Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Mibebaha ary aoka ho masina

Daty
Alahady 21 December 2025

 "Fa efa nifidy azy Aho mba handidy ny zanany sy ny taranany mandimby azy hitandreman'ireo ny lalan'i Jehovah hanao izay marina sy mahitsy, mba hitondran 'i Jehovah amin'i Abrahama izay efa nolazainy taminy."– Gen. 18:19.

Mofon’aina:
Tanteraka amin' ny lafiny rehetra ny planin' Andriamanitra   momba ny famonjena. Hirindra tsara avokoa ny zava-drehetra raha toa isika samy manao amim-pahatokiana ny andraikitra nomena antsika avy. Ny fihemorantsika no mitarika fifandrafiana sy fahoriana ary fahapotehana. Tsy mba mampiasa ny heriny hampahoriana ny voary noforonin'ny Tanany Andriamanitra. Tsy mitaky mihoatra noho izay tokony ho vitan'izy ireo lzy. Tsy manafay ny zanany tsy mankato mihoatra noho izay ilaina mba hitondrana azy ho amin'ny fibebahana Izy (...) Tsy misy fialan-tsiny manamarina ny fikomiana amin'Andriamanitra. 

Ny fitsarana ataon'Andriamanitra avy hatrany aorian'ny fandikan-dalana, ny toroheviny sy ny fananarany, ny fanehoany ny fitiavany sy ny indrafony, ary ireo toe-javatra miverimberina izay maneho ny Heriny – ireo rehetra ireo di a an isan ' ny drafiteAndriamanitra mba hiarovana ny olony amin'ny fahotana sy hahatonga azy ireo ho madio sy masina, ka Izy no ho herin' izy ireo sy fialofana ary valim-pitia lehibe indrindra ho azy. Nefa ny fikirizan'ny lsiraelita handika lalana sy ny fiodinany tamin'Andriamanitra ary ny fanadinoany ny Famindrampony, dia naneho fa maro no nisafidy ho mpanompon'ny fahotana toy izay ho zanaky ny Avo indrindra. (...) 

Niezaka i Josoa nitady fomba hanehoana tamin'ny vahoakany ny fisafotofotoan' ny fitondrantenan' izy ireo feno fihemorana. Niriny ny hahatsapan'izy ireo fa tonga izao ny fotoana tsy maintsy hanaovana fanovana ifotony, sy hamoizana izay rehetra hahitana soritra fanompoan-tsampy, ary hiverenana amin'Andriamanitra amin'ny fo manontolo. Nataony izay hahatakaran' izy ireo fa ny fihemorana miharihary dia azon' Andriamanitra leferina kokoa noho ny fihatsarambelatsihy sy ny fiankohofana tsy misy aina.

Raha sarobidy ny fahazoana sitraka amin'Andriamanitra, dia mendrika ny hamoizana ny zavatra rehetra izany. Koa nandray fanapahan-kevitra i Josoa, ary rehefa avy nandanjalanja tsara izy, dia tapa-kevitra fa hanompo an'i Jehovah amin'ny fony manontolo. Ary tsy izany ihany, fa hanao ny ezaka rehetra izy mba hitaomana ny ankohonany hanao toy izany koa.- ST, 19 Mey 1881. 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 20 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Fampidirana
Sun 21 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Teo ianareo.
Mon 22 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Amin’ny fahitsiana sy ny fahamarina
Tue 23 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Afaka misafidy ny hanompo
Wed 24 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Loza mifandraika amin’ny fanompoan-tsampy
Thu 25 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Tsara fiafara
Fri 26 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Fianarana fanampiny

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 13 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Fampidirana
Sun 14 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - "Tanteraka avokoa izany rehetra izany"
Mon 15 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Hoavy mampanahy
Tue 16 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Faritra mazava mampisaraka
Wed 17 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Ny fahatezeran’i Jehôvah
Thu 18 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Mifikira amin’Andriamanitra
Fri 19 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Fianarana fanampiny
Sat 20 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Fampidirana

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (68)
  • August 2024 (106)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal