Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

LESONA 6: NIAMPITA NY RANOMASINA MENA - Ny hiran’i Mosesy sy i Miriama.

Daty
Alakamisy 07 August 2025

NY HIRAN'I MOSESY SY I MIRIAMA 

Natelin'ny rano avokoa ireo miaramila egyptianina; tsy nisy velona izy ireo na dia iray aza, anisan'izany i Farao (jereo ny Sal. 136:15). Faharesena nahagaga ho an'ireo Egyptianina izany, ary fandresena tanteraka ho an'ireo vahoakan'Andriamanitra. Tsy mahagaga raha namerina nitantara izany teo amin'ny tantaran'izy ireo ny Jiosy, eny hatramin'izao fotoana izao aza. Egyptian

Vakio ny Eks. 15:1-21. Inona no ambaran'ny tononkiran'i Mosesy?

Midera an'i Jehovah io hira io noho ny maha-mpiady mahery Azy, izay nandresy ireo fahavalon'ny olony. Novelabelarin'i Mosesy manokana io lohahevitra io ka nasongadiny fa i Jehovah, ilay Andriamaniny, no tanjany sy hirany ary famonjena azy. Tsy misy tahaka an'i Jehovah, izay "ankalazaina amin'ny fahamasinana, deraina amin'ny fahatahorana, Mpanao fahagagana." - Eks. 15:11.

Momba an'Andriamanitra manontolo, ny Toetrany sy ny Asany ny hiran'i Mosesy. Asandratra ny Tompo, ary deraina sy ankalaizana noho ny asa mahagaga nataony ho an'ny olony. Tsy terena fa mandeha ho azy ny fankasitrahana sy ny fiankohofana manoloana ny fahatsaran'Andriamanitra amintsika. Ny fankasitrahana ny fitiavany no fepetra iankinan'ny fiainana ara-panahy velona tsara. Asongadina sy omem-boninahitra manokana ny fitiavan'Andriamanitra mandrakizay satria hitarika ny vahoaka izay efa navotany Izy ary hitondra azy ireo ho any amin'ny fitoerana masina. Nambaran'i Mosesy mialoha fa hanorina ny fitoerana masina any an-tendrombohitr'ireo lovany i Jehovah (Eks. 15:17); nanondro mialoha an'i Ziona sy ny tempoly tany Jerosalema izany.

Voalazan'ny Apôk . 15:2-4 fa mihira ny hiran'i Mosesy sy ny hiran'ny Zanak'ondry ireo voavotra. Azonao an-tsaina ve ny feo ho re any an-danitra, izany fiderana an'Andriamanitra izany noho ny asa lehibe sy mahatalanjona nataony, ny fiderana an'Andriamanitra noho ny fitsarana marina sy ara-drariny ataony, ary ny fiderana Azy noho ny fahamarinany sy ny fahamasinany?

Mariho ny andalana farany amin'ilay hira: "ary ny firenena rehetra ho avy hiankohoka eo anatrehanao; fa efa naharihary ny fitsarana marina nataonao. Izany hoe, rehefa haharihary ny fitsarana rehetra ataon'Andriamanitra-indrindra ny fitsarany ny faharatsiana sy ny fampahoriana tsy nahazo famaizana nandritra ny arivo taona maro - dia hidera Azy noho izany fitsarana izany ny voavotra avy amin'ny firenena rehetra.

Nambaran' i Emmanuel Kant fa raha marina Andriamanitra, dia azo antoka izany ny fisian'ny fiainana aorian'ny fahafatesana. Nahoana no marina izany fanambarana izany, ary Inona ny lesona azontsika sintonina amin'izany mba hananana toky fa ho avy ny rariny sy ny fahamarinana izay tsy nisy nandritra ny fotoana ela, indray andro any? Ahoana no handraisanao fampaherezana avy amin'izany fanantenana izany?

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 02 Aug 2025
LESONA 6: NIAMPITA NY RANOMASINA MENA - Fampidirana.
Sun 03 Aug 2025
LESONA 6: NIAMPITA NY RANOMASINA MENA - Mandehana ka manompoa an’i Jehôvah.
Mon 04 Aug 2025
LESONA 6: NIAMPITA NY RANOMASINA MENA - Fanokanana ny voalohan-teraka.
Tue 05 Aug 2025
LESONA 6: NIAMPITA NY RANOMASINA MENA - Niampita ny ranomasina mena.
Wed 06 Aug 2025
LESONA 6: NIAMPITA NY RANOMASINA MENA - Mandroso amim-pinoana.
Thu 07 Aug 2025
LESONA 6: NIAMPITA NY RANOMASINA MENA - Ny hiran’i Mosesy sy i Miriama.
Fri 08 Aug 2025
LESONA 6: NIAMPITA NY RANOMASINA MENA - Fanampiny.
Sat 09 Aug 2025
LESONA 7: MOFON’AINA SY RANON’AINA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 26 Jul 2025
Lesona 5: NY PASKA - Fampidirana.
Sun 27 Jul 2025
Lesona 5: PASKA - Miampy indray ny loza.
Mon 28 Jul 2025
Lesona 5: PASKA - Ny Paska.
Tue 29 Jul 2025
Lesona 5: PASKA - Pechah.
Wed 30 Jul 2025
Lesona 5: PASKA - Mampita ny fanilo.
Thu 31 Jul 2025
Lesona 5: PASKA - Ny fitsaran’Andriamanitra.
Fri 01 Aug 2025
Lesona 5: PASKA - Fianarana fanampiny.
Sat 02 Aug 2025
LESONA 6: NIAMPITA NY RANOMASINA MENA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 09 Aug 2025
LESONA 7: MOFON’AINA SY RANON’AINA - Fampidirana.
Sun 10 Aug 2025
LESONA 7 : MOFON’AINA SY RANIN’AINA - Rano mangidy.
Mon 11 Aug 2025
LESONA 7 : MOFON’AINA SY RANON’AINA - Ny Papelika sy ny Mana.
Tue 12 Aug 2025
LESONA 7 : MOFON’AINA SY RANON’AINA - Rano avy amin’ny vatolampy.
Wed 13 Aug 2025
LESONA 7 : MOFON’AINA SY RANON’AINA - Jetro.
Thu 14 Aug 2025
LESONA 7 : MOFON’AINA SY RANON’AINA - Mofon’aina sy ranon’aina.
Fri 15 Aug 2025
LESONA 7 : MOFON’AINA SY RANON’AINA - Fianarana fanampiny.

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (65)
  • August 2024 (109)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal