"Vokiso ny famindramponao nony maraina izahay, mba hihobianay sy hifalianay amin'ny andro rehetra hiainanay." – Sal. 90:14.
Mofon’aina:
Raha toa ka tsapan'ny vahoakan'Andriamanitra ny fitondrany azy ireo sy ny fampianarany, dia hahita lalana mahitsy ho an'ny tongony sy fahazavana mitarika azy ireo ao anatin'ny haizina sy ny fahakiviana izy ireo. Nahazo fahendrena avy tamin'ny fitondran'Andriamanitra azy i Davida, ka nilefitra tamim-panetren-tena teo ambanin'ny famaizan'ny Avo Indrindra. Ny fanehoan'i Natalia ny toetran'i Davida marina dia nahatonga an'i Davida hahalala ny fahotany sy nanampy azy hiala tamin' izany. Noraisiny tamim-pahalemem-panahy ny torohevitra nomena azy, ary naetriny teo anatrehan'Andriamanitra ny tenany. Hoy izy: "Tsy misy tsiny ny lalàn' i Jehôvah , mamelombelona ny fanahy" – Sal. 19:7.
Ho an'ny mpanota mibebaka dia tsy misy antony tokony hamoizam-po rehefa ampahatsiahivina azy ny fahadisoany ary ampitandremana ny amin'ny loza mandindona azy izy. Miseho amin'ireo ezaka atao ho azy ireo fa tena tia azy Andriamanitra, ka maniry hamonjy azy. Ilain'izy ireo fotsiny ny manaraka ny toroheviny sy ny manao ny sitrapony mba handovany ny fiainana mandrakizay. Asehon'Andriamanitra eo anatrehan'ny olony mpaniasia ny fahotan'izy ireo, mba hahafahan' izy ireo mibanjina ny halehiben'izany eo ambanin'ny fahazavan'ny fahamarinana avy amin'Andriamanitra. Ary anjaran' izy ireo amin'izay ny miala amin'izany mandrakizay.
Ankehitriny dia mbola mahavonjy antsika ho afaka amin'ny fahotana Andriamanitra, tahaka ny tamin'ny andron'ireo patriarika. (...) ireo trangan-javatra maro voarakitra ao amin'ny tantara masina, izay maneho ny nanafahan'Andriamanitra ny olona tamin'ny fahadisoany, no tokony hahatonga ny Kristianina ankehitriny ho dodona handray ny toromarika avy amin'Andriamanitra sy hafana fo hikatsaka toetra tonga lafatra izay hahajoro amin'ny fitsarana famotopotorana akaiky. (...)
Rehefa mahita ny olona hafa izay nitolona tao anatin'ny fahakiviana tahaka antsika isika, izay lavo tao anatin'ny fakam-panahy tahaka antsika koa, kanefa tafarina ihany ary notahin'Andriamanitra, dia tsy misy tokony hahakivy antsika. Mampahery sy mampitraka ny fanahy mpaniasia ireo teny avy tamin'ny tsindrimandrin'Andriamanitra.
Na dia nanana ny fahalemen' olombelona aza ireo patriarika sy ireo apostoly, noho ny finoany dia nahazo laza tsara izy ireo, niady ny adiny tamin'ny herin'ny Tompo, ary nandresy tamim-boninahitra. – TFC, b. 4, tt. 14,15.