"Fa efa nifidy azy Aho mba handidy ny zanany sy ny taranany mandimby azy hitandreman'ireo ny lalan'i Jehovah hanao izay marina sy mahitsy, mba hitondran 'i Jehovah amin'i Abrahama izay efa nolazainy taminy."– Gen. 18:19.
Mofon’aina:
Tanteraka amin' ny lafiny rehetra ny planin' Andriamanitra momba ny famonjena. Hirindra tsara avokoa ny zava-drehetra raha toa isika samy manao amim-pahatokiana ny andraikitra nomena antsika avy. Ny fihemorantsika no mitarika fifandrafiana sy fahoriana ary fahapotehana. Tsy mba mampiasa ny heriny hampahoriana ny voary noforonin'ny Tanany Andriamanitra. Tsy mitaky mihoatra noho izay tokony ho vitan'izy ireo lzy. Tsy manafay ny zanany tsy mankato mihoatra noho izay ilaina mba hitondrana azy ho amin'ny fibebahana Izy (...) Tsy misy fialan-tsiny manamarina ny fikomiana amin'Andriamanitra.
Ny fitsarana ataon'Andriamanitra avy hatrany aorian'ny fandikan-dalana, ny toroheviny sy ny fananarany, ny fanehoany ny fitiavany sy ny indrafony, ary ireo toe-javatra miverimberina izay maneho ny Heriny – ireo rehetra ireo di a an isan ' ny drafiteAndriamanitra mba hiarovana ny olony amin'ny fahotana sy hahatonga azy ireo ho madio sy masina, ka Izy no ho herin' izy ireo sy fialofana ary valim-pitia lehibe indrindra ho azy. Nefa ny fikirizan'ny lsiraelita handika lalana sy ny fiodinany tamin'Andriamanitra ary ny fanadinoany ny Famindrampony, dia naneho fa maro no nisafidy ho mpanompon'ny fahotana toy izay ho zanaky ny Avo indrindra. (...)
Niezaka i Josoa nitady fomba hanehoana tamin'ny vahoakany ny fisafotofotoan' ny fitondrantenan' izy ireo feno fihemorana. Niriny ny hahatsapan'izy ireo fa tonga izao ny fotoana tsy maintsy hanaovana fanovana ifotony, sy hamoizana izay rehetra hahitana soritra fanompoan-tsampy, ary hiverenana amin'Andriamanitra amin'ny fo manontolo. Nataony izay hahatakaran' izy ireo fa ny fihemorana miharihary dia azon' Andriamanitra leferina kokoa noho ny fihatsarambelatsihy sy ny fiankohofana tsy misy aina.
Raha sarobidy ny fahazoana sitraka amin'Andriamanitra, dia mendrika ny hamoizana ny zavatra rehetra izany. Koa nandray fanapahan-kevitra i Josoa, ary rehefa avy nandanjalanja tsara izy, dia tapa-kevitra fa hanompo an'i Jehovah amin'ny fony manontolo. Ary tsy izany ihany, fa hanao ny ezaka rehetra izy mba hitaomana ny ankohonany hanao toy izany koa.- ST, 19 Mey 1881.