"Tonga ankehitriny ny fitsarana izao tontolo izao; ankehitriny ny andrianan 'izao tontolo izao no horoahina. Ary Izaho, raha asandratra hiala amin 'ny tany, dia hitaona ny olona rehetra hanatona Ahy. "- Jao. 12:31,32.
Mofon’aina:
Tonga i Kristy mba haneho ny fitiavan' Andriamanitra amin' izao tontolo izao ka hitaona ny fo rehetra hanatona Azy. Ny dingana voalohany ho amin'ny famonjena dia ny manaiky hotaomin'ny fitiavan'i Kristy. Nandefa hafatra mifanesy ho an' ny vahoakany Andriamanitra, nitaona azy ireo hibebaka, mba hamelany ny helok'izy ireo (...). Tsy hisy ye ny fibebahana? Moa ye ny antsony tsy hisy hanoina? (…)
Endrey! Raha manao izany ny mpanota dia miala amin'ny lalana izay hahafahany mahazo ny fiainana mandrakizay; satria izay mibebaka ihany no avelan'Andriamanitra heloka. Amin'ny fanehoan'Andriamanitra ny fitiavany sy ny fitalahoan'ny Fanahiny no itaomany azy ireo hibebaka; fa fanomezana avy amin'Andriamanitra ny fibebahana ary taominy hibebaka aloha ny olona vao havelany heloka. Ny fifaliana mamy indrindra dia avy amin'ny fibebahana marina tokoa amin'Andriamanitra noho ny fandikana ny Lalany, ary amin'ny finoana an'i Kristy ho Mpanavotra ny mpanota sady Mpisolovava azy.
(...) Tonga i Kristy mba haneho amin'ny mpanota ny fahamarinan' Andriamanitra sy ny fitiavany (...). Rehefa mibanjina an'i Jesosy izay niantona teo amin'ny hazo fijaliana ny mpanota, Izy flay nijaly noho ny heloky ny mpandika lalana (...) dia ho voatarika hibebaka (...) izy ireo noho ny nandikany ny lalana izay masina sy marina ary tsara. Mino an'i Kristy izy ireo, satria nanjary Solony sy Antoka ho azy ary Mpisolovavany Ilay Mpamonjy avy any an-danitra (...). Hasehon' Andriamanitra amin'ny mpanota mibebaka ny famindrampony sy ny fahamarinany, ary harotsany amin'izy ireo ny famelan-keloka sy ny fitiavany.
Tamin'ny fahorian'i Kristy sy ny fahafatesany no nanaporofoany ny fitiavana tsy manam-petra itiavany ny taranak' olombelona. Vonona Izy hamonjy ary azony atao ny mamonjy (...) izay rehetra manatona an'Andriamanitra amin'ny alalany.- ST, 12 Septambra 1911.