Vakio ny 1 Kor. 9:1-6. Ahoana no anomezan'ireo andininy ireo ohatra mivaingana momba ny atao hoe fandavan-tena vokatry ny fitiavana?
Raha vao jerena dia toa tsy misy ifandraisany amin'ny resaka teo aloha momba ny fahalalana sy ny fitiavana ny fiarovan'i Paoly ny maha-apostoly azy ao amin'ny 1 Kor. 9. Tsy azontsika adinoina anefa fa tsy nisy fizarazarana ho toko ny nanoratana ny Baiboly tany am-piandohana. Tsy misaraka amin'ireo lahatsoratra teo aloha ny ampianarin'i Paoly ao amin'ny 1 Kor. 9. Raha ny marina, manome ohatra mivaingana momba ny fitiavana tsy mitady ny azy i Paoly ao amin'ny ny 1 Kor. 9, dia ny fitiavana an'i Kristy sy ny rahalahy. Nafoin'i Paoly ireo zony vitsivitsy noho ny fitiavana.
« Mihinana sy misotro» (1 Kor. 9:4). Eto ny hanina sy ny fisotro dia maneho ny fanampiana ara-bola ankapobeny. Nanana zo hahazo ny fanohanana ara-nofo avy amin'ireo nanaovany asa fanompoana i Paoly amin'ny maha-apostoly azy. Fanao indrindra izany teo amin'ireo mpitondra fivavahana hafa tamin'ny androny. Saingy tsy nanao izany i Paoly; fa ny fanamboarana lay no nataony asa fivelomana (Asa. 18:3).
« Mitondra vady izay isan'ny mino» (1 Kor. 9:5). Azon'ny apostoly manambady natao ny manao dia misionera miaraka amin'ny vadiny, ary ny fiangonana по miantoka ny fandaniana. Ohatra amin'ireo mpivady misionera i Prisila sy Akoila (Rôm. 16:3), i Androniko sy Jonia (Rom. 16:7). Fa tsy nanambady kosa i Paoly (1 Kor. 7:8). Azony natao anefa ny nanambady ary avy eo nisitraka ny zo harahin'ny vady, miaraka amin'ny fanohanana ara-bola azy roa.
«Tsy mahazo mitsahatra tsy miasa» mba hivelomana (1 Kor. 9:6). Nanan-jo handray karama noho ny asa misionera nataony i Paoly sy Barnabasy (1 Kor. 9:4-6). Mpanao lay no asa fiveloman'i Paoly (Asa. 18:3), fa tsy fantatsika izay asan'i Barnabasy. Fantatsika kosa fa tena malala-tanana izy (Asa. 4:36,37), ary noho izany, vonona izy hizaka tena.
Nanazava ny heviny tao amin'ny 1 Kor. 9:6 i Paoly ao amin'ny 1 Kor. 9:7-11, mba hanehoana fa rariny raha ny fiangonana no mamelona azy sy i Barnabasy (1 Kor. 9:11,12). Ny Tompo mihitsy no nandidy hoe: «Izay mitory ny filazantsara dia hahazo fivelomana amin'ny filazantsara.» - 1 Kor. 9:14 (ampitahao amin'ny 1 Tim. 5:18). Hoy anefa i Paoly: «Tsy nanampatra izany fahefana izany izahay» - 1 Kor. 9:12. Koa naneho ny tenany ho ohatra maneho fandavan-tena i Paoly (1 Kor. 9:1-18), ary nilaza fa mahasoa ny fitoriana ny filazantsara aoKorinto izany (1 Kor. 9:19-23).
Inona avy ireo zavatra izay mety ho zonao tokoa, nefa tsara kokoa raha hafoinao mba hampahomby kokoa ny asa ataonao ho an'ny Tompo?