Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Fampidirana.

Daty
Sabotsy 25 October 2025

FAMPIDIRANA 

Hodinihina mandritra ny herinandro: Gen. 15:16; Lev. 18:24-30; 2 Tim. 4:1,8; Eks. 23:28-30; Deo. 20:10, 15-18; Isa. 9:6.

Tsianjery:

"Ary ireo mpanjaka rehetra ireo sy ny taniny dia azon'i Josoa indray mandeha, satria Jehôvah, Andriamanitry ny Isiraely, no niady ho an'ny Isiraely."- Jos. 10:42

Ahitana toe-javatra vitsivitsy manahiran-tsaina ao amin'ny bokin'i Josoa. Miteraka fanontaniana manan-danja ny hevitra mahakasika ny ady masina, izay ahitana vondron'olona nomen'Andriamanitra baiko mba handringana vondron'olona iray hafa.

Saro-takarina ny momba ny ady masina ao amin'ny TT. Ny fahitana an'Andriamanitra ao mantsy dia Tompo sy Mpanjakan'izao rehetra izao, ka ny zavatra rehetra izay mitranga, araka izany, dia heverina fa araka ny Sitrapony mivantana na tsia. Noho izany, dia manjary tsy azo ihodivirana ny fanontaniana manao hoe: "Nahoana moa no avelan'Andriamanitra hiseho ny zavatra tahaka izany?" Hitantsika tamin'ny herinandro lasa fa Andriamanitra mihitsy no mandray anjara ao anatin'ny ady anankiray izay lehibe lavitra noho ny ady rehetra mety atrehina eo amin'ny tantaran'ny olombelona, ady izay mahakasika ny lafim-piainantsika tsirairay izany. Hitantsika koa fa miorina amin'ny fahatakarana io fifanandrinana io ny fahatakarana amin'ny fahafenoany ireo toe-javatra niseho tao amin'ny Baiboly sy eo amin'ny tantaran'izao tontolo izao.

Hotohizantsika amin'ity herinandro, ity ny fandinihana lalindalina kokoa momba ny ady izay ankasitrahan'Andriamanitra, ny fetran'izany ady masina izany sy ny fepetra mikasika azy, ny fahitana hitan'ireo mpaminanin'ny TT momba ny fiadanana amin'ny hoavy ary ny tsoa-kevitra ara-panahy azo raisina avy amin'ireny ady ireny.

*Famerenana ny lesona ny sabata 01 Novambra.

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 10 Jan 2026
Lesona 3:FIAINANA SY FAHAFATESANA - Fampidirana.
Sun 11 Jan 2026
Lesona 3: FIAINANA SY FAHAFATESANA - Hery tsy manam-petra.
Mon 12 Jan 2026
Lesona 3: FIAINANA SY FAHAFATESANA - Tombony ny fahafatesana.
Tue 13 Jan 2026
Lesona 3: FIAINANA SY FAHAFATESANA - Mahatoky.
Wed 14 Jan 2026
Lesona 3: FIAINANA SY FAHAFATESANA - "Maharitra amin’ny fanahy iray."
Thu 15 Jan 2026
Lesona 3: FIAINANA SY FAHAFATESANA - Miray saina sy tsy matahotra.
Fri 16 Jan 2026
Lesona 3: FIAINANA SY FAHAFATESANA - Fianarana fanampiny.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 03 Jan 2026
Lesona 2: ANTON’NY FISAORANA SY NY FIVAVAHANA - Fampidirana.
Sun 04 Jan 2026
Lesona 2: ANTON’NY FISAORANA SY NY FIVAVAHANA - Fitomboana ao amin’ny Filazantsara.
Mon 05 Jan 2026
Lesona 2: ANTON’NY FISAORANA SY NY FIVAVAHANA - Ireo antombavak’i Paoly.
Tue 06 Jan 2026
Lesona 2: ANTON’NY FISAORANA SY NY FIVAVAHANA - Fampiharana ny fahaiza-manavaka ara-panahy.
Wed 07 Jan 2026
Lesona 2: ANTON’NY FISAORANA SY NY FIVAVAHANA - Voan’ny Filazantsara.
Thu 08 Jan 2026
Lesona 2: ANTON’NY FISAORANA SY NY FIVAVAHANA - Ny herin’ny vavaka.
Fri 09 Jan 2026
Lesona 2: ANTON’NY FISAORANA SY NY FIVAVAHANA - Fianarana fanampiny.
Sat 10 Jan 2026
Lesona 3:FIAINANA SY FAHAFATESANA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (68)
  • August 2024 (106)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal