Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Mahasalama ny lalàn'ny zavaboary

Daty
Talata 21 October 2025

"Aoka tsy hisy olona hanao tsinontsinona anao noho ny hatanoranao; fa aoka ho tonga fianarana ho an'ny mino hianao, amin'ny fiteny, amin 'ny fitondrantena, amin'ny fitiavana, amin'ny finoana, amin 'ny fahadiovana." - 1 Tim. 4:12.

Mofon’aina :

Tsy misy iray ao anatin'ny arivo, na manambady na tsia,no mahatsapa ny maha-zava-dehibe ny fahazarana madio,ny fitandroana ny fahadiovan'ny vatana sy ny saina. Miharihary fa ny rofy sy ny aretina dia vokatry ny tsi-fankatoavana ny natiora sy ny fanaovana tsirambina ny lalàn'ny aina sy ny fahasalamana. Ny trano onenantsika no tokony hokolokolointsika ho fanomezam-boninahitra an' Andriamanitra izay namonjy antsika. Tokony ho haintsika ny mikolokolo ny fiasan'ireo taova samihafa, mba ho voatokana ho amin' ny fanompoana an'Andriamanitra ny fanahy, ny vatana sy ny saina. (...)

Na dia efa mampianatra momba ny vatana sy ny fiasany aza ireo sekoly naorintsika, dia tsy araka ny fahavitrihana tokony hananany no ampianarany izany. Tsy nampihariny am-pisainana ny fahalalana noraisiny. Ary tsy tsapan'izy ireo fa raha tsy hampiharina izany dia hihasimba ny vatana.

Na eo aza ny hazavana mipariaka avy amin'ny Soratra Masina (...) dia mbola tsinontsinoavi n'ny maro ireo lesona nosoratan'ireo izay Ataon'ny olona an-tsirambina ny fomba fisakafony ankapobeny; mitombo ny fifohana sigara sy fisotroan-toaka, ary maro ireo mikiry amin'ny fihinanan-kena. (...)

Fananan'ny Tompo ianao - Azy satria noforoniny sady navotany. "Tiava ny namanao tahaka ny tenanao." Tokony hoheverina ny lalàn'ny fanajan-tena, satria fananan'Andriamanitra ny tena. Ary izany dia hitarika ho amin'ny fanajana ny adidy nankinina amin'ny olombelona tsirairay, dia ny hikolokolo ny vatana izay mahatalanjona sy

mahatahotra ny nanaovana  azy. Tokony ho takatra ny fomba fiasan'ny tenan'olombelona. Tokony hianarana amin'ny tsipiriany ny firindran'ny fiasan'ireo taova samihafa. (...)

I Jesôsy Kristy no Mpamorona antsika. Izy no namolavola antsika. Izy no namorona ny firafitry ny tenan'olombelona. Izy no nanoratrany lalàn'ny fizika sy ny lalàn'ny moraly. Ary ny olombelona izay manao tsirambina sy manao tsinontsinona ny fahazarana sy izay tokony hatao momba ny fiainana ara-batana sy ny fahasalamana dia manota eo anatrehan'Andriamanitra. - KC, tt. 45,46.

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 21 Feb 2026
Lesona 9: FAMPIHAVANANA SY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Fampidirana.
Sun 22 Feb 2026
Lesona 9: FAMPIHAVANANA SY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Fahiny (…) tamin’ny fanaovan-dratsy, (…) no efa nampihavaniny ankehitriny.
Mon 23 Feb 2026
Lesona 9: FAMPIHAVANANA SY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Raha maharitra amin’ny finoana hianareo.
Tue 24 Feb 2026
Lesona 9: FAMPIHAVANANA SY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Drafitra mandrakizain’Andriamanitra.
Wed 25 Feb 2026
Lesona 9: FAMPIHAVANANA SY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Zava-miafin’Andriamanitra nampahafantarina.
Thu 26 Feb 2026
Lesona 9: FAMPIHAVANANA SY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Ny herin’ny Filazantsara.
Thu 26 Feb 2026
Lesona 9: FAMPIHAVANANA SY FANAΝΤΕΝΑΝΑ -
Fri 27 Feb 2026
Lesona 9: FAMPIHAVANANA SY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Fianarana fanampiny.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 14 Feb 2026
Lesona 8: I KRISTY, AMBONIN'NY ZAVATRA REHETRA - Fampidirana
Sun 15 Feb 2026
Lesona 8: I KRISTY, AMBONIN'NY ZAVATRA REHETRA - Endrik’ilay Andriamanitra tsy hita.
Mon 16 Feb 2026
Lesona 8: I KRISTY, AMBONIN'NY ZAVATRA REHETRA - Lahimatoa talohan’izao zavatra ary rehetra izao.
Tue 17 Feb 2026
Lesona 8: I KRISTY, AMBONIN'NY ZAVATRA REHETRA - Lohan’ny fiangonana.
Wed 18 Feb 2026
Lesona 8: I KRISTY, AMBONIN'NY ZAVATRA REHETRA - Ilay "Voalohany"(no sady Loha).
Thu 19 Feb 2026
Lesona 8: I KRISTY, AMBONIN'NY ZAVATRA REHETRA - Mampihavana ny rehetra aminy.
Fri 20 Feb 2026
Lesona 8: I KRISTY, AMBONIN'NY ZAVATRA REHETRA - Fianarana fanampiny.
Sat 21 Feb 2026
Lesona 9: FAMPIHAVANANA SY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • August 2025 (67)
  • September 2025 (58)
  • October 2025 (62)
  • November 2025 (67)
  • December 2025 (59)
  • January 2026 (85)
  • February 2026 (24)

Pagination

  • Previous page
  • 3
Powered by Drupal