Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Lesona 3: FANOMBOHANA MANANO SAROTRA - Toy ny Andriamanitra ho an’i Farao.

Daty
Alakamisy 17 July 2025

ΤΟΥ ΝΥ ANDRIAMANITRA HO AN'I FARAO

Vakio ny Eks. 6:28--7:7. Ahoana no navalin'l Jehôvah ny fanamarihana nataon'i Mosesy?

Nasehon'Andriamanitra an'i Mosesy ny maha-Yahweh Azy, izay midika fa Izy ilay Andriamaniny izay akaiky azy, ilay Andriamanitry ny vahoakany ary koa ilay Andriamanitra izay nanorina fifandraisana aminy araka ny fanekena nataony tamin'izy ireo.

lo Andriamanitra velona sy miasa io no mibaiko an'i Mosesy mba handeha sy hitondra teny amin'i Farao. Tsy natoky tena i Mosesy ka nilaza indray hoe: "aiza no hihainoan'i Farao ahy?" Tsy ny fanetren-tenan'i Mosesy ihany no hitantsika eto fa ny faniriany koa hiala amin'ilay asa nampiandraiketina azy, izay hita fa tsy nizotra araka ny tokony ho izy hatreto.

"Rehefa nomena baiko hiverina any amin'i Farao i Mosesy, dia naneho tsy fitokian-tena. Ny teny hoe 'aral sepatayim adika ara-bakiteny hoe 'molotra tsy voafora izay ampiasaina eto hanehoana ny tsy fahaizan'i Mosesy mandaha-teny (6:12,30) - dia mitovy amin'izay hita ao amin'ny Eks. 4:10: 'votsa vava'." - Andrews Bible Commentary: Old Testament, "Exodus" (Berrien Springs, MI: Andrews University Press, 2020), t. 205.

Noho ny Famindrampony, dia nanendry an'i Arona ho mpanampy an'i Mosesy Andriamanitra. Hiteny amin'i Arona i Mosesy, ary i Arona no hiteny ampahibemaso amin'i Farao. Araka izany, dia haka ny toeran'Andriamanitra eo anatrehan'ilay mpanjaka egyptianina i Mosesy, ary i Arona no ho mpaminaniny.

Hita ao amin'io tantara io ny famaritana mazava indrindra ny anjara asan'ny mpaminany. Mpitondra tenin'Andriamanitra ny mpaminany; izy no fitaovana hoenti-mampita sy manazava ny tenin'Andriamanitra amin'ny olona. I Mosesy no niteny tamin'i Arona ary i Arona indray no nitatitra izany tamin'i Farao; tahaka izany koa no ifampiresahan'Andriamanitra amin'ny mpaminany izay manambara ny fampianaran'Andriamanitra amin'ny vahoaka. Mety am-bava no anaovana izany. mivantana; mety araka izay fahita ankapobeny tamin'izany koa anefa: nandray ny hafatra avy tamin'Andriarnanitra ny mpaminany ka nandrakitra izany an-tsoratra.

Hazavain'Andriamanitra amin'i Mosesy koa izay azony (Mosesy) andrandraina avy amin'ny fihaonana amin'i Farao. Mampitandrina azy Izy fa hahery vaika sy haharitra ny fifanandrinana. Indroa Andriamanitra no nanantitrantitra tamin'i Mosesy fa ho mafy hatoka sy hanamafy ny fony i Farao (Eks. 4:21; Eks. 7:3). Ho tsara fiafara anefa ny tantara, satria "ho fantatry ny Egyptiana fa Izaho no Jehôvah ." - Eks. 7:5. Izany hoe, homem-boninahitra Andriamanitra na dia eo anivon'ny fikorontanana izay hiseho aza.

Tsy nanana fialan-tsiny azony nambara intsony i Mosesy mba tsy hanaovany ny asa niantsoan'Andriamanitra azy. Inona ny fialan-tsiny mely ataontsika mba hidifiana amin'izay zavatra fantatsika fa tian'Andriamanitra hataontsika?

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 11 Jul 2026
Lesona 3 : IRAY AO AMIN’NY KRISTY - Fampidirana.
Sun 12 Jul 2026
Lesona 3 : IRAY AO AMIN’NY KRISTY - Ny olan’ny fisaratsarahana ao am-piangonana.
Mon 13 Jul 2026
Lesona 3 : IRAY AO AMIN’NY KRISTY - Mifantoka amin’i Jesôsy.
Tue 14 Jul 2026
Lesona 3 : IRAY AO AMIN’NY KRISTY - Fahendrena sy fahamatorana.
Wed 15 Jul 2026
Lesona 3 : IRAY AO AMIN’NY KRISTY - Fanompoana tahaka ny an’i Kristy.
Thu 16 Jul 2026
Lesona 3 : IRAY AO AMIN’NY KRISTY - Fomba fiaina maneho ny hazo fijaliana.
Fri 17 Jul 2026
Lesona 3 : IRAY AO AMIN’NY KRISTY - Fianarana fanampiny.
Sat 18 Jul 2026
Lesona 4: FAHOTANA TAO AMIN'NY FIANGONANA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 04 Jul 2026
Lesona 2: NY TENY NY AMIN'NY HAZO FIJALIANA - Fampidirana.
Sun 05 Jul 2026
Lesona 2 : NY TENY NY AMIN'NY HAZO FIJALIANA - Ny Filazantsara momba ny hazo fijaliana.
Mon 06 Jul 2026
Lesona 2: NY TENY NY AMIN'NY HAZO FIJALIANA - Fahadalana amin’izay ho very.
Tue 07 Jul 2026
Lesona 2: NY TENY NY AMIN'NY HAZO FIJALIANA - Hery ho an’ireo izay hovonjena.
Wed 08 Jul 2026
Lesona 2: NY TENY NY AMIN'NY HAZO FIJALIANA - Mesia voahombo.
Thu 09 Jul 2026
Lesona 2: NY TENY NY AMIN'NY HAZO FIJALIANA - Kristy, hery sy fahendren’Andriamanitra.
Fri 10 Jul 2026
Lesona 2: NY TENY NY AMIN'NY HAZO FIJALIANA - Fianarana fanampiny.
Sat 11 Jul 2026
Lesona 3 : IRAY AO AMIN’NY KRISTY - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 18 Jul 2026
Lesona 4: FAHOTANA TAO AMIN'NY FIANGONANA - Fampidirana.
Sun 19 Jul 2026
Lesona 4: FAHOTANA TAO AMIN'NY FIANGONANA - Finoana sy fampiharana tsy mifanaraka.
Mon 20 Jul 2026
Lesona 4: FAHOTANA TAO AMIN'NY FIANGONANA - Miatrika ny toe-java-mamohehatra.
Tue 21 Jul 2026
Lesona 4: FAHOTANA TAO AMIN'NY FIANGONANA -
Wed 22 Jul 2026
Lesona 4: FAHOTANA TAO AMIN'NY FIANGONANA -
Thu 23 Jul 2026
Lesona 4: FAHOTANA TAO AMIN'NY FIANGONANA -
Fri 24 Jul 2026
Lesona 4: FAHOTANA TAO AMIN'NY FIANGONANA - Fianarana fanampiny.
Sat 25 Jul 2026
Lesona 5 : HO VONINAHITR’ANDRIAMANITRA IZANY REHETRA IZANY - Fampidirana.

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (64)
  • August 2024 (109)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal