Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Mampazava ny saina ny fahalalana onony

Daty
Zoma 24 October 2025

"Ary Andriamanitry ny fadanana anie hahamasina anareo samy ho tanteraka, ka aoka harovana avokoa ny fanahinareo sy ny ainareo ary ny tenanareo ho tanteraka ka tsy hanan-tsiny amin’ny fihavian’i Jesôsy Kristy Tompontsika."- 1 Tes. 5:23.

Mofon’aina:
Miantso antsika ny Apôstôly manao hoe : "Mangataka aminareo aho, ry rahalahy, noho ny famindrampon 'Andriamanitra, mba hatolotrareo my tenanareo ho fanatitra velona, masina, sitrak'Andriamanitra, dia fanompoam-panahy mety hataonareo izany."- Rôm. 12:1.

Rehefa ataontsika fahazarana ny fomba fihinana sy fisotro izay mampihena ny tanjatsika ara-batana sy ara-tsaina, na avelantsika hahazo vahana ny fahazarana mitondra voka-dratsy toy izany, dia manala baraka an'Andriamanitra isika, satria tsy tanterahintsika ny fanompoana izay takiny amintsika. Ireo izay manjary zatra sy manome vahana ny filana tsy voajanahary hifoka sigara na hihinana paraky dia hizaka ny voka-dratsiny eo amin'ny fahasalamany. Manimba ny angovom-pitatitra ao amin'ny tenany izy ireo, ary mampihena ny herim-batana sy manimba ny herin-tsainy.

Ireo izay milaza ny tenany ho mpanara-dia an'i Kristy kanefa mamela izany izany fahotana mandoza izany hamitsaka eo am-baravarany dia tsy afaka hahatakatra mazava ny fanavotana ary tsy hahay hanombana araka ny fahamboniany ny zavatra izay maharitra mandrakizay. Ny saina izay takona sy voan'ny paralysisa noho ny zava-mahadomelina dia mora resin'ny fakam-panahy ary tsy afaka hanana firaisana amin' Andriamanitra.

Ireo mifoka sigara na mihinam-paraky dia voatarika mora foana amin'ny fisotroan-toaka. Ny androatokon'ny mpisotro toaka eto amin'ny firenentsika dia ny fifohana sigara no nisarika azy hanao izany. Ireo izay milaza fa tsy mampaninona azy ny mifoka sigara dia hahatsapa ny fahadisoan-keviny raha rarana tsy hampiasa izany mandritra ny andro vitsivitsy; ny fitatitra mangovitra, ny aretin'an-doha, ny hakizitinana, dia hanaporofo aminy fa manandevo azy io fanaranam-po feno fahotana io. Resin’i Satana  ny herin’ny sitrapony. (...)

Ny ohatra nasehon'i Kristy, nandritra ny fifadian-kanina ela nataony tany an'efitra, dia tokony hampianatra ireo mpanara-dia Azy hanohitra an'i Satana rehefa avy manatona miafina ao ambadiky ny filana izy. (...) Toy izao no ahazoan'ny Kristianina antoka ny fahasalamany sy ny fahasambarany: ny fiainana madio sy milamina, ny saina mazava tsy misy pentina eo anatrehan' Andriamanitra. - ST, 6  Janoary 1876

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 03 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Fampidirana.
Sun 04 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Abrahama mpitandrina ny fanekena.
Tue 06 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Isaia ilay mpaminanin’i Filazantsara.
Wed 07 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - DANIELA, ilay mpanampy mahatoky.
Thu 08 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - JAONA Mpanao batisa, manomana vahoaka iray.
Fri 09 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Nantsoina hanao ny asan’ny Mpamonany.l
Sat 10 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Fampidirana.
Sun 11 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Olombelona ny mpaminany.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 26 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Fampidirana.
Sun 27 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Ny fifandrraisana tany Edena.
Mon 28 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Niery an’Andriamanitra.
Tue 29 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Mitady ny olombelona Andriamanitra.
Wed 30 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Voaroaka tao amin’ny saha.
Thu 01 Oct 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Mpitondra tenin’Andriamanittra.
Fri 02 Oct 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Fianarana fanampiny.
Sat 03 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • August 2025 (67)
  • September 2025 (58)
  • October 2025 (62)
  • November 2025 (67)
  • December 2025 (59)
  • January 2026 (85)
  • February 2026 (35)
  • March 2026 (55)
  • April 2026 (69)
  • May 2026 (73)

Pagination

  • Previous page
  • 3
  • Next page
Powered by Drupal