Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Fandroahana sa fandringanana?

Daty
Talata 28 October 2025

FANDROAHANA SA FANDRINGANANA?

Ampitahao amin'ny Eks. 34:13 ny Eks. 23:28-30: Eks. 33:2; Eks. 34:11; Nom. 33:52 ary ny Deo. 7:20. Ampitahao koa ny Deo. 7:5; Deo. 9:3; Deo. 12:2,3 ary ny Deo. 31:3,4. Inona no ambaran irea toko sy andininy ireo mikasika ny tanjon'ny ady hakana ny tany, ary hatraiza ny faharavana nisy?

Tsy fandringanana tsy akory no fikasan Andriamanitra tany am-piandohana ho an'ireo Kananita, fa fandroahana azy ireo teo amin'ny taniny. Rehefa dinihina ireo lahatsoratra milazalaza ny fomba nasaina nataon'ny Isiraely nandritra ireo ady mba hakana ny tany, dia voambolana mifandraika amin'ny fakana ny tanin'ireo mponina teo amin'ilay tany nampanantenaina sy ny fandroahana azy ireo no armpiasaina ao. Ny vondron-teny faharoa izay miresaka momba ny fandravana sy mampanao izany asa izany ny isiraely indray dia manondro indrindra ireo zavatra tsy manana aina, toy ireo zavatra mifandraika amin'ny fivavahana amin'ny sampy sy ireo sampy natao horavana. Hita miharihary fa ny toeram-pivavahana amin'ny sampy sy ireo alitara samihafa no tena ivon'ny fivavahana kananita.

Nifantoka indrindra tamin'ny kolontsaina sy ny fiarahamonina feno faharatsiana tao Kanana ny ady masina. Mba tsy hianahan'izany fahalovana izany, dia nasaina noravan'ny Isiraely ireo zavatra rehetra izay mety hampiely azy. Ireo mponina rehetra tao Kanana kosa, sy ireo olona izay nanaiky ny fanapahan Andriamanitra sy ny fahefany talohan'ny fakana ilay tany, na koa nandritra ny ady mihitsy aza, dia afaka nandositra ka nifindra monina (Jos. 2:9-14; ampitahao amin'ny Mpits. 1:24-26). Ny hany ampahana Kananita niharan'ny fandravana dia ireo izay nijanona tao anatin'ireo tanana mimanda, ireo izay nikiribiby nanohitra ny drafitr Andriamanitra ho an'ny Isiraelita sy nanamafy ny fony (Jos. 11:19,20).

Na izany aza, dia misy fanontaniana mipetraka ihany manoloana izany: raha toa ka ny handroaka ireo mponina tao amin'ny tany fa tsy ny handringana azy ireo no tanjon'ny fakana an'i Kanana tany am-boalohany, nahoana àry ny Isiraelita no tsy maintsy namono olona marobe tokoa?

Nasehon'ny fandinihana ireo andalan-tSoratra Masina mifandraika amin'ny fakana ny tany Kanana fa ny fikasana tany am-piandohan'ny ady dia ny handroaka ireo mponina kananita. Nanamafy fo anefa ny ankamaroan'izy ireo, tahaka an'i Farao tany Egypta; nifandray tendro loatra tamin'ny kolontsaina tao koa izy ireo ka ny fandravana ny kolontsainy dia nidika ho fandringanana azy niaraka tamin'izany koa.

Inona ny lafin-toetranao na fahazaranao izay tokony hesorina hatramin'ny fakany sy hofoanana tanteraka?

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 10 Jan 2026
Lesona 3:FIAINANA SY FAHAFATESANA - Fampidirana.
Sun 11 Jan 2026
Lesona 3: FIAINANA SY FAHAFATESANA - Hery tsy manam-petra.
Mon 12 Jan 2026
Lesona 3: FIAINANA SY FAHAFATESANA - Tombony ny fahafatesana.
Tue 13 Jan 2026
Lesona 3: FIAINANA SY FAHAFATESANA - Mahatoky.
Wed 14 Jan 2026
Lesona 3: FIAINANA SY FAHAFATESANA - "Maharitra amin’ny fanahy iray."
Thu 15 Jan 2026
Lesona 3: FIAINANA SY FAHAFATESANA - Miray saina sy tsy matahotra.
Fri 16 Jan 2026
Lesona 3: FIAINANA SY FAHAFATESANA - Fianarana fanampiny.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 03 Jan 2026
Lesona 2: ANTON’NY FISAORANA SY NY FIVAVAHANA - Fampidirana.
Sun 04 Jan 2026
Lesona 2: ANTON’NY FISAORANA SY NY FIVAVAHANA - Fitomboana ao amin’ny Filazantsara.
Mon 05 Jan 2026
Lesona 2: ANTON’NY FISAORANA SY NY FIVAVAHANA - Ireo antombavak’i Paoly.
Tue 06 Jan 2026
Lesona 2: ANTON’NY FISAORANA SY NY FIVAVAHANA - Fampiharana ny fahaiza-manavaka ara-panahy.
Wed 07 Jan 2026
Lesona 2: ANTON’NY FISAORANA SY NY FIVAVAHANA - Voan’ny Filazantsara.
Thu 08 Jan 2026
Lesona 2: ANTON’NY FISAORANA SY NY FIVAVAHANA - Ny herin’ny vavaka.
Fri 09 Jan 2026
Lesona 2: ANTON’NY FISAORANA SY NY FIVAVAHANA - Fianarana fanampiny.
Sat 10 Jan 2026
Lesona 3:FIAINANA SY FAHAFATESANA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (68)
  • August 2024 (106)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal