Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Mifikira amin’i Jesôsy rehefa zahan-toetra.

Daty
Zoma 11 July 2025

"Aza matahotra hianao, fa momba anao Aho; ary aza miherikerika foana, fa Izaho no Andriamanitrao; mampahery anao Aho sady mamonjy anao; eny, mitantana anao amin'ny tànana ankavanan’ny fahamarinako Aho." — Isa. 41:10.

Mofon’aina:
Tokony hikaroka fomba sy fahafaha-manao izay hahatonga ny zanany hanan-javatra hatao mandrakariva ny ray aman-dreny (...). Tsy tokony hohadinoin'ny ray aman-dreny na oviana na oviana fa mila miasa mafy ho an'ny tenany sy ho an'ny zanany izy raha tiany ny ho voaro miaraka aminy. Mbola eto amin'ny tanin'ny fahavalo isika. Aoka ny ray aman-dreny hitolona mafy mba hahatratra ny fenitra ambonimbony kokoa ka hitondra ny zanany miaraka aminy. (...) 

Manehoa fahavononana hanao ny ezaka rehetra azonao atao mba hametrahana ny zanakao eo amin'ny toe-javatra mety indrindra ho an'ny fanefena ny toetra izay takin'Andriamanitra amin' ny mpanompony. (...) Hioko amin'ny famotehana anareo ny herin'ny helo. Mivavaha matetika kokoa noho izay fanaonao. Ampianaro amim-pitiavana sy amim-pahalemem-panahy ny zanakao mba hanatona an'Andriamanitra toy ny Ray ao an-danitra.

 Ampianaro hifehy tena izy ireo amin'ny alalan'ny ohatra asehonao eo amin'ny fitondrana ny tokantrano. Ampianaro izy ho tia manampy ao an-tokantrano. Hameno ny sainao amin'ny eritreritra sarobidy indrindra ny Fanahy Masina rehefa miasa ho an'ny famonjena ny tenanao sy ny zanakao ianao. 

Ry ray aman-dreny, angony ireo tara-pahazavana mamirapiratra eny amin'ny lalan-kalehanareo. (...) Rehefa manao  ny asa famonjena ny zanakareo ianareo sy manao izay hihazonana ny toeranareo eo amin'ny lalan'ny fahamasinana, dia hiseho ny fizahan-toetra mahavery hevitra indrindra. Aza miraviravy tanana anefa. Mifikira amin'i Jesôsy; hoy Izy: "Aoka hifikitra amin' ny heriko kosa izy ka hihavana amiko; eny, aoka hihavana amiko izy" - Isa. 27:5.

 (...) Rehefa misy ny hamehana dia anontanio Izy hoe: "Tompo ô, inona indray izao no tokony hataonay?" Raha mandà tsy hitroatra ianareo na hitaintaina na koa hisafoaka, dia haneho anareo ny lalana hivoahana ny Tompo. 

(...) Ataovy izay rehetra azonao atao hananana fomba fijery ambony eo anatrehan'ny zanakao. Amin'ny fanarahana ny fomban'i Kristy sy ny fifikirana mafy amm'ny teny fikasan'Andriamanitra no hahatonga anao ho evanjelisitra ao an-tokantrano sy mpitondra fahasoavana ho an'ny zanakao. SMC, 185.

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 11 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Fampidirana.
Sun 12 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Mangeja ny avonavona.
Mon 13 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Diniho ny tenanao.
Tue 14 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Mosesy, mpanompo nanetry tena.
Wed 15 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Ny zava-manafintohina indrindra.
Thu 16 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Jereo Izy.
Fri 17 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Fianarana fanampiny.
Sat 18 Apr 2026
Lesona 4: NY ANJARA ASAN'NY BAIBOLY - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 04 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Fampidirana.
Sun 05 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Endrik’Andriamanitra mazava kokoa
Mon 06 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Masina Andriamanitra.
Tue 07 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Andriamanitra dia Fitiavana.
Wed 08 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Andriamanitra ao amin’ny famoronana.
Thu 09 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Imanoela, amintsika Andriamanitra.
Fri 10 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Fianarana fanampiny.
Sat 11 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 18 Apr 2026
Lesona 4: NY ANJARA ASAN'NY BAIBOLY - Fampidirana.

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (64)
  • August 2024 (109)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal