Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Fiovana miseho amin'ny fiainana

Daty
Alakamisy 04 December 2025

 "Dia hofafazako rano madio hianareo, ka hadio; ny mba ho afaka amin'ny fahalotoanareo rehetra sy ny sampinareo rehetra no hanadiovako anareo. Ary homeko fo vaovao hianareo, ary fanahy vaovao no hataoko ao anatinareo, ary hesoriko amin'ny nofonareo ny fo vato, ka homeko fo nofo hianareo." — Ezek. 36:25,26.

Mofon’aina:
Maro no milaza fa ilaina ny manana fo vaovao, nefa na izy ireo aza dia tsy mahalala akory ny tena hevitr'ireo teny ireo. Ny tanora matetika no tena tsy mahatakatra io teny hoe "fo vaovao" io. Tsy fantatr'izy ireo ny tena heviny. Mitady fiovana manokana izy eo amin'ny fihetseham-pony ka izany no antsoiny hoe fiovam-po. (...)

Tarihin'i Satana ny olona hihevitra fa rehefa miakatra ny fatran'ny fihetseham-po dia izany no atao hoe niova fo. Tsy miova anefa ny fanandramany. (...) Tsy misy fanehoana voa tsara eo amin'ny fiainany. Mivavaka matetika sy maharitra izy ireo, ary tsy mitsahatra mandray ohatra ny amin'ireo fahatsapana henony tamin'ny fotoana toy izao sy toy izao saingy tsy mbola miaina fiainam-baovao. Voafitaka izy ireo. (...)

Rama miresaka momba ny fo vaovao i Jesosy, dia ny saina sy ny fiainana ary ny maha-olona manontolo no tiany hambara. Ny hoe miova fo dia manaisotra ny fitiavana hiala amin' izao tontolo izao ka mampifantoka izany amin'i Kristy. (...) Inona no famantarana fa voaova ny fo? Ny fiainana voaova. Misy ny fahafatesana amin'ny fitiavan-tena sy ny avonavona isan'andro sy isan'ora.

Misy manao fahadisoana lehibe ka mihevitra fa mahasolo toerana ny tena fanompoana ny fanambarana miezinezina atao. Saingy tsy tena izy ny fivavahana tsy misy fampiharana. Ny tena fiovam-po marina dia mitarika antsika ho mahitsy indrindra eo amin'izay rehetra ataontsika amin'ny hafa, ary mahatonga antsika ho mahatoky eo amin'ny asantsika andavanandro. (...)

 Ny filamatra ambony izay ampiharina eo amin'ny asa no hahatonga izany ho azo ekena manontolo eo imason'Andriamanitra. Ny tena fanompoana marina no mampiray ny mpanompon' Andriamanitra ety an-tany amin'ireo mpanompo ambony indrindra any amin'ny lapan'ny lanitra. — YI, 26 Septambra 1901. 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 14 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Fampidirana.
Sun 15 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Ny mpivady.
Mon 16 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Ny ray amandreny sy ny zanaka.
Tue 17 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Ny fifandraisana araka asa.
Wed 18 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Mifampivavaka.
Thu 19 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Mandeha amin’ny fahendrena.
Fri 20 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA -

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 07 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Fampidirana.
Sun 08 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Misaina ny zavatra any ambony.
Mon 09 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Atsaharo ny fisainana momba ny tany.
Tue 10 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Havaozina ho amin’ny fahalalana tsara.
Wed 11 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Ny toetry ny fiainam-baovao.
Thu 12 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Fiainam-baovao.
Fri 13 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Fianarana fanampiny.
Sat 14 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (67)
  • August 2024 (106)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal