"Fa raha izany, dia hiposaka tahaka ny fahazavan'ny maraina ny fahazavanao, ary ho tonga faingana ny fahasitrananao; ny fahamarinanao ho loha-làlanao, ary ny voninahitr'i Jehôvah ho vodi-làlanao." - Isa. 58:8.
Mofon’aina:
Ireo pasitorantsika dia tokony hahatakatra tsara ny amin'ny fanavaozana ara-pahasalamana. Tokony hahalala ny momba ny toe-batana sy ny fahadiovana izy ireo; tokony ho takatr'izy ireo ny lalàna mifehy ny fiainana ara-batana sy ny fiantraikan'izany eo amin'ny fahasalamana ara-tsaina sy ara-panahy.
An'arivorivo ireo olona zara raha mahalala ny amin'ny vatana mahatalanjona izay nomen'Andriamanitra azy, sy ny fikarakarana tokony hatao aminy. (...) Misy asa tokony hataon'ireo pasitora momba izany. Rehefa mijoro ny amin'ity Iohahevitra ity izy ireo, dia maro ny voka-tsoa ho azo. Eo amin'ny fiainan'izy ireo manokana sy ao an-tokantranony no tokony hitandremany ny lalàn'ny fiainana, ary tokony hiainany ny foto-kevitra tsara sy ny fomba fiaina ara-pahasalamana. Rehefa izany dia ho afaka miresaka araka ny tokony ho izy momba io lohahevitra io izy ireo, ka hitarika olona hisondrotra hatrany hatrany eo amin'ny asa fanavaozana. (... )
Fitahiana sarobidy sy fanandramana betsaka no ho voaray raha ampiarahin' ny pasitora amin'ny asa ataony eo anivon'ny fiangonana ny lohahevitra momba ny fahasalamana. Ilaina amin’ny ambaratonga rehetra ny asan’izy ireo. Hanampy azy ireo Andriamanitra ; Izy no hampahery ny mpanompony efa mijoro tsy hovoahozongozona sy tsy hovoatarika hiala amin’ny fahamarinana sy tsy fahitsiana mba handefitra amin’ny fahazaran-dratsy. llain'ny olona ny fahazavana momba ny fanavaozana fanavaozana ara-pahasalamana. Natao antsirambina io asa io ary maro no efa ho faty satria mila ilay fahazavana izay Tokony noraisiny ary tsy maintsy raisiny mba hahafahany mahafoy ny fahazarandratsy feno fitiavan-tena. (…)
Ireo Pasitora sy mpampianatra dia tokony hizara amin'ny hafa izay noraisiny. Ilaina amin’ny ambaratonga rehetra ny asan’izy ireo. Hanampy azy ireo Andriamanitra ; Izy no hampahery ny mpanompony efa mijoro tsy hovoahozongozona sy tsy hovoararika hiala amin’ny fahamarinana sy ny fahitsiana mba handefitra amin’ny fahazaran-dratsy.
Ny asa fanabeazana eo amin'ny sehatra misionera medikaly dia dingan-davitra iray izay tena manan-danja tokoa eo amin'ny famohazana ny olona hahatsapa ny andraikiny ara-moraly. Raha notanterahin' ireo pasitora araka ny fahazavana nomen' Andriamanita azy ity asa ity eo anivon'reo departemanta tsirairay voakasik’izany, dia ho nisy fanavaozana miavaka teo amin'ny fomba fihinana sy ny fonte fisotro ary ny fomba fitafy. - CDF, tt. 452,453.