Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Sakato tsy mahasoa

Daty
Alahady 19 October 2025

"Tsy misy fakam-panahy nahazo anareo afa-tsy izay zakan'ny olombelona; nefa mahatoky Andriamanitra ka tsy hamela anareo halaim-panahy mihoatra noho izay zakanareo; fa momba ny fakam-panahy dia hasiany lalana hahafahanareo koa mba hahazakanareo izany." - 1 Kôr. 10:13.

Mofon ‘aina :
Na eo koa aza ireo hafatra rehetra torintsika amin'ny maha-vahoaka antsika, dia mihinana be loatra isika. Ny fanaranam-po amin’ny fitiavan-kanina no antony lehibe indrindra mahatonga fikorotanan-tsaina ary fototry ny fahalemilemena izay toa hita hatraiza hatraiza.

Ny tsy fahalalana onony dia manomboka eo amin’ny latabatra fisakafoantsika, izay ihinanantsika sakafo tsy mahasalama. (…) Reraka ny taova fandevonan-kanina ary tsy mahafa-po intsony ny sakafo hohanina.

Miorim-paka ny fahazarana tsy mahasalama , ary manjary mitady sakafo manaitaitra ilay olona. Ny dite vazaha, ny kafé sy ny hena dia manaitaitra avy hatrany. Noho ny fiasan’ireo poizina dia taitaitra ny rafitry ny retsika, ary, indaindray, ao amin'iny fotoana iny dia toa matanjaka ny saina ary toa mavitribitrika ny fahafahan'ny saina mandalina. Satria miteraka vokatra mahafinaritra toy izany ireo sakafo manaitaitra dia heverin’ny maro fa tena ilainy tokoa izy ireny ka dia ampiasainy hatrany.

Kanefa misy mandrakariva ny voka-dratsy aterak’izany. Ny rafi-pitatitra, noho izy notaitairina tsy araka ny tokony ho izy, dia mampiasa ankehitriny ny hery izay tokony hampiasainy amin’ny ho avy. Izany fampahatanjahana mandalo vetivety izany dia arahina fahaketrahana. Tahaka ny nampahatanjahan'ny zavatra manaitaitra vetivety ny vatana teo no hanaketrahany ny herin'ireo taova rehefa afaka ny fiasan'ilay zavatra manaitaitra. Manjary mitady zavatra matanjatanjaka kokoa izay mampitombo hatrany hatrany ny fanaitairana mahafinaritra ny vatana, ambara-pahatonga ny fanaranam-po ho tonga fahazarana. (...)

Ny tanjona lehibe nokendren'i Kristy tamin'ny fifadian-kanina naharitra tany an’efitra dia ny hampianatra fahalalana onony. Izany ezaka izany dia tokony hanomboka eo amin’ny latabatra fisakafoanantsika ary tokony hotanterahina amin'ny fomba hentitra amin'ny lafim-piainantsika rehetra.

Nidina avy any an-danitra llay Mpanavotra izao tontolo mba hanampy antsika noho ny fahalementsika, ka noho ny hery izay nentin'i Jesôsy ho antsika, dia afaka ny hatanjaka isika mba hifehy ny filana sy ny fironan-dratsy, ary hahazo fandresena amin'ny lafiny rehetra. — TFC b. 3, tt. 487,488.

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 10 Jan 2026
Lesona 3:FIAINANA SY FAHAFATESANA - Fampidirana.
Sun 11 Jan 2026
Lesona 3: FIAINANA SY FAHAFATESANA - Hery tsy manam-petra.
Mon 12 Jan 2026
Lesona 3: FIAINANA SY FAHAFATESANA - Tombony ny fahafatesana.
Tue 13 Jan 2026
Lesona 3: FIAINANA SY FAHAFATESANA - Mahatoky.
Wed 14 Jan 2026
Lesona 3: FIAINANA SY FAHAFATESANA - "Maharitra amin’ny fanahy iray."
Thu 15 Jan 2026
Lesona 3: FIAINANA SY FAHAFATESANA - Miray saina sy tsy matahotra.
Fri 16 Jan 2026
Lesona 3: FIAINANA SY FAHAFATESANA - Fianarana fanampiny.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 03 Jan 2026
Lesona 2: ANTON’NY FISAORANA SY NY FIVAVAHANA - Fampidirana.
Sun 04 Jan 2026
Lesona 2: ANTON’NY FISAORANA SY NY FIVAVAHANA - Fitomboana ao amin’ny Filazantsara.
Mon 05 Jan 2026
Lesona 2: ANTON’NY FISAORANA SY NY FIVAVAHANA - Ireo antombavak’i Paoly.
Tue 06 Jan 2026
Lesona 2: ANTON’NY FISAORANA SY NY FIVAVAHANA - Fampiharana ny fahaiza-manavaka ara-panahy.
Wed 07 Jan 2026
Lesona 2: ANTON’NY FISAORANA SY NY FIVAVAHANA - Voan’ny Filazantsara.
Thu 08 Jan 2026
Lesona 2: ANTON’NY FISAORANA SY NY FIVAVAHANA - Ny herin’ny vavaka.
Fri 09 Jan 2026
Lesona 2: ANTON’NY FISAORANA SY NY FIVAVAHANA - Fianarana fanampiny.
Sat 10 Jan 2026
Lesona 3:FIAINANA SY FAHAFATESANA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (68)
  • August 2024 (106)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal