Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Manatanjaka ny fiatrehana olana.

Daty
Alarobia 16 July 2025

"Ny Tompo tsy mahela ny teny fikasany, araka izay ataon'ny sasany ho fahelany; fa mahari-po aminareo Izy, ka tsy tiany hisy ho very fa mba ho tonga amin'ny fibebahana izy rehetra." — 2 Pet. 3:9.

Mofon’aina: 
Mametraka antsika amin'ny toe-javatra samihafa ny Tompo ho fampitomboana antsika. Raha manana kileman-toetra izay tsy fantatsika akory isika, dia ampandaloviny zava-tsarotra izay hampahafantatra antsika izany kilema izany, mba hahazoantsika mandresy azy.

Ny fitantanany mihitsy no mahatojo antsika toe-javatra isan-karazany. Samy hafa isaky ny toe-javatra mitranga ny fakam-panahy atrehintsika. Impiry impiry moa isika, rehefa tojo zava-tsarotra ho fizahan-toetra, no mihevitra toy izao: "Tsy mety mihitsy izao, aleoko lavitra nijanona teo amin'izay nisy ahy teo aloha". Inona no anton'izany tsy fahafaham-ponao izany? Ny mba hahafantaranao ny kileman-toetranao, izay vaovao aminao. Inona àry no tokony hataonao rehefa zahan-toetra araka ny fitantanan'ny Tompo ianao? Tokony hiatrika tsara izany ianao ka handresy ireo fahalemenao.

Amin'ny fiatrehanao ny olana no hahazoanao tanjaka ara-panahy. Hahery ao amin'i Kristy ianao raha maharitra amin'ny fizahan-toetra sy ny fitsapan'Andriamanitra. Raha ny toe-javatra sy ny manodidina anao kosa no omenao tsiny, dia vao mainka halemy kokoa ianao. Efa nahita olona nanome tsiny mandrakariva ny zavatra sy ny olona rehetra manodidina azy aho, kanefa tsy taiza fa tao amin'izy ireo ihany ny fahadisoana. Nilain'izy ireo ny miantoraka eo amin'ny Vatolampy ka ho torotoro. Nihevi-tena ho marina mandrakariva izy. Natao hizahana ny toetrantsika ny fisedrana tonga amintsika. Miasa tsy tapaka hamotika antsika ilay fahavalon'ny fanahy, saingy haharihary amintsika ny kileman-toetrantsika, ka rehefa hitantsika mazava izany, dia aoka tsy hanome tsiny ny hafa intsony isika, fa hilaza kosa hoe: "Hiainga aho, dia hody any amin'ny Raiko ". 

Rehefa manomboka mahatsapa isika fa mpanota, ka miantoraka eo amin'ilay Vatolampy mba ho torotoro, dia mivelatra eo anoloantsika ireo sandry mandrakizay, ary dia manakaiky ny fon'i Jesôsy isika. Amin'izay fotoana izay dia ho babon'ny toetrany mahate-ho tia isika, ary haharikoriko antsika ny fahamarinantsika. Mila manatona eo am-pototiy ny hazo fijaliana isika. Arakaraka ny hanetrentsika tena eo no ahitantsika ny fitiavan'Andriamanitra misandratra kokoa. RH, 6 Aogôsitra 1889.

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 03 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Fampidirana.
Sun 04 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Abrahama mpitandrina ny fanekena.
Tue 06 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Isaia ilay mpaminanin’i Filazantsara.
Wed 07 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - DANIELA, ilay mpanampy mahatoky.
Thu 08 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - JAONA Mpanao batisa, manomana vahoaka iray.
Fri 09 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Nantsoina hanao ny asan’ny Mpamonany.l
Sat 10 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Fampidirana.
Sun 11 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Olombelona ny mpaminany.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 26 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Fampidirana.
Sun 27 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Ny fifandrraisana tany Edena.
Mon 28 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Niery an’Andriamanitra.
Tue 29 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Mitady ny olombelona Andriamanitra.
Wed 30 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Voaroaka tao amin’ny saha.
Thu 01 Oct 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Mpitondra tenin’Andriamanittra.
Fri 02 Oct 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Fianarana fanampiny.
Sat 03 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • June 2026 (38)
  • July 2026 (77)
  • August 2026 (52)
  • September 2026 (52)
  • October 2026 (40)

Pagination

  • Previous page
  • 4
Powered by Drupal