Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Aza miandry ela loatra

Daty
Sabotsy 06 December 2025

  "Kanefa manan-teny aminao Aho, satria efa niala tamin 'ny fitiavanao voalohany hianao. Koa tsarovy izay nitoeranao fony tsy mbola lavo, dia mibebaha, ka manaova ny asa voalohany; fa raha tsy izany, dia ho avy aminao Aho ka hamindra ny fanaovan-jironao hiala amin 'ny fitoerany, raha tsy mibebaka hianao." - Apôk. 2:4,5.

Mofon’aina: 
Izay rehetra mandre ny Filazantsaran'ny fahasoavana . miantso azy ho amin'ny fi bebahana, nefa tsy miraharaha izany, hoy ny Tompo, dia meloka Iavitra noho ny olona nonina tao amin' ireo tanàna sy vohitr'i Jordana. Ratsy lehibe lavitra, sady tsy azom-panafana, no vitan'ireo olona milaza azy ho mahalala an'Andriamanitra sy mitandrina ny didiny, nefa manda izany amin'ny toetrany sy ny fiainany andavanandro. Ny filazalazana nataon'i Jesosy momba ny nanjo an'i Sodoma dia mirakitra fampiomanana lehibe sady hentitra, tsy ho an'izay mahavita fahotana mahavoafady ihany fa ho an'izay rehetra manao tsinontsinona ny antson' Andri aman itra koa. 

( ...) Manoatra lavitra noho ny tangorahan'ny Mpamonjy ireo izay andrasany harnaly ny antsom-pitiavany ny famelan-keloka atolony. Amin'ny feo feno fitarainana no ilazany amin' ilay zanaka adala hoe: "Miverena Arniko (...) dia mba hiverina ho aminareo kosa Aho"- Zak. 1:3. Kanefa, raha mandà ihany tsy hihaino ny feo mamelovelo izay miantso azy ny ondry very, dia ho very any amin'ny maizina izy amin'ny farany.

Rehefa ela ny ela dia hihamafy ny fon'izay mandà ny fahasoa-van'Andriamanitra, ka amin'ny farany izy dia tsy hiraika intsony amin'ny fitiavan'ny lanitra. Loza mahatsiravina no miandry izay rehetra itenenan'ny Tompo hoe: "Tafaraikitra amin'ny sarnpy Efraima; aoka izy ho eo"- Hôs. 4:17. (...) 

He! hianareo rehetra izay mihodina tsy hanaiky ny famindram-pon'Andriamanitra, moa tsy tianareo ve ny misaina ny momba ireo fiampangana anareo miavovona any an-danitra? Tsarovy fa voasoratra any avokoa ny faharatsian'ny olona tsirairay avy, ny fahasimban'ny fianakaviana ary ny fahadisoan'ny firenena. Raha mbola misokatra ny bokin'ny lanitra dia manolotra famelana ho anareo Andriamanitra (...) Eny, mahari-po aminareo Izy, nefa ho avy ny andro izay hamaranana ny fitsarana, ka izay ho anjaranareo (...) dia ho voafetra mandrakizay. Dia amin'izay vao hatomboka ny famaliana. – PM, tt. 147,148. 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 14 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Fampidirana.
Sun 15 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Ny mpivady.
Mon 16 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Ny ray amandreny sy ny zanaka.
Tue 17 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Ny fifandraisana araka asa.
Wed 18 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Mifampivavaka.
Thu 19 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Mandeha amin’ny fahendrena.
Fri 20 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA -

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 07 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Fampidirana.
Sun 08 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Misaina ny zavatra any ambony.
Mon 09 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Atsaharo ny fisainana momba ny tany.
Tue 10 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Havaozina ho amin’ny fahalalana tsara.
Wed 11 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Ny toetry ny fiainam-baovao.
Thu 12 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Fiainam-baovao.
Fri 13 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Fianarana fanampiny.
Sat 14 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (67)
  • August 2024 (106)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal