Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Lesona 2: ILAY ROIMEMY NIREHITRA - Fampidirana

Daty
Sabotsy 05 July 2025

Hodinihina mandritra ny herinandro: Eks. 18:3,4; Eks. 3:1-22; Gen. 22:11,15-18; Eks. 6:3; Joe. 3:5; Eks. 4:1-31; Gen. 17:10,11.

Tsianjery: " Ary hoy Jehôvah : Efa hitako tokoa ny fahorian’ny oloko izay any Egypta, ary efa reko ny fitarainany noho ny ataon’ny mpampiasa azy; eny, fantatro ny alahelony; dia efa nidina Aho izao hamonjy azy amin’ny tànan’ny Egyptiana ka hitondra azy hiakatra hiala amin’izany tany izany ho any amin’izay tany soa sy malalaka, dia any amin’izay tany tondra-dronono sy tantely, any amin’ny tanin'ny Kananita sy ny Hetita sy ny Amodia sy ny Perizita sy ny Hivita ary ny Jebosita. " – Eks. 3:7,8.

FAMPIDIRANA

Matetika manova ny lalam-piainantsika ny fiantsoan’Andriamanitra antsika. Kanefa, raha manaraka izany antso izany isika, dia hahita fa ny lalan’Andriamanitra no lalana tsara indrindra ho antsika. Na izany aza, indraindray — amin’ny voalohany — dia tsy mora ny manaiky ny antso avy amin’Andriamanitra.

Izany no nahazo an’i Mosesy rehefa nantsoin’Andriamanitra izy, izay nanomboka tamin’ny fihaonany manokana tamin’ny Tompo teo amin’ilay roimemy nirehitra. Na fantatr’i Mosesy na tsia ny lalàna momba ny fandoroana, dia fantany kosa fa zava-mahagaga no natrehin’ny masony, ary nahasarika ny sainy tokoa izany. Tsy isalasalana fa niantso azy hanao asa manokana ny Tompo. Ny fanontaniana mipetraka dia: hamaly ny antso ve izy, na inona na inona fiovana goavana entin’izany eo amin’ny fiainany? Tsy dia narisika loatra izy tamin’ny voalohany.

Angamba tsaroanao ny fotoana nanananao tanjona manokana hotra- trarina, saingy nanova izany drafitra izany Andriamanitra. Marina fa azon’Andriamanitra ampiasaina amin’ny fomba maro isika, saingy ny fanekena ny antson’Andriamanitra eo amin’ny fiainantsika, sy ny fanatanterahana izay asainy ataontsika, no azo antoka fa lalana mankany amin’ny fiainana mahafa-po indrindra. Mety tsy ho mora mandrakariva izany, ary tsy mora tamin’i Mosesy izany, saingy hadalana tokoa ny mizotra any amin’izay tiantsika raha toa ka efa miantso antsika Andriamanitra hizotra amin’ny lalana hafa.

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 11 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Fampidirana.
Sun 12 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Mangeja ny avonavona.
Mon 13 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Diniho ny tenanao.
Tue 14 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Mosesy, mpanompo nanetry tena.
Wed 15 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Ny zava-manafintohina indrindra.
Thu 16 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Jereo Izy.
Fri 17 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Fianarana fanampiny.
Sat 18 Apr 2026
Lesona 4: NY ANJARA ASAN'NY BAIBOLY - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 04 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Fampidirana.
Sun 05 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Endrik’Andriamanitra mazava kokoa
Mon 06 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Masina Andriamanitra.
Tue 07 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Andriamanitra dia Fitiavana.
Wed 08 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Andriamanitra ao amin’ny famoronana.
Thu 09 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Imanoela, amintsika Andriamanitra.
Fri 10 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Fianarana fanampiny.
Sat 11 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 18 Apr 2026
Lesona 4: NY ANJARA ASAN'NY BAIBOLY - Fampidirana.

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (64)
  • August 2024 (109)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal