Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Hanome hery anao ny Fanahy Masina

Daty
Zoma 12 September 2025

 "Ary tamin'ny hery be no nanambaran 'ny Apostoly ny nitsanganan’i Jesosy Tompo; ary fahasoavana be no tao amin'izy rehetra." - Asa. 4:33.

 Mofon’aina:
Inona no vokatry ny firotsahan'ny Fanahy tamin'ny andro Pentekôsta? Nentina hatrany amin'ny faran'ny tany nisy olona ny vaovao mahafaly momba ny Mpam onj y nitsangana tamin'ny maty. Feno fahalalahan-tanana tena lalina sy lehibe ny fon'ny mpianatra, hany ka nanosika azy ireo handeha hatrany amin'ny faran'ny tany izany, hijoro ho vavolombelona hoe: "sanatria raha mba misy hataonay rehareha afa-tsy ny hazo fijalian' i Jesosy Kristy Tompontsika."

Rehefa nitory ny fahamarinana araka izay hitany tao amin'i Kristy izy ireo, dia nilefitra teo ambanin'ny herin'izany hafatra izany ny fon'izay nandre. Olona maro no niova fo nanao andiany nanatona ny fiangonana avy amin'ny vazan-tany rehetra. Nohavaozina ny fon'ny mpino. Niray hina ny mpino sy ny mpanota nikatsaka ilay perila sarobidy. Nanjary mpitory ny filazantsara mahafatra-po ireo mpanohitra masiaka indrindra. (...) Ny tanjona tokana nokendren'ny mpino sy faniriany lalina dia ny haneho fitoviana amin'ny toetra amam-panahin'i Kristy sy ny hiasa ho fanitarana ny fanjakany. (...)

Olona an-jatony no nitory ny hafatra hoe: "efa akaiky ny fanjakan' Andriamanitra". Tsy voasakan'ny fandrahonana na fampitahorana izy ireo. Niteny tamin'ny alalany ny Tompo, ary na taiza na taiza no nalehany dia sitrana ny marary, ary nambara tamin'ny mahantra ny vaovao mahafaly. Miasa amin-kery toy izany Andriamanitra rehefa manolo-tena hofehezin'ny Fanahiny ny olona.

Ho antsika ankehitriny koa ny teny fikasana momba ny Fanahy Masina, fa tsy ho an'ireo mpianatra voalohany ihany. Homen'Andriamanitra hery avy any ambony ireo lehilahy sy vehivavy ankehitriny, tahaka ny nataony taurin' ireo izay nandre ny hafa-pamonjena tamin'ny andro Pentekôsta. Amin'izao ora sy fotoana izao, ny Fanahiny sy ny fahasoavany dia an'izay rehetra mila izany sy izay handray Azy amin'ny teniny.

Mariho fa rehefa tonga tamin'ny firaisana tanteraka ny mpianatra, ka tsy niady izay ho lohany intsony, vao nirotsaka ny Fanahy Masina. Niray saina izy rehetra. Navelany avokoa ny fahasamihafany rehetra. Ary nitovy ny fanambarana nataony rehefa nandray ny Fanahy izy ireo (...). (Asa. 4:32). Nampientana ilay vondron'ny mpino manontolo ny Fanahin'Ilay nahafoy ny ainy mba hahavelona ny mpanota. — (Australasian) UCR, 1 Jona 1904. 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 17 Jan 2026
Lesona 4: FIRAISAN-TSAINA AO ANATIN'NY FANETREN-TENA - Fampidirana.
Sun 18 Jan 2026
Lesona 4: FIRAISAN-TSAINA AO ANATIN'NY FANETREN-TENA - Fisaratsarahana tany Filipy.
Mon 19 Jan 2026
Lesona 4: FIRAISAN-TSAINA AO ANATIN'NY FANETREN-TENA - Ny loharanon’ny firaisana.
Tue 20 Jan 2026
Lesona 4: FIRAISAN-TSAINA AO ANATIN'NY FANETREN-TENA - Fanisian-javatra ao amin’ny atidoha sa fandidiana atidoha?
Wed 21 Jan 2026
Lesona 4: FIRAISAN-TSAINA AO ANATIN'NY FANETREN-TENA - Ny sain’ i Kristy.
Thu 22 Jan 2026
Lesona 4: FIRAISAN-TSAINA AO ANATIN'NY FANETREN-TENA - Ny zava-miafina ny amin’ny toe-pananahy araka an’Andriamanitra.
Fri 23 Jan 2026
Lesona 4: FIRAISAN-TSAINA AO ANATIN'NY FANETREN-TENA - Fianarana fanampiny.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 10 Jan 2026
Lesona 3:FIAINANA SY FAHAFATESANA - Fampidirana.
Sun 11 Jan 2026
Lesona 3: FIAINANA SY FAHAFATESANA - Hery tsy manam-petra.
Mon 12 Jan 2026
Lesona 3: FIAINANA SY FAHAFATESANA - Tombony ny fahafatesana.
Tue 13 Jan 2026
Lesona 3: FIAINANA SY FAHAFATESANA - Mahatoky.
Wed 14 Jan 2026
Lesona 3: FIAINANA SY FAHAFATESANA - "Maharitra amin’ny fanahy iray."
Thu 15 Jan 2026
Lesona 3: FIAINANA SY FAHAFATESANA - Miray saina sy tsy matahotra.
Fri 16 Jan 2026
Lesona 3: FIAINANA SY FAHAFATESANA - Fianarana fanampiny.
Sat 17 Jan 2026
Lesona 4: FIRAISAN-TSAINA AO ANATIN'NY FANETREN-TENA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • August 2025 (67)
  • September 2025 (58)
  • October 2025 (62)
  • November 2025 (67)
  • December 2025 (59)
  • January 2026 (41)

Pagination

  • Previous page
  • 3
Powered by Drupal