Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Ny tombambidin'ny fanahy

Daty
Talata 16 September 2025

"Tandremo ny tenanao sy ny fampianaranao, ka mahareta amin 'izany; fa raha manao izany hianao, dia hamonjy ny tenanao sy izay mihaino anao." - 1 Tim. 4:16.

Mofon’aina:
Asa tsara sady ilaina ny asa ataonao mba hanampiana ireo rahavavintsika hahatsapa fa hampamoahina eo anatrehan' Andriamanitra isam-batan'olona izy ireo. Natao tsirambina nandritra ny fotoana maharitra izany asa izany; saingy rehefa napetraka tamin'ny tsipika mazava sy tsotra ary voafaritra, dia mahazo manantena isika fa ho tanteraka amin'ny fomba feno fahendrena kokoa ireo adidy fototra ao an-tokantrano fa tsy hatao tsirambina. Tian'Andriamanitra isika hanazava tsara amin'ireo izay tsy mbola mahatakatra izany fa manana tombam-bidy lehibe ny fanahin'ny olona.

Raha azontsika atao ny mifan-damina, tahaka izao ataonao izao, mba hanofana tsara tsy an-kiato ny fiangonana ny amin'ny anjara tokony hataony amin'ny maha-mpanompon'ny Mpampianatra azy ireo, dia hanana ny aina sy ny hery ilainy, izay tsy ampy taminy efa ela, ny fiangonantsika.

Manan-danja ambony ho an'i Kristy Mpamonjintsika ny fanahy. Mandalo fotoam-pahasahiranana mafy ireo rahavavintsika noho ny ankohonany mitombo sy ny fisedrana lalovany, izay zara raha takatry ny olona. Efa ela aho no naniry hahita vehivavy ho mpanabe azy ireo, mba hanampy azy hitraka amin'ny fahakiviany sy hahatsapa fa afaka manao asa ho an'ny Tompo izy ireo. Hitahy anao sy ireo izay hiray hina aminao amin'io asa lehibe io Andriamanitra. 

Maro amin'ireo tanora sy rahavavintsika efa zokinjokiny no menatra miresaka momba ny fivavahana. Tsy raisin'izy ireo araka ny tokony ho izy io lohahevitra io. Ny Tenin'Andriamanitra no tsy maintsy ho tokiny sy fanantenany ary fiadanany. Akaton'izy ireo ny varavarankely izay tokony hosokafany manandrify ny lanitra, fa ny manandrify ny tany indray no adanadanany. Kanefa rehefa ho hitan'izy ireo ny fahambonian'ny fanahin'ny olombelona, dia hakatony ny varavarana manandrify ny tany; tsy hiantehitra amin'ny famalifaliana sy ireo fikambanana eto an-tany intsony izy ireo; hihataka sy hisaraka amin'ny hadalana sy ny fahotana izy ireo, fa hanokatra kosa ny varavarankely manandrify ny lanitra, mba hahazoan'izy ireo mandinika ireo zava-panahy. (...)

Ireo mpiasa mahita fahombiazana indrindra dia ireo izay manompo an'Andriamanitra amim-pifaliana amin'ny zavatra kely sy bitika. — RH, 9 May 1899. 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 11 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Fampidirana.
Sun 12 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Mangeja ny avonavona.
Mon 13 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Diniho ny tenanao.
Tue 14 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Mosesy, mpanompo nanetry tena.
Wed 15 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Ny zava-manafintohina indrindra.
Thu 16 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Jereo Izy.
Fri 17 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Fianarana fanampiny.
Sat 18 Apr 2026
Lesona 4: NY ANJARA ASAN'NY BAIBOLY - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 04 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Fampidirana.
Sun 05 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Endrik’Andriamanitra mazava kokoa
Mon 06 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Masina Andriamanitra.
Tue 07 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Andriamanitra dia Fitiavana.
Wed 08 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Andriamanitra ao amin’ny famoronana.
Thu 09 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Imanoela, amintsika Andriamanitra.
Fri 10 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Fianarana fanampiny.
Sat 11 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 25 Apr 2026
Lesona 5: NY FOMBA FANDINIHANA NY BAIBOLY - Fampidirana.
Sun 26 Apr 2026
Lesona 5: NY FOMBA FANDINIHANA NY BAIBOLY - Ny fotoana.
Mon 27 Apr 2026
Lesona 5: NY FOMBA FANDINIHANA NY BAIBOLY - Toerana iray.
Tue 28 Apr 2026
Lesona 5: NY FOMBA FANDINIHANA NY BAIBOLY -
Wed 29 Apr 2026
Lesona 5: NY FOMBA FANDINIHANA NY BAIBOLY -
Thu 30 Apr 2026
Lesona 5: NY FOMBA FANDINIHANA NY BAIBOLY -
Fri 01 May 2026
Lesona 5: NY FOMBA FANDINIHANA NY BAIBOLY - Fianarana fanampiny.
Sat 02 May 2026
Lesona 6: MPITOLONA AMIM-BAVAKA - Fampidirana.

Archive mensuelle

  • August 2025 (67)
  • September 2025 (58)
  • October 2025 (62)
  • November 2025 (67)
  • December 2025 (59)
  • January 2026 (85)
  • February 2026 (35)
  • March 2026 (55)
  • April 2026 (62)

Pagination

  • Previous page
  • 3
Powered by Drupal