Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Inona no antony manosika antsika?

Daty
Zoma 18 July 2025

 "Ary Jesosy niantso ny mpianany hanatona Azy ka nanao taminy hoe: Lazaiko aminareo marina tokoa fa io mpitondratena malahelo io no efa nandatsaka be noho izay rehetra nandatsaka tao amin'ny fandatsahan-drakitra. Fa ireo rehetra ireo, dia tamin'ny haben'ny fananany no nandatsahany tao; fa izy kosa, tamin'ny alahelony no nandatsahany tao izay rehetra nananany, dia ny fivelomany rehetra." — Mar. 12:43,44.

Mofon’aina:
Ny anton-javatra manosika antsika no mamaritra ny toetry ny asantsika, ka misy fitomboka aminy amin'ny fahafaham-baraka na amin'ny fahamendrehan'ny fitondrantena ambony. Tsy ny zava-dehibe izay hitan'ny maso rehetra sy derain'ny lela rehetra tsy akory no isain'Andriamanitra ho sarobidy indrindra. (...). Nomen' ilay mpitondratena mahantra ny fivelomany hoenti-manao ny kely mety ho vitany. Nampiafy ny tenany tamin'ny sakafo izy mba hahazoany manome ireo farantsa kely roa ho an'ny asa izay tiany. Ary nataony tamim-pinoana izany, nino izy fa ny Rainy any an-danitra dia tsy hijery fotsiny amin' izao ny fahasahiranany lehibe. Io toe-tsaina tsy misy fitiavan-tena io sy io finoana toy ny an'ny zaza io no noderain'ny Mpamonjy.

 Eo anivon'ny mahantra dia betsaka no maniry mafy ny haneho ny fankasitrahany an'Andriamanitra noho ny fahasoavany sy ny fahamarinany. Maniry mafy hiara-misalahy amin'ny rahalahiny ambinina kokoa izy eo amin'ny fanohanana ny asa fanompoana an'Andriamanitra.

Tsy tokony hatositosika ireny fanahy ireny. (...) Raha miteny ny amin'ilay mpitondratena i Jesosy hoe: Efa nandatsaka be noho izay rehetra nandatsaka tao amin'ny fandatsahan-drakitra', dia marina ny teniny, tsy teo amin'ny anton'izany ihany, fa teo amin'ny vokatry ny fanomezany koa. (...) Toy ny renirano ny hery miasa mangina avy amin'io fanomezana kely io, kely izany tamin'ny voalohany, nefa nitombo sy nihalalina raha nikoriana nandritra ny taonjato nifandimby. Tamin'ny fomba an'arivony no nandraisany anjara tamin'ny fanampiana ny mahantra sy ny fanaparitahana ny filazantsara. Ny ohatry ny fahafoizan-tena nataony dia niasa ary niasa hatrany tamin'ny fo an'arivony teo amin'ny tany rehetra sy ny vanin'andro rehetra. (...) Toy izany koa ny fanomezana rehetra sy ny asa rehetra, atao amin'ny fo madio maniry ny voninahitr' Andriamanitra. Mifamatotra amin'ny fikasan'Ilay manana ny hery rehetra izany. Tsy misy olona afaka hamatra ny soa mety ho vokatr'izany. — IFM, U. 657-658. 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 03 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Fampidirana.
Sun 04 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Abrahama mpitandrina ny fanekena.
Tue 06 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Isaia ilay mpaminanin’i Filazantsara.
Wed 07 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - DANIELA, ilay mpanampy mahatoky.
Thu 08 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - JAONA Mpanao batisa, manomana vahoaka iray.
Fri 09 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Nantsoina hanao ny asan’ny Mpamonany.l
Sat 10 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Fampidirana.
Sun 11 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Olombelona ny mpaminany.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 26 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Fampidirana.
Sun 27 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Ny fifandrraisana tany Edena.
Mon 28 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Niery an’Andriamanitra.
Tue 29 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Mitady ny olombelona Andriamanitra.
Wed 30 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Voaroaka tao amin’ny saha.
Thu 01 Oct 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Mpitondra tenin’Andriamanittra.
Fri 02 Oct 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Fianarana fanampiny.
Sat 03 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (64)
  • August 2024 (109)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal