Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Mahasalama n’y asa s’y ny fampiasan-tena

Daty
Talata 08 July 2025

"Noho ny halavitry ny nalehanao dia sasatra hianao, nefa hianao tsy niteny hoe: kivy aho izany! Nahazo -- aina ny tananao, ka dia tsy nahatsiaro reraka hianao. Isa. 57:10. 
isy olona sasany mihevitra fa fitahiana ny harena sy ny fidonanaham-poana. Rehefa misy olona mahazo harena be na koa mandova izany amin'ny fomba tsy ampoizina, dia miato ny fahazarana efa nananany, tsy ampiasainy ny fotoany, ary miadam-poana izy. Toa mifarana hatreo ireo lafin-toetra mahatonga azy ho ilain'ny manodidina; manjary mitaintain-dava izy, be tebiteby, tsy sambatra ary tsy maharitra ela ny fahavelomany. 
Ireo izay manan-katao mandrakariva ary manatanteraka amim-pifaliana ny asa fanaony isan'andro no sambatra sy salama indrindra. Ny fialan-tsasatra sy ny fahatonian'ny alina no mitondra torimaso tsy tapatapaka ho an'ny vatany trotraka. Efa fantatry ny Tompo izay hahasambatra ny olombelona rehefa nanome azy ireo asa hatao Izy. Avy eo amin'ny seza fiandrianana iray ihany no niavian'ilay didim-pitsarana momba ny tsy maintsy hiasany mafy mba hahazoana hanin-kohanina sy ilay teny fikasan'ny fahasambarana sy ny voninahitra ho avy. Samy fitahiana avokoa izy roa ireo (...) Hanampy ny fandevonan-kanina ny fampiasan-tena. Hitondra soa lehibe tokoa ny dia an-tongotra kely aorian'ny fisakafoana, ny fihazonana ny loha ho mahitsy tsara, ny fampitrakana tsara ny soroka ary ny fampiasan-tena amin'ny antonony. (...) Tsy tokony hosakanana tsy hahazo rivotra madio sy vaovao ny havokavoka. Rehefa misy faritra marary amin'ny vatana, ny havokavoka ohatra na ny vavony, dia vao mainka ilaina indrindra ny rivotra madio. (...) Ny fampiasan-tena mavitrika nefa tsy mahery vaika eny ankalamanjana dia hanatsara ny fikorianan’ny ra, hampitomarataratra n’y fahasalamana eny amin'ny hoditra, ary hampiely ny ra manerana ny vatana rehetra vokatry ny herin'ny rivotra madio.

(...) Matetika indrindra ny mpitsabo no manoro hevitra ny marary mba handeha hitsidika toeran-kafa, ho eny amin'ny loharano, ho eny amoron'ny ranomasina mba hanavao ny fahasalamany. Raha mahalala onony izy ireo eo amin'ny lafiny fihinanana ka manao fampiasan-tena miaraka amin'ny toe-tsaina falifaly, dia marary sivy amin'ny folo no hiverina hahazo fahasalamana indray sady tsy lany vola sy fotoana. (...). — TFC, b. 2, tt. 529-531. 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 10 Jan 2026
Lesona 3:FIAINANA SY FAHAFATESANA - Fampidirana.
Sun 11 Jan 2026
Lesona 3: FIAINANA SY FAHAFATESANA - Hery tsy manam-petra.
Mon 12 Jan 2026
Lesona 3: FIAINANA SY FAHAFATESANA - Tombony ny fahafatesana.
Tue 13 Jan 2026
Lesona 3: FIAINANA SY FAHAFATESANA - Mahatoky.
Wed 14 Jan 2026
Lesona 3: FIAINANA SY FAHAFATESANA - "Maharitra amin’ny fanahy iray."
Thu 15 Jan 2026
Lesona 3: FIAINANA SY FAHAFATESANA - Miray saina sy tsy matahotra.
Fri 16 Jan 2026
Lesona 3: FIAINANA SY FAHAFATESANA - Fianarana fanampiny.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 03 Jan 2026
Lesona 2: ANTON’NY FISAORANA SY NY FIVAVAHANA - Fampidirana.
Sun 04 Jan 2026
Lesona 2: ANTON’NY FISAORANA SY NY FIVAVAHANA - Fitomboana ao amin’ny Filazantsara.
Mon 05 Jan 2026
Lesona 2: ANTON’NY FISAORANA SY NY FIVAVAHANA - Ireo antombavak’i Paoly.
Tue 06 Jan 2026
Lesona 2: ANTON’NY FISAORANA SY NY FIVAVAHANA - Fampiharana ny fahaiza-manavaka ara-panahy.
Wed 07 Jan 2026
Lesona 2: ANTON’NY FISAORANA SY NY FIVAVAHANA - Voan’ny Filazantsara.
Thu 08 Jan 2026
Lesona 2: ANTON’NY FISAORANA SY NY FIVAVAHANA - Ny herin’ny vavaka.
Fri 09 Jan 2026
Lesona 2: ANTON’NY FISAORANA SY NY FIVAVAHANA - Fianarana fanampiny.
Sat 10 Jan 2026
Lesona 3:FIAINANA SY FAHAFATESANA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (68)
  • August 2024 (106)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal