Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Eo amin’ny zava-tsarotra, ampy ny fahasoavany.

Daty
Sabotsy 12 July 2025

"Nefa hoy Izy tamiko: Ampy ho anao nv fahasoavako; fa ny heriko dia tanterahina amin'ny fahalemena.'' 2 Kôr. 12:9.

Mofon’aina: 
Tsy misy olona natao eo amin'ny toerana izay tsy hahazoany mankatò an'Andriamanitra. Kely loatra ny finoan'ny Kristianina amin'izao rotoana izao. Rehefa mahatazana izay mety hisian' ny vokatra mahavelom-panantenana ihany izy ireo vao vonona hiasa ho an'i Kristy sy hampandroso ny ranjakany. Manampy ny ezaka rehetra ataon'ny tena mpino tsirairay avy ny fahasoavan"Andriamanitra. Ampy ho antsika ao anatin'ny tue-javatra rehetra mets hiseho izany fahasoavana izany. Handefa  ny heriny manavao sy mandavorary eo amin'ny toetran'izay vonona hankatò sy ho mahatoky ny Fanahy Masina. 

(…)Tompon'andraikitra isika ny amin'ny tahazavana izay manazava ny lalantsika. Mety ho voahodidin'ny zava-tsarotra mety hahaketraka isika, ary manao izany ho fialan-tsiny noho ny tsy nankatoavantsika ny fahamarinana ao Jesôsy . Maivana loatra anefa izany fialan-tsiny izany. Raha misy ny fialan-tsiny noho ny tsy rankatoavana, dia toy ny mampiseho izany fa tsy marina Ilay Raintsika any an-danitra satria fepetra izay tsy azontsika harahina no omeny hahazoana ny famonjena

Tsy tokony haminavina ireo fizahan-toetra rehetra mety hiseho mialoha ny fifaranan'izao taranaka izao ny Kristianina. Ny hany tokony hataony dia ny manom-boka manompo an'Andriamanitra, ka hivelona sy hiasa isan'andro ho voninahitr' Andriamanitra manom-boka amin'io andro io. Amin'izay fotoana izay dia hihena tsikelikely ireo olana toa tsy azo hihoarana; ary raha tsy maintsy hiatrika izay rehetra nampatahotra azy izy, dia homena azy araka izay ilainy ny fahasoavan'Andriamanitra. Mitombo miaraka amin'ny olana atrehina sy resena ny hery. ( ...)

Izay tapa-kevitra hanompo ny Tompo kosa dia hahita fomba mandrakariva hijoroana ho vavolom-belona. (...) Afaka ny hisedra ny fanaovana zinona sy ny eso izy ireo raha mibanjina an'i Jesôsy ( ...) izay niaritra ny fanoherana nataon'ny mpanota Taminy. Izy izay marina amin'ny tenany dia mampanantena fanampiana sy fahasoavana. Tsy ho diso amin'ny fanatanterahana ny teny fikasany Andriamanitra ho an'ireo izay mitoky Aminy. — Sketches from the Life of Paul, 296-298. 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 03 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Fampidirana.
Sun 04 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Abrahama mpitandrina ny fanekena.
Tue 06 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Isaia ilay mpaminanin’i Filazantsara.
Wed 07 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - DANIELA, ilay mpanampy mahatoky.
Thu 08 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - JAONA Mpanao batisa, manomana vahoaka iray.
Fri 09 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Nantsoina hanao ny asan’ny Mpamonany.l
Sat 10 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Fampidirana.
Sun 11 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Olombelona ny mpaminany.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 26 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Fampidirana.
Sun 27 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Ny fifandrraisana tany Edena.
Mon 28 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Niery an’Andriamanitra.
Tue 29 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Mitady ny olombelona Andriamanitra.
Wed 30 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Voaroaka tao amin’ny saha.
Thu 01 Oct 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Mpitondra tenin’Andriamanittra.
Fri 02 Oct 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Fianarana fanampiny.
Sat 03 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (64)
  • August 2024 (109)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal