eo imason’Andriamanitra. (...) – TFC, b. 5, tt. 72,73.

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 21 Feb 2026
Lesona 9: FAMPIHAVANANA SY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Fampidirana.
Sun 22 Feb 2026
Lesona 9: FAMPIHAVANANA SY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Fahiny (…) tamin’ny fanaovan-dratsy, (…) no efa nampihavaniny ankehitriny.
Mon 23 Feb 2026
Lesona 9: FAMPIHAVANANA SY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Raha maharitra amin’ny finoana hianareo.
Tue 24 Feb 2026
Lesona 9: FAMPIHAVANANA SY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Drafitra mandrakizain’Andriamanitra.
Wed 25 Feb 2026
Lesona 9: FAMPIHAVANANA SY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Zava-miafin’Andriamanitra nampahafantarina.
Thu 26 Feb 2026
Lesona 9: FAMPIHAVANANA SY FANAΝΤΕΝΑΝΑ -
Thu 26 Feb 2026
Lesona 9: FAMPIHAVANANA SY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Ny herin’ny Filazantsara.
Fri 27 Feb 2026
Lesona 9: FAMPIHAVANANA SY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Fianarana fanampiny.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 14 Feb 2026
Lesona 8: I KRISTY, AMBONIN'NY ZAVATRA REHETRA - Fampidirana
Sun 15 Feb 2026
Lesona 8: I KRISTY, AMBONIN'NY ZAVATRA REHETRA - Endrik’ilay Andriamanitra tsy hita.
Mon 16 Feb 2026
Lesona 8: I KRISTY, AMBONIN'NY ZAVATRA REHETRA - Lahimatoa talohan’izao zavatra ary rehetra izao.
Tue 17 Feb 2026
Lesona 8: I KRISTY, AMBONIN'NY ZAVATRA REHETRA - Lohan’ny fiangonana.
Wed 18 Feb 2026
Lesona 8: I KRISTY, AMBONIN'NY ZAVATRA REHETRA - Ilay "Voalohany"(no sady Loha).
Thu 19 Feb 2026
Lesona 8: I KRISTY, AMBONIN'NY ZAVATRA REHETRA - Mampihavana ny rehetra aminy.
Fri 20 Feb 2026
Lesona 8: I KRISTY, AMBONIN'NY ZAVATRA REHETRA - Fianarana fanampiny.
Sat 21 Feb 2026
Lesona 9: FAMPIHAVANANA SY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (67)
  • August 2024 (106)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal