Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Tsarovy ny famindrampon'Andriamanitra lehibe.

Daty
Alatsinainy 21 July 2025

"Ny diako maharitra eo amin'ny làlanao, tsy solafaka ny tongotro. Izaho miantso Anao, ka mamaly ahy Hianao, Andriamanitra ô; atongilano amiko ny sofinao, ka henoy ny teniko." Sal. 17:5,6.

Mofon’aina:
Nanome  baiko an'i Mosesy Andriamanitra hitantara amin'ny zanak'Isiraely indray ny nidirany an-tsehatra tamin'ny nanafahany azy ireo avy tany Egypta, sy ny niarovany azy tamin'ny fomba mahagaga tany an'efitra. Nasainy notsiahivina indray ny tsy finoany sy ny fimonomononany rehefa nozahan-toetra izy ireo, kanefa tsy nesorin'Andriamanitra taminy ny famindrampony lehibe sy ny hatsaram-panahiny feno fitiavana. Natao hanamafy ny finoan'izy ireo sy hanatanjaka ny herim-pony izany. (...)

Toy izany koa, tena ilain'ny vahoakan'Andriamanitra ankehitriny ny mitadidy ny fomba nisedrana azy sy ny tsy nahombiazan'ny finoany, izay nanimbany ny asan'Andriamanitra noho ny fisalasalany sy ny fitokiany tamin'ny tenany. Mila haverina tantaraina tsirairay ny famindrampon'Andriamanitra sy ny fitondrany feno fitsimbinana ary ny fanafahany, izay tsy tokony hohadinoina velively.

Rehefa mijery ny lasa toy izany ny vahoakan'Andriamanitra, dia tokony ho hitany fa miditra an-tsehatra mandrakariva ny Tompo. Tokony ho takany ireo fampitandremana nomena mba tsy hamerenany intsony ny fahadisoana tany aloha. Aoka tsy hitoky amin'ny tenany Izy fa amin'Andriamanitra, mba tsy hanalany baraka ny  Anarany intsony. Isaky ny misy fandresena azon'i Satana, dia fanahy maro no tandindomin-doza. Manjary mora andairan'ny fakam-panahiny ny olona sasany ka zary tsy tafarina intsony. (...)

Hamantaran'Andriamanitra izay hitoetra ho mahatoky ao anatin'ny fakam-panahy ny fizahan-toetra ataony amintsika. Hitoky amin'ny hery ambony ivelan'ny an'ny tenany ve ny tsirairay? Misy lafin-toetra izay tsy hita na fantatry ny olona raha tsy haneho azy amin'ny alalan'ny fitsapana. Avelan'Andriamanitra hiharan'ny fakam-panahy lehibe ireo izay mitoky amin'ny tenany, mba hahatakarany ny tsy fahafahany manoatra. (...) 

Tokony hijery ny asa efa nataony isika, ny fanavaozana efa nentiny. Tokony hangonintsika ireo porofon'ny fitahian'ny lanitra, vavolombelon'ny hatsarany, ka hilaza isika hoe: "Tompo ô, mino anao sy ireo mpanomponao ary ny asanao izahay." — TFC, b. 7, tt. 210,211. 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 03 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Fampidirana.
Sun 04 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Abrahama mpitandrina ny fanekena.
Tue 06 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Isaia ilay mpaminanin’i Filazantsara.
Wed 07 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - DANIELA, ilay mpanampy mahatoky.
Thu 08 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - JAONA Mpanao batisa, manomana vahoaka iray.
Fri 09 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Nantsoina hanao ny asan’ny Mpamonany.l
Sat 10 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Fampidirana.
Sun 11 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Olombelona ny mpaminany.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 26 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Fampidirana.
Sun 27 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Ny fifandrraisana tany Edena.
Mon 28 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Niery an’Andriamanitra.
Tue 29 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Mitady ny olombelona Andriamanitra.
Wed 30 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Voaroaka tao amin’ny saha.
Thu 01 Oct 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Mpitondra tenin’Andriamanittra.
Fri 02 Oct 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Fianarana fanampiny.
Sat 03 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (64)
  • August 2024 (109)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal