Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Fantany ny ondriny tsirairay

Daty
Alatsinainy 01 December 2025

"Lazaiko aminareo fa hisy fifaliana toy izany any an-danitra ny amin'ny mpanota iray izay mibebaka noho ny amin'ny olona marina sivy amby sivi-foio, izay tsy misy tokony hibebahany. " - Lio. 15:7.

Mofon’aina:
Ny mpitandrina dia tokony ho mpiandry ondry. Antsoina hoe Lohan'ny Mpiandry Ilay Mpanavotra antsika. (...) Na amin'ny toerana ambany isika na amin'ny toerana ambony, na eo amin'ny aloky ny toe-java-tsarotra na eo amin'ny tara-pahazavan'ny fiadanana, dia ondriny, andian'ondry tandremany, ary eo ambany fiahian' ilay Lohan'ny mpiandry. 

Ny Lohan'ny mpiandry dia manana mpiandry tarihiny, izay hamindrany fahefana hiahy ny ondriny sy ny zanak'ondriny. Tsy misy very izay eo ambany fiahian'llay Mpiandry lehibe, ary Izy dia tsy manilikilika na dia izay malemy indrindra amin'ny andian'ondriny aza. Ny fanoharana mahafinaritra momba ny ondry very izay nataon'i Kristy, mitantara ilay mpiandry nandao ny sivy amby sivifolo ka nitady ilay very, dia sary maneho ny fikarakarana ataon'ilay Mpiandry lehibe. (...)

Mamerimberina manisa ireo andian' ondriny izy, ary rehefa azony antoka fa very ny ondry iray, dia tsy mitaredretra izy. Ilaozany ireo sivy amby sivifolo ao am-bala. Ary na dia maizina sÿ feno tafio-drivotra aza ny alina, na dia mikisilasila sy mampidi-doza aza ny lalana, (...) dia tsy kivy izy na sasatra, fa mitady mandra-pahitana ilay very.

(...) Rehefa hita kosa ilay ondry (...) rahonany sy kapohiny ve, na sintoniny hankeo aminy mba hitanisany ny fahoriana sy ny horohoro ary ny tebiteby nanjo azy teo am-pitadiavana azy? Tsia, fa ataony eo an-tsorony ilay ondry efa ana sy reraka nirenireny, ka amim-pifaliana sy amim-pankasitrahana no hamerenany azy ao am-bala satria tsy very maina ny fikarohana nataony. (...)

Rehefa hita ilay very dia miombom-pifaliana sy haravoana ny lanitra sy ny tany manontolo. (...) Hoy i Jesosy: "Izaho no Mpiandry Tsara; aryfantatro ny Ahy, sady fantany Aho. "- Jao. 10:14. Tahaka ny ahalalan'ny mpiandry ety an-tany ny ondriny no ahalalan'ilay Lohan'ny mpiandry ny andian'ondriny izay manerana an'izao tontolo izao. — RH, 23 Aogôsitra 1892. 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 13 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Fampidirana
Sun 14 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - "Tanteraka avokoa izany rehetra izany"
Mon 15 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Hoavy mampanahy
Tue 16 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Faritra mazava mampisaraka
Wed 17 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Ny fahatezeran’i Jehôvah
Thu 18 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Mifikira amin’Andriamanitra
Fri 19 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Fianarana fanampiny
Sat 20 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Fampidirana

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 06 Dec 2025
Lesona 11: MONINA EO AMIN’NY TANY - Fampidirana
Sun 07 Dec 2025
Lesona 11: MONINA EO AMIN’NY TANY - Fanoloran-tena
Mon 08 Dec 2025
Lesona 11: MONINA EO AMIN’NY TANY - Fiampangana
Tue 09 Dec 2025
Lesona 11: MONINA EO AMIN’NY TANY - Mbola mibahana ao an-tsaina ny lasa
Wed 10 Dec 2025
Lesona 11: MONINA EO AMIN’NY TANY - Famaliana Mora
Thu 11 Dec 2025
Lesona 11: MONINA EO AMIN’NY TANY - Famahana ny fifandirana
Fri 12 Dec 2025
Lesona 11: MONINA EO AMIN’NY TANY - Fianarana fanampiny
Sat 13 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Fampidirana

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 20 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Fampidirana
Sun 21 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Teo ianareo.
Mon 22 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Amin’ny fahitsiana sy ny fahamarina
Tue 23 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Afaka misafidy ny hanompo
Wed 24 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Loza mifandraika amin’ny fanompoan-tsampy
Thu 25 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Tsara fiafara
Fri 26 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Fianarana fanampiny

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (68)
  • August 2024 (106)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal