Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

LESONA 6: NIAMPITA NY RANOMASINA MENA - Ny hiran’i Mosesy sy i Miriama.

Daty
Alakamisy 07 August 2025

NY HIRAN'I MOSESY SY I MIRIAMA 

Natelin'ny rano avokoa ireo miaramila egyptianina; tsy nisy velona izy ireo na dia iray aza, anisan'izany i Farao (jereo ny Sal. 136:15). Faharesena nahagaga ho an'ireo Egyptianina izany, ary fandresena tanteraka ho an'ireo vahoakan'Andriamanitra. Tsy mahagaga raha namerina nitantara izany teo amin'ny tantaran'izy ireo ny Jiosy, eny hatramin'izao fotoana izao aza. Egyptian

Vakio ny Eks. 15:1-21. Inona no ambaran'ny tononkiran'i Mosesy?

Midera an'i Jehovah io hira io noho ny maha-mpiady mahery Azy, izay nandresy ireo fahavalon'ny olony. Novelabelarin'i Mosesy manokana io lohahevitra io ka nasongadiny fa i Jehovah, ilay Andriamaniny, no tanjany sy hirany ary famonjena azy. Tsy misy tahaka an'i Jehovah, izay "ankalazaina amin'ny fahamasinana, deraina amin'ny fahatahorana, Mpanao fahagagana." - Eks. 15:11.

Momba an'Andriamanitra manontolo, ny Toetrany sy ny Asany ny hiran'i Mosesy. Asandratra ny Tompo, ary deraina sy ankalaizana noho ny asa mahagaga nataony ho an'ny olony. Tsy terena fa mandeha ho azy ny fankasitrahana sy ny fiankohofana manoloana ny fahatsaran'Andriamanitra amintsika. Ny fankasitrahana ny fitiavany no fepetra iankinan'ny fiainana ara-panahy velona tsara. Asongadina sy omem-boninahitra manokana ny fitiavan'Andriamanitra mandrakizay satria hitarika ny vahoaka izay efa navotany Izy ary hitondra azy ireo ho any amin'ny fitoerana masina. Nambaran'i Mosesy mialoha fa hanorina ny fitoerana masina any an-tendrombohitr'ireo lovany i Jehovah (Eks. 15:17); nanondro mialoha an'i Ziona sy ny tempoly tany Jerosalema izany.

Voalazan'ny Apôk . 15:2-4 fa mihira ny hiran'i Mosesy sy ny hiran'ny Zanak'ondry ireo voavotra. Azonao an-tsaina ve ny feo ho re any an-danitra, izany fiderana an'Andriamanitra izany noho ny asa lehibe sy mahatalanjona nataony, ny fiderana an'Andriamanitra noho ny fitsarana marina sy ara-drariny ataony, ary ny fiderana Azy noho ny fahamarinany sy ny fahamasinany?

Mariho ny andalana farany amin'ilay hira: "ary ny firenena rehetra ho avy hiankohoka eo anatrehanao; fa efa naharihary ny fitsarana marina nataonao. Izany hoe, rehefa haharihary ny fitsarana rehetra ataon'Andriamanitra-indrindra ny fitsarany ny faharatsiana sy ny fampahoriana tsy nahazo famaizana nandritra ny arivo taona maro - dia hidera Azy noho izany fitsarana izany ny voavotra avy amin'ny firenena rehetra.

Nambaran' i Emmanuel Kant fa raha marina Andriamanitra, dia azo antoka izany ny fisian'ny fiainana aorian'ny fahafatesana. Nahoana no marina izany fanambarana izany, ary Inona ny lesona azontsika sintonina amin'izany mba hananana toky fa ho avy ny rariny sy ny fahamarinana izay tsy nisy nandritra ny fotoana ela, indray andro any? Ahoana no handraisanao fampaherezana avy amin'izany fanantenana izany?

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 31 Jan 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY - Fampidirana.
Sun 01 Feb 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY - Mifaly ao amin’i Tompo.
Mon 02 Feb 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY - Ny fiainan’i Paoly tamin’ny lasa.
Tue 03 Feb 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY -
Wed 04 Feb 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY -
Thu 05 Feb 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY -
Fri 06 Feb 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY -

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 24 Jan 2026
Lesona 5: MAMIRAPIRATRA AO ANATIN'NY ALINA - Fampidirana.
Sun 25 Jan 2026
Lesona 5: MAMIRAPIRATRA AO ANATIN'NY ALINA - Miasa hahatanteraka ny asan’Andriamanitra ao anatintsika isika.
Mon 26 Jan 2026
Lesona 5: MAMIRAPIRATRA AO ANATIN'NY ALINA - Fanazavana ao anatin’ny aizin’izao tontolo izao.
Tue 27 Jan 2026
Lesona 5: MAMIRAPIRATRA AO ANATIN'NY ALINA - Fanatitra velona.
Wed 28 Jan 2026
Lesona 5: MAMIRAPIRATRA AO ANATIN'NY ALINA - Voazaha toetra.
Thu 29 Jan 2026
Lesona 5: MAMIRAPIRATRA AO ANATIN'NY ALINA - "Omeo voninahitra izay olona tahaka izany."
Fri 30 Jan 2026
Lesona 5: MAMIRAPIRATRA AO ANATIN'NY ALINA - Fianarana fanampiny.
Sat 31 Jan 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • October 2024 (96)
  • November 2024 (69)
  • December 2024 (17)
  • January 2025 (69)
  • February 2025 (91)
  • March 2025 (21)
  • April 2025 (73)
  • May 2025 (87)
  • June 2025 (19)
  • July 2025 (68)

Pagination

  • Previous page
  • 2
  • Next page
Powered by Drupal