Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Ilaina indrindra ny fahamasinana ara-Baiboly.

Daty
Alatsinainy 14 July 2025

"Izay efa tian'Andriamanitra ho nampahafantarina ny haren'ny voninahitr'ity zava-miafina ity any amin'ny jentilisa, dia Kristy ao anatinareo, Izay fanantenana ny voninahitra. — Kôl. 1:27.

Mofon’aina:
Sarotra ho an'ireo mihevitra fa efa miorina tsara eo amin'ny tanjona notratrariny sy mihevi-tena ho manam-pahalalana ara-panahy feno ny mandray ny hafatra [ho an'ny Laodikia] izay milaza ny mahadiso hevitra azy sy ny filany ny fahasoavana ara-panahy rehetra. (...) Naseho ahy fa maro no mandoka ny tenany ho Kristianina vanona nefa tsy manana akory ny tara-pahazavana avy amin'i Jesôsy. Tsy manana fanandramana velona ho an'ny tenany izy eo amin'ny fananana fiainana araka an'Andriamanitra. (...) 

Mitarika tsikelikely ny vahoakany Andriamanitra. Tolona sy dia mitohy ny fiainana kristianina. Amin'ny ezaka tsy miovaova sy tsy miato no hihazonantsika ny fandresena ny fakam-panahy alefan'i Satana. (...) Ny fanambaran'ny Soratra Masina izay betsaka sady mazava no hanohana antsika tanteraka eo amin'ny toerana misy antsika. Ny tena tsy ananantsika indrindra anefa dia ny fanetren-tena araka izay ampianarin'ny Baiboly, ny faharetana, ny finoana, ny fitiavana, ny fandavan-tena, ny fiambenana ary ny toe-tsain'ny fahafoizan-tena. Mila rnikolokolo ny fahamasinana voalazan'ny Baiboly isika. Manjaka eo amin'ny vahoakan'Andriamanitra ny ota. (...) Maro no mifikitra amin'ny fanahiany sy ny fahotana mbola ankamamiany, nefa dia mamita-tena tokoa amin'ny filazany sy fahatsapany fa tsy mita na inona na inona izy. Heveriny fa tsy ilaina akory ny fananaran'ny Fanahin'Andriamanitra, na koa hoe tsy natao ho azy.

lzy anefa no tena mita indrindra ny fahasoavan'Andriamanitra sy ny fahaiza-manavaka (...) mba hahitany ny tsy fahampian'ny fahalalany ara-panahy. Saika ireo lafiny rehetra ilaina indrindra amin'ny fandavorariana ny toetra kristianina no tsy ananany. (...)

Tsy ampy ny milaza fotsiny fa mino ny fahamarinana isika. Ny miaramilan'ny hazo fijalian'i Kristy rehetra dia saika mirotsaka an-tsitrapo avokoa eo amin'ny ady atao amin'ny fahavalon'ny fanahy (...). Ny hafatr'ilay Vavolombelona marina dia manambara fa misy fahadisoan-kevitra lehibe eo amin'ny vahoakantsika, izay ilana indrindra ny fampitandremana azy ireo, mba hanairana azy ao amin'ny torimasony ara-panahy ka hahatonga azy hiasa tsy misy hatak’andro. TFC, b. 3, tt. 253, 254. 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 21 Feb 2026
Lesona 9: FAMPIHAVANANA SY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Fampidirana.
Sun 22 Feb 2026
Lesona 9: FAMPIHAVANANA SY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Fahiny (…) tamin’ny fanaovan-dratsy, (…) no efa nampihavaniny ankehitriny.
Mon 23 Feb 2026
Lesona 9: FAMPIHAVANANA SY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Raha maharitra amin’ny finoana hianareo.
Tue 24 Feb 2026
Lesona 9: FAMPIHAVANANA SY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Drafitra mandrakizain’Andriamanitra.
Wed 25 Feb 2026
Lesona 9: FAMPIHAVANANA SY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Zava-miafin’Andriamanitra nampahafantarina.
Thu 26 Feb 2026
Lesona 9: FAMPIHAVANANA SY FANAΝΤΕΝΑΝΑ -
Thu 26 Feb 2026
Lesona 9: FAMPIHAVANANA SY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Ny herin’ny Filazantsara.
Fri 27 Feb 2026
Lesona 9: FAMPIHAVANANA SY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Fianarana fanampiny.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 14 Feb 2026
Lesona 8: I KRISTY, AMBONIN'NY ZAVATRA REHETRA - Fampidirana
Sun 15 Feb 2026
Lesona 8: I KRISTY, AMBONIN'NY ZAVATRA REHETRA - Endrik’ilay Andriamanitra tsy hita.
Mon 16 Feb 2026
Lesona 8: I KRISTY, AMBONIN'NY ZAVATRA REHETRA - Lahimatoa talohan’izao zavatra ary rehetra izao.
Tue 17 Feb 2026
Lesona 8: I KRISTY, AMBONIN'NY ZAVATRA REHETRA - Lohan’ny fiangonana.
Wed 18 Feb 2026
Lesona 8: I KRISTY, AMBONIN'NY ZAVATRA REHETRA - Ilay "Voalohany"(no sady Loha).
Thu 19 Feb 2026
Lesona 8: I KRISTY, AMBONIN'NY ZAVATRA REHETRA - Mampihavana ny rehetra aminy.
Fri 20 Feb 2026
Lesona 8: I KRISTY, AMBONIN'NY ZAVATRA REHETRA - Fianarana fanampiny.
Sat 21 Feb 2026
Lesona 9: FAMPIHAVANANA SY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (67)
  • August 2024 (106)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal